WFTW Body: 

Rehefa namory miaramila i Gideona mba hanafihany ny fahavalon'Isiraely dia nisy 32 000 lahy niaraka taminy. Kanefa fantatr'Andriamanitra fa tsy mahafatrapo avokoa ireo lehilahy rehetra ireo. Noho izany dia nahenan'Andriamanitra ny isany. Izay saro-tahotra tamin'izy ireo no nasaina niverina nody aloha. Kanefa mbola nisy 10 000 ihany tafajanona. Dia nentina teny amin'ny rano izy ireo mba hozahana toetra. Ny 300 tamin'izy ireo ihany no tafita tamin'ny fizahan-toetra sy neken'Andriamanitra ( Mpitsara 7:1-8).

Ny fomba nisotroan'ireo olona 10 000 ireo rano mba hanalàny hetaheta no nampiasain'Andriamanitra hifantenana izay olona hiantafika hiaraka amin'i Gideona. Vitsy dia vitsy tamin'izy ireo no nahafantatra fa nozahàna toetra izy ireo tamin'io fotoana io. Ny 9 700 tamin'izy ireo dia efa nanadino tanteraka ny fahavalo tamin'ny nandohalihany mba hanala ny hetahetany. Ny 300 tamin'izy ireo ihany no nijoro teo amin'ny toerany sy mailo ary nisotro rano tamin'ny tanany ho solona kaopy.

Ao amin'ny zavatra ataontsika andavanandro no hizahan'Andriamanitra toetra antsika, ny toetrantsika manoloana ny vola, ny fahafinaretana, ny fitadiavana voninahitra sy fiadanana sy ny sisa... Kanefa tahaka ireo miaramilan'i Gideona, dia mazàna no tsy fantatsika akory fa zahàn'Andriamanitra toetra anie isika.

Jesosy dia nampitandrina antsika mba tsy hovesaran'ny fiahiahiana izao fiainana izao. Izao no nolazainy : Ary mitandrema fandrao ny fonareo vesaran'ny fanaranampo sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian'izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany (Lioka 21:34).

Paoly dia nananatra ny kristiana tao Korinto hoe : amin'izao sisa izao, aoka mba ho toy ny tsy manam-bady ny manana, ary mba ho toy izay tsy mitomany ny mitomany, ary mba ho toy izay tsy mifaly ny mifaly, ary mba ho toy izay tsy mahazo ny mividy, ary mba ho toy izay tsy mahavatra izao fiainana izao loatra ny mahavatra azy, fa mandalo ny fanaon'izao fiainana izao … Ary miteny izany aho mba hanaovanareo izay miendrika sy hitoeranareo tsara amin'ny Tompo (1 Korintiana 7:29-35).

Eto amin'izao tontolo izao dia tsy misy zavatra azontsika avela hanary dia antsika sy hanala antsika amin'ny fitiavana ny Tompo. Ireo zavatra maro azo atao (tsy fahotana) eto amin'izao tontolo izao dia fandrika lehibe kokoa noho ireo zavatra tsy azo atao (fahotana), satria ireo zavatra azo atao dia tahaka ny tsy misy tsiny sady tahaka ny tsy mampidi-doza !!

Mahazo manala hetaheta isika, kanefa tsy maintsy ny tanantsika no kaopy isotroantsika ary tsy mahazo misotro afa-tsy izay kely tsy maintsy sotroina isika. Ny saintsika dia tsy maintsy mifantoka amin'ny zavatra any ambony fa tsy amin'ny zavatra ety an-tany. Tsy maintsy mahafoy ny zavatra rehetra isika raha te-ho mpianatr'i Jesosy. Tahaka ny elastika azo henjanina ny saintsika ka afaka manakatra ny zavatra tsy dia ilaina ety an-tany. Kanefa raha vao manakatra ireny ny saintsika dia tsy maintsy averina amin'ny toetrany taloha. Tahaka ny elastika rehefa avotsotra ny fanenjanana azy. Tahaka izany no tsy maintsy isintonantsika ny saintsika hiverina hisaina ny zavatry ny Tompo sy ny zavatra momba ny mandrakizay. Izany no dikan'ny hoe "saino ny zavatra any ambony fa tsy ny zavatra ety an-tany" ( Kolosiana 3:2). Ny an'ny ankamaroan'ny mpino kosa anefa dia mifanohitra amin'izany ny fiasan'ny elastikany. Indraindray foana vao mba mihenjana ny sainy hanakatra ny zavatra momba ny mandrakizay ary rehefa avotsotra dia miverina amin'ny tena toetrany feno fiahiahiana ny zavatr'izao tontolo izao ny sainy !!!