written_by :   Zac Poonen
WFTW Body: 

Ao amin'ny Nomery toko faha-13 dia hitantsika fa tonga tany Kadesi-barnea ny zanak'Isiraely, teo amin'ny sisin-tanin'i Kanana, ilay tany nampanantenain'Andriamanitra fa homena azy ireo. Efa roa taona izao no nandaozan'izy ireo an'i Egypta (Deotoronomia 2:14), ary nasain'Andriamanitra niakatra mba handova ny tany izy ireo. Dia naniraka mpitsikilo roambinifolo hisafo ny tany ny zanak'Isiraely.

Niverina izy roambinifolo lahy ary samy niteny fa tsara indrindra ny tany. Ny folo tamin'izy ireo anefa dia niteny hoe " Nefa olona vaventibe no monina ao ka tsy haharesy azy ireo isika" (Nomery 13:27, 28, 29).

Fa hoy kosa ny roa tamin'izy ireo, dia i Josoa sy i Kaleba : Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany tsara indrindra. Raha sitrak'i Jehovah isika dia hitondra antsika any ho amin'izany tany izany Izy, ka homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely. Jehovah momba antsika handresentsika ireo olona vaventibe ireo (Nomery 14:6-9). Kanefa naleon'ireo Zanak'Isiraely 600 000 nihaino ireo mpisafo tany maro an'isa.

Inona no lesona azontsika tsoahina avy amin'izany ? Voalohany indrindra, dia mampidi-doza ny manaraka ny maro an'isa, satria tsy maintsy diso foana ny maro an'isa. " Tery ny lalana izay mankany amin'ny fiainana ka vitsy ny mahita izany ", hoy Jesosy. Ny maro an'isa dia mandeha any amin'ny lala-malalaka foana izay mankany any amin'ny fahaverezana. Noho izany raha manaraka ny maro an'isa ianao dia azo antoka fa hiara-mandeha amin'izy ireo any amin'ny lala-malalaka mankany any amin'ny fahaverezana. Aza mieritreritra akory fa ny fiangonana ngezabe dia fiangonana ara-panahy. Ny fiangonan'i Jesosy Kristy dia tsy nanana afa-tsy mpikambana 11. Raha misy mpitarika folo lahy milaza zavatra anankiray ary misy mpitarika roalahy kosa milaza zavatra mifanohitra tanteraka amin'izany, dia iza amin'izy ireo no hiarahanao ? Teto Andriamanitra dia niaraka tamin'ireo roalahy, dia i Josoa sy i Kaleba.

Ny tsi-finoana sy i Satana no niaraka tamin'izy fololahy. Kanefa ny zanak'Isiraely dia nanaonao foana nanaraka ireo maro an'isa, koa izany no nahatonga azy ireo tsy maintsy nirenireny tany an'efitra nandritra ny 38 taona manaraka. Tsy hainy ny namantatra izay olona nomban'Andriamanitra ! Andriamanitra sy olona anankiray dia maro an'isa foana, ary eo foana koa no tiako hijoroana. Hitantsika ao amin'ny Eksodosy toko faha-32 fa Andriamanitra dia niandany tamin'ny lehilahy tokana dia i Mosesy, rehefa nivavaka tamin'ny ombikely volamena ny Zanak'Isiraely. Saingy tao amin'ireo foko roambinifolo, ny fokon'i Levy ihany no nahatsikaritra izany. Teto anefa rehefa niandany tamin'i Josoa sy Kaleba Andriamanitra dia tsy nanaiky izany na dia ny fokon'i Levy aza !

Izany rehetra izany dia fianarana ho antsika ankehitriny. Ny tontolo kristiana amin'ny ankapobeny dia feno olona miroaroa fo sy tia an'izao tontolo izao. Etsy sy eroa dia manangana olom-bitsy Andriamanitra, olona izay mijoro amin'ny Fahamarinan'ny Tenin'Andriamanitra ary tsy matin-kenamaso. Raha manana fahaiza-mamantatra ianao dia hanaiky fa Andriamanitra dia miaraka amin'ireo olom-bitsy ireo, koa hiandany amin'izy ireo ianao hanohitra ny maro an'isa. Ary hiara-miditra amin'izy ireo ao amin'ny tany nampanantenaina ianao.

Fomba ahoana no hamantaranao ny olona izay iandanian'Andriamanitra ? Olona miteny tenim-pinoana izy. Josoa sy Kaleba dia niteny tenim-pinoana hoe " Haharesy azy isika". Haharesy ireo fahatezerana sy fijangajangana sy fialonana sy fimonomononana … vaventibe ireo isika. Haharesy an'i Satana isika. Hanorotoro an'i Satana eo ambany tongotsika Andriamanitra. Miandany amin'ny olona manana izany fomba fiteny izany Andriamanitra.