WFTW Body: 

Inty misy fahamarinana anankiray lehibe indrindra izay tsy maintsy ataontsika ao an-tsaina mandrakariva : Ny andininy rehetra alaina avy ao amin'ny Testamenta Taloha dia tsy maintsy hamarinina tsara aloha mba ahitana sao misy fahamarinana manan-danja kokoa noho iny ao amin'ny Testamenta Vaovao. Ohatra, ireo zanak'ondry novonoina dia efa nosoloina ny Zanak'ondrin'Andriamanitra novonoina ho antsika. Torak'izany koa, tsy maintsy tsarovantsika fa tamin'ny fotoana nivavahan'i Daniela dia mbola tsy resy tao Kalvary i Satana sy ny miaramilany. Izany no antony nisian'ny ady tamin'i Satana (tany an-danitra) nandritra ny telo herinandro (Dan.10:12,13). Fa ankehitriny kosa isika dia efa miaina aty aorian'ny hazo fijaliana, eo amin'ilay efa nandresena an'i Satana. Koa tsy voatery mifampitolona amin'i Satana mandritra ny telo herinandro intsony isika. Eo amin'ny fandresen'i Kristy no itoerantsika. Vitsy dia vitsy ny olona mampianatra izany fahamarinana izany.

Vakiantsika mazava tsara ao amin'ny Kolosiana 2:14 sy ao amin'ny Hebreo 2:14 fa efa resy teo amin'ny hazo fijaliana i Satana (tsy naringana izy fa nesorina ny heriny). Koa ankehitriny dia mila manaiky (manolo-tena ho) an'Andriamanitra tanteraka aloha isika, rehefa avy eo dia mijoro eo amin'ny toeram-pandresen'i Kristy ary manohitra an'i Satana amin'ny anaran'i Jesosy. Eo no ho eo ihany dia handositra antsika i Satana (Jakoba 4:7). Handositra antsika amin'ny hafainganam-pandehan'ny tselatra izy, izany hoe 300 000 kilometatra isan-tsegondra, satria Jesosy efa nilaza hoe " Izaho nahita an'i Satana latsaka avy tany an-danitra tahaka ny varatra " (Lioka10:18). (Etsy ange, ity dia fanontaniana tsara apetraka any amin'ny fitsapam-pahaizana ara Baiboly mikasika ny Jakoba 4:7 : Rehefa toherinstika i Satana ka mandositra antsika dia mahatratra firy ny hafainganam-pandehany ?)

Fa raha tsy diovina tsy tapaka amin'ny ràn'i Jesosy kosa ny fiainanao amin'ny fiaiken-keloka matetika (araka ny sy isaky ny fanindronan'ny fieritreretanao), dia tsy hanana fahefana amin'i Satana ianao. Koa tehirizo ho madio foana ny fieritreretanao amin'ny alalan'ny fiaiken-keloka ataonao amin'ny Tompo

Andriamanitra dia Ray be fitiavana. Tsy maintsy ao Aminy foana no itadiavanao fiarovana. Ny raim-pianakaviana tsara indrindra dia tsy azo oharina akory amin'Andriamanitra. Koa azonao alaina sary an-tsaina amin'izany ny haben'ny fitiavan'Andriamanitra anao. Tsy maintsy ao amin'ny fitiavany ihany no hahitanao fiadanana ary ho setrin'izany dia tsy maintsy tiavinao fatratra Izy. Aza manao zavatra