WFTW Body: 

Rehefa atao batisa isika dia manana fahatokiana fa ny olona manitrika antsika ao anaty rano dia tsy handentika antsika ao fa hanangana antsika avy ao anaty rano. Dia tahaka izany koa no tsy maintsy hananantsika finoana (fahatokiana) an'Andriamanitra amin'ny toe-javatra rehetra eo amin'ny fiainana. Rehefa ampandalovin'Andriamanitra toe-javatra anankiray isika, toe-javatra tsy maintsy hahafatesantsika ho an'ny tenantsika na tsy maintsy « hanombohan'ny » hafa antsika, dia Andriamanitra mihitsy no mila hitantsika ao ambadik'ireo olona ataon'Andriamanitra fitaovana ireo.

Izay madio am-po no hahita an'Andriamanitra hoy Jesosy (Matio 5:8 ), Andriamanitra irery no ho hitany fa tsy ho hitany ireo olona ataon'Andriamanitra fitaovana. Raha tsy mahita afa-tsy ny olona izay manombo antsika isika, dia midika izany fa tsy madio am-po isika. Dia hitaraina noho ny nataon'ireo olona ireo isika.

Fa raha madio am-po kosa isika dia tsy hahita afa-tsy Andriamanitra, ary rehefa izany dia hanana fahatokiana (tahaka ny tamin'ny batisan'ny rano) fa Ilay namela antsika ho voasitrika ao amin'ny fahafatesana no hanangana antsika koa. « Raha miara-maty amin'i Kristy isika dia hatsangan'Andriamanitra tahaka ny nanaganany an'i Kristy koa » (2 Tim. 2:11). Dia ho faty ao amin'ny finoana (ao amin'ny fahatokiana an'Andriamanitra) isika. Dia afaka hiditra ao anatin'ny fiainana be voninahitra dia ilay fiainana voatsangana tamin'ny maty isika. Fa raha tsy izany dia hijanona ao anatin'ny fiainan'i Adama dia ilay fiainana taloha niainantsika iny foana isika. Rehefa mandà ny ho faty ho an'ny tenantsika isika, dia midika izany fa tsy manana finoana (fahatokiana) an'Andriamanitra isika.

Ny olon'ny finoana dia ny olona tokam-po, araka izay vakiantsika ao amin'ny Jakoba 1:6-8. Izany olona izany dia tsy manana afa-tsy tanjona tokana eo amin'ny fiainana, dia ny hanao izay hahafaly an'Andriamanitra sy ny hanome voninahitra Azy. Ny olona tahaka izany ihany no lazaina fa mivelona amin'ny finoana, satria izy dia mivelona amin'ny fanekena fa ny zavatra tsy hita ihany no haharitra mandrakizay. Izany hoe mino izay lazain'ny Tenin'Andriamanitra izy.

Marobe ny « mpino » no mino an'i Jesosy satria tsy te ho any amin'ny helo. Kanefa tsy MIVELONA amin'ny finoana izy ireo. Tsy resy lahatra izy ireo fa marina izay lazain'Andriamanitra ao amin'ny Teniny. Tsy mino izy ireo fa tsy maintsy hampamoahan'Andriamanitra aminy ny zavatra rehetra nataony sy nolazainy teo amin'ny fiainany. Tsy mino izy ireo fa raha mivelona amin'ny fanomezana fahafaham-po ny tena, sy amin'ny fahafinaretana eto amin'izao tontolo izao ary amin'ny fitadiavam-bola dia ho tra-nenina any amin'ny mandrakizay rehefa mandao an'ity tany ity.

Ilay mpanankarena (noresahan'i Jesosy) izay maty ary lasa tany amin'ny helo, dia nanenina raha vao maty ary nitady olona handeha hilaza amin'ireo rahalahiny mba tsy hanao fahadisoana tahaka ny nataony nandritra ny fiainany tety an-tany, izany hoe tsy nibebaka isan'andro ( Lioka 16:28,30). Ny fiainantsika eto an-tany dia tsy inona fa fizahan-toetra, ary tsapain'Andriamanitra isika na hivelona ho an'ny vovoky ny tany tahaka ny biby na hanao tahaka ny zanak'Andriamanitra ka hivelona ho an'ny zavatry ny mandrakizay, izany hoe fiainana miavaka amin'ny hatsaram-panahy, fitiavana, fahadiovana tanteraka sy fanetren-tena, sy ny sisa …

Ny Tompo anie hanome anao fahasoavana mba hivelomanao ho an'ny zavatra maharitra mandrakizay.