WFTW Body: 

Nandritra ireo telonjato taona voalohany nisian'ny fivavahana kristiana, ny ankamaroan'ny mpino dia saika niaina tao ambany fahefan'ny mpitondra mpankahala kristiana avokoa. Nanenjika ny kristiana matetika ireny mpitondra ireny ary namono ny maro tamin'izy ireo mihitsy aza. Tamin'ny haheliben'ny fahendren'Andriamanitra no namelany ny zanany ho henjehina, mba hisehoan'ny voninahiny. Na amin'izao fotoana izao aza, dia avelan'Andriamanitra ireo zanany tena matoky Azy hiaina ao ambany governemanta mpanenjika kristiana. Rehefa misy ny fanenjehana dia mandroso tsara sy miroborobo foana ny fiangonana. Fa na aiza na aiza kosa hisian'ny fiangonana miaina am-pilaminana, manana amby ampy ary ambinina ara-nofo, amin'ny ankamaroany dia lasa mirona any amin'izao tontolo izao ilay fiangonana. Raha mbola eto amin'ity izao tontolo izao ity isika dia hiatrika fahoriana, fanenjehana ary fakam-panahy maro foana. Noho izany dia aza manantena fiainam-pilaminana intsony, na any amin'ny toeram-piasana izany na ao an-tokantrano, satria efa manakaiky ny fahataperan'izao tontolo izao.

Ho avy ny andron'ny fahasahiranana ara-bola. Noho izany dia tsy maintsy mianatra ho tso-piaina dieny izao isika. Ho sarotra be amin'ireo olona miaina ao anaty haitraitra ny andro ho avy. Tsy maintsy hendry isika amin'ny fitehirizana vola hitsinjovantsika ny ho avy, mba tsy ho voatery hiankina amin'ny hafa. Kanefa tsy azontsika atao ny mitoky amin'ny tahirim-bolantsika fa amin'ny Tompo irery ihany . Andriamanitra dia Andriamanitra saropiaro ka tsy hamela antsika hitoky amin'izay mety ho zavatra natao velively Izy. Hanozongozona ny rafitra ara-bolan'izao tontolo izao Andriamanitra, noho izany dia hihozongozona koa ireo izay mitoky amin'ny zavatra natao. Araka izay nolazain'i Jesosy dia ho hitantsika fa hisy rahalahy hanolotra ny rahalahiny ary ny mpianakavintsika ho tonga fahavalontsika (Matio:10-21). Hisy fanenjehana mahery vaika hihatra amin'ny mpino any amin'ny birao sy any amin'ny orinasa. Izany rehetra izany dia hanadio antsika sy hahatonga antsika ho kristiana mendrika kokoa. Ny bokin'i Petera voalohany 3:13 dia milaza fa tsy misy olona hanisy ratsy antsika raha mazoto amin'izay tsara isika. Noho izany dia tsy maintsy manana finiavana isika hanisy soa ny olona rehetra, amin'ny fahasoavan'Andriamanitra. Tsy maintsy mitia ireo izay mankahala antsika isika, tsy maintsy mitahy ireo izay manozona antsika, tsy maintsy mivavaka isika mba hahazo famelana ireo izay manenjika antsika. Amin'izay dia tsy misy olona afaka hanisy ratsy antsika. Satana sy ny forongony mety hamitaka antsika, mety hampahory, handrafy, handroba, hanisy ratsy antsika ary mety hamono antsika mihitsy aza. Kanefa tsy afaka hanisy ratsy antsika amin'ny ara-panahy velively izy.

Tsy maintsy ampiomanintsika avokoa ny kristiana rehetra eran-tany mba ho vonona hiatrika fanenjehana amin'ny andro ho avy, noho ny finoan'izy ireo. Misy didy efatra izay nomen'ny Tompo antsika ho amin'izany andron'ny fanenjehana izany :

1. « Hendre tahaka ny menarana ary morà tahaka ny voromailala » (Matio 10:16)

Tsy tokony hanao adaladala isika rehefa mijoro vavolombelona, fa aoka ho hendry. Ny fiainantsika no tsy maintsy milaza ny amin'i Kristy, any amin'ny toeram-ponenantsika sy any amin'ny toeram-piasantsika. Amin'ny fijoroana vavolombelona ataontsika ho an'ny Tompo, dia tsy maintsy ambarantsika mazava tsara fa Olona anankiray, dia Jesosy Kristy, no anton-dresaka fa tsy fampitahana ny fivavahana kristiana ho ambony kokoa noho ny fivavahana hafa. Raha nasandratra niala tamin'ny tany Jesosy dia hitaona ny olona rehetra hanatona Azy (Jaona 12:32). Tsy maintsy miambina koa isika hamantatra ireo mpitsikilo, milaza tena ho kristiana sy miseho ho liana amin'ny fivavahana kristiana, kanefa ny tena tanjony dia ny hamandrika antsika amin'ny teny izay notoriantsika. Entiny iampangana antsika any amin'ny fitsarana ireny satria « nanova fo azy ireo an-keriny » hono isika. Noho izany dia tsy maintsy hendry isika ary tsy maintsy be fitiavana tahaka an'i Jesosy : (a) « tsy nahatoky ny olona sasany Jesosy satria Izy nahalala izay tao am-pon'ny olona » (Jaona 2 :23-25). Mahaiza mamantatra ny olona rehetra. (b) « Nalain-kandeha tany Jodia Jesosy, satria nitady hahafaty Azy ny jiosy » (Jaona 7:1). Alaviro ny loza raha azonao ialàna. ( c) « Mivavaha ho an'izay manenjika anao » (Matio 5:44). Aoka ianao ho tsara fanahy, ary aza mety ho ratsy fanahy satria ratsy fanahy ny hafa.

2. « Aoka ianao hivelona amin'ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra » (Matio 4:4)

Ao anaty fanenjehana dia tokony ho mora maheno ny teny izay lazain'Andriamanitra ao am-pontsika isika, izany no zava-dehibe indrindra ilaintsika. Tsy maintsy mizatra hanana toetra tia mihaino an'Andriamanitra isan'andro isika. Izay teny rentsika avy amin'Andriamanitra dia tsy maintsy inoantsika sy ankatoavintsika. Raha tsy izany mantsy dia tsy hahasoa antsika ny teniny. Noho izany àry dia aoka ho saintsainintsika bebe kokoa hatrany ny Tenin'Andriamanitra (indrindra fa ny Testamenta Vaovao). Satria izay ihany no hahaizantsika mamantatra ny feon'Andriamanitra. Rehefa izany dia tsy maintsy « matoky sy mankato » isika.

3. « Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo. Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia » (Jaona 13:34,35)

Na ao an-tokantrano na ao am-piangonana dia tsy maintsy ajanontsika hatreo ny mifampitsara, ny mifampifosa, ny mifanditra ary ny mifampiahiahy. Ny fahaiza-mamantatra dia toetran'Andriamanitra, fa ny fiahiahiana kosa dia toetran'i Satana. Fotoana izao izay

tokony hifantohantsika amin'ny ady atao amin'ny fahotana sy ny ady atao amin'i Satana, eo amin'ny fiainantsika. Fotoana izao izay tokony hiezahantsika mafy mba hitiavantsika ny vadintsika sy hitiavantsika ny mpiara-mivavaka amintsika.

4. « Aty amin'izao tontolo izao no HAHITANAREO fahoriana, nefa matokia, Izaho efa naharesy izao tontolo izao » (Jaona 16:33)

Andriamanitra dia eo amin'ny seza fiandrianany ary tsy mba hahafoy izay Azy mihitsy Izy . Roa arivo taona lasa izay no efa resy Satana. Isika no anakandriamason'Andriamanitra, ary noho izany dia ho manda afo manodidina antsika Izy (Zakaria 2:9,12). Tsy hisy hambinina ny fiadiana rehetra voaforona hamelezana antsika (Isaia 54:17). Noho izany dia « mianina amin'izay anananareo, fa hoy Izy 'Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory'. Ka dia sahy manao hoe isika 'Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho, inona no azon'ny olona atao amiko ?' » (Hebreo 13:5-6).

Koa andeha àry isika hivavaka hoe « avia, Jesosy Tompo » (Apok. 22:20)