written_by :   Zac Poonen categories :   Ny Fiangonana Mpianatra
WFTW Body: 

Tao ambanin'ny Fanekena taloha dia ny Tenin'Andriamanitra voasoratra izay nomen'Andriamanitra ny Zanak'Isiraely tamin'ny alalan'i Mosesy sy ny mpaminany ihany no azon'ny olona narahina. Tsy nisy olona afaka niteny hoe "Manaraha ahy" na dia ireo mpaminany lehibe toa an-dry Mosesy, sy Elia ary Jaona Mpanao batisa aza. Ny Tenin'Andriamanitra irery ihany no fanazavan'ny làlan'ny olona (Sal. 119:105).

Nefa tonga Jesosy ary nametraka fanekena vaovao. Ary tsy ny Tenin'Andriamanitra ihany no nomeny antsika mba harahintsika, fa ny fiainany mihitsy. Izy no olona voalohany ao anaty Baiboly nilaza hoe "Manaraha Ahy" (Matio 4:19; Jaona 21:19; Lioka 9:23). Koa ao amin'ny fanekena vaovao izany dia sady manana ny Teny voasoratra isika no manana ny Teny tonga nofo ao amin'i Jesosy. Raha lazaina tsotra dia izao, ilay Teny voasoratra dia efa natao hita maso tao amin'ny fiainan'olombelona mba hanoro lalana antsika.

Niteny mafy ny Fariseo Jesosy satria tsy nanao afa-tsy nandinika ny Tenin'Andriamanitra izy ireo fa tsy mba nanatona an'i Jesosy : "Dinihinareo ny Soratra Masina satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy. Kanefa tsy mety manatona Ahy hianareo hanananareo fiainana" (Jaona 5:39,40) .

Ankehitriny dia ny Fiainan'i Jesosy no Fanazavana ny làlantsika (Jaona 1:4), fa tsy ny Tenin'Andriamanitra voasoratra ihany. Raha tsy mahita tari-dalana mazava ao anatin'ny Tenin'Andriamanitra isika mikasika ny zavatra anankiray dia azontsika atao ny mijery ao amin'ny fiainan'i Jesosy (araka ny ambaran'ny Fanahy Masina ao am-pontsika) mba hahazoantsika tari-dalana lalandava.

Fanampin'izany : ao amin'ny fanekena vaovao dia notsindrian'ny Fanahy Masina ny olon'Andriamanitra tahaka an'i Paoly mba hilaza hoe "Aoka hanahaka ahy hianareo, dia tahaka ny anahafako an'i Kristy". Ary nasain'ny Fanahy Masina naveriny in-telo izany mba hanamafisana fa isika dia tokony hanahaka ireo olon'Andriamanitra marina izay manaradia an'i Kristy (1Kor.4:16;1Kor. 11:1; Fil.3:17).

Ny tena mpanompon'ny fanekena vaovao dia tsy mitory ny fitsipik'Andriamanitra ao amin'ny Teny voasoratra fotsiny, fa milaza koa tahaka izay nolazain'i Paoly hoe "Manaraha ahy tahaka ny anarahako an'i Kristy".

Misy kristiana milaza hoe "Tsy mahazo manaraka olona na iza na iza isika. Tsy mahazo manaraka afa-tsy Jesosy irery ihany isika". Toa tahaka ny hoe ara-panahy izany fanambarana izany. Kanefa tena mifanohitra tanteraka amin'ny Tenin'Andriamanitra . Satria, araka izay vao avy nojerentsika, dia nasain'i Paoly (notsindrian'ny Fanahy Masina izy) nanaraka azy isika.

Ny antony nilazan'i Paoly tamin'ireo kristiana tao Korinto mba hanaraka azy sy haka tahaka ny ataony dia satria izy no rain'izy ireo ara-panahy . Hoy izy "Fa na dia manana mpampianatra iray alina ao amin'i Kristy aza hianareo, dia tsy maro ray hianareo: fa izaho no niteraka anareo ao amin'i Kristy Jesosy tamin'ny filazantsara. Koa mananatra anareo aho, manahafa ahy hianareo " (1Kor.4:15,16). Tsy afaka manaraka ny mpampianatra Baiboly isika, satria na dia tsara sady tsy misy diso aza ny fampianarana omeny dia mety tsy azontsika tahafina ny fiainany. Araka izay lazain'io andininy eo ambony io dia tsara kokoa ny manana ray ara-panahy anankiray toy izay manana mpampianatra Baiboly 10 000. Koa mahasoa ny kristiana rehetra ny manana ray ara-panahy tahaka an'i Paoly, izay azony tahafina. Mahavonjy antsika amin'ny fahotana sy amin'ny fampianaran-diso ny fanarahantsika ray am-panahy tahaka izany.

Paoly dia namporisika ny kristiana mba hanaraka ireo olon'Andriamanitra hafa koa, izay "manahaka an'i Kristy", satria izany koa no nataony. Hoy izy "Ampitovio amin'ny fiainako ny fiainanareo, ary ianaro ny ataon'ireo olona manahaka anay koa" (Fil 3:17 - Baiboly NLT )

Ny Tenin'Andriamanitra koa dia mandidy antsika mba hanaiky ireo mpitondra antsika sy haka tahaka ny finoan'izy ireo.

"Maneke ny mpitondra anareo, ka manoava azy" (Heb.13:17).

"Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny Tenin'Andriamanitra taminareo. Hevero ny niafaran' (ny vokatr'izany teo amin') ny fiainany, ka manahafa ny finoany" (Heb. 13:7).

Isika dia TSY nantsoina haka tahaka ny asa fanompoan'nyhafa, satria samy efa nomen'Andriamanitra asa fanompoana manokana avy ny Zanany izay tsy azon'ny hafa atao. Ny Tenan'i Kristy dia manana rantsam-batana izay samy manana ny asany avy, tahaka ny tenantsika olombelona. Rehefa niantso ny olona hanaraka Azy i Jesosy dia tsy nanantena velively Izy hoe hahavita fahagagana tahaka Azy na hitory teny tahaka Azy ny olona. Asa fanompoan'i Jesosy izany. Niantso ny olona Jesosyhanana fiainana manahaka ny Azy, izany hoe, hivelona araka ny fitsipi-piainana izay nivelomany. Tahaka izany koa rehefa niantso ny mpino mba hanahaka azy sy hanara-dia azy tahaka ny anarahany dia an'i Kristy i Paoly dia tsy ny ho tonga apostoly na ny hanasitranan'izy ireo ny marary no notadiaviny tamin'ny olona fa ny mba hivelona tahaka ny nivelomany, izany hoe hivelona araka ny fitsipi-piainana niveloman'i Kristy.

Eo amin'ireo andinin-tSoratra Masina eo ambony ireo dia ny Fanahy Masina mihitsy no mandidy antsika hanahaka olon'Andriamanitra. Ny olona izay fatra-pirehareha ka tsy manahaka olon'Andriamanitra dia lasa olona ara-nofo matetika amin'ny farany, na lasa olona mora amporisihin'ny nofony. Ary mety ho ratsy loatra ny vokatra aterak'izany.

Raha vao avy nilaza tamin'ny kristiana tao Filipo mba hanahaka azy sy hanahaka ireo olon'Andriamanitra hafa i Paoly (Fil. 3:17) dia nampitandrina azy ireo izy mba tsy hanahaka ny olona hafa sasany. "Fa maro no mandeha, izay efa nolazaiko taminareo matetika, sady mbola lazaiko aminareo amin'ny fitomaniana koa ary ankehitriny, fa fahavalon'ny hazo fijalian'i Kristy ireny" (Fil. 3:18,19) .

Raha tahiny manahaka an'i Paoly kosa izy ireo dia ho voavonjy ka tsy ho voafitak'ireo olona tsy matahotra an'Andriamanitra.

Ireto misy fitsapana fito izay ahafahanao mamantatra ny olona anankiray na tena olon'Andriamanitra mendrika hotahafina izy na tsia :

  1. Olona manetry tena ve izy, izany hoe olona mora atonina ary mora resahina? Isika dia nasain'i Jesosy hianatra fanetren-tena Aminy (Mat. 11:29). Ny olon'Andriamanitra dia olona efa nianatra fanetren-tena tamin'i Jesosy.
  1. Efa afaka tamin'ny fitiavam-bola ve izy ary olona tsy mangataka vola na amin'iza na amin'iza (raha araka ny fantatrao)? Ny olon'Andriamanitra dia olona manahaka an'i Jesosy, izay tsy mba nangataka vola na tamin'iza na tamin'iza na dia ho an'ny asa fanompoany aza. Jesosy dia nilaza fa izay tia an'Andriamanitra dia hankahala vola ary izay momba an'Andriamanitra dia manamavo ny vola (Lioka 16:13).
  1. Madio fitondran-tena ve izy eo amin'ny fiainany, ary indrindra indrindra eo amin'ny fifandraisany amin'ny vehivavy (raha araka ny fantatrao)? Ny olon'Andriamanitra dia tsy hanalavitra fotsiny ny filan'ny nofo fa handositra izany mihitsy (2Tim. 2:20-22).
  1. Manambady aman-janaka ve izy, nahay nitaiza tsara ny zanany ve izy? Ny olon'Andriamanitra manam-bady aman-janaka dia olona manana zanaka mpino izay nobeazina tamin'ny fahatahorana an'Andriamanitra (1Tim.3:4,5: Tit. 1:6).
  1. Efa tonga olon'Andriamanitra ve ireo mpiara-miasa akaiky aminy vokatry ny fifaneraserany tamin'izy ireo? Ny olon'Andriamanitra dia mamokatra olon'Andriamanitra hafa. Timoty dia tonga olon'Andriamanitra noho ny fifaneraserany tamin'ny rainy am-panahy dia i Paoly izany (Fil. 2:19-22).
  1. Efa nanorina (na efa eo am-panorenana miaraka amin'ny hafa) fiangonan'ny fanekena vaovao ve izy ? Jesosy dia tonga tety an-tany mba hanorina ny Fiangonany (Mat.16:18). Natolony ho faty ny Tenany mba hiorina ny fiangonana (Efe. 5:25). Ny olon'Andriamanitra dia tsy hitondra ny olona any amin'i Kristy fotsiny ihany fa mba hanorina ny olona ho tonga fiangonana.
  1. Mampifandray anao amin'i Kristy ve izy fa tsy mampifandray anao amin'ny tenany ? Ny olon'Andriamanitra dia hampifandray anao amin'i Kristy, mba hahatonga anao ho olon'Andriamanitra azon'ny olona hafa tahafina avy eo (Efe. 4:15; 2Kor. 4:5).

Tsy azontsika tahafina ny ankamaroan'ny mpitondra fivavahana kristiana, satria tsy hita eo amin'ny fiainany ny iray na ny maro amin'ireo voalaza eo ambony ireo.

Raha mahita mpitondra matahotra an'Andriamanitra kosa ianao, izay manana ireo toetra mendrika voalaza eo ambony ireo, dia mahasoa anao ny manaraka azy toy ny ray am-panahy, satria hanampy anao hanakaiky kokoa ny Tompo izy ary amin'izany dia ho voavonjy amin'ny fahotana sy ho voavonjy amin'ny fampianaran-diso ianao.

Izay manan-tsofina enti-mihaino, aoka izy hihaino.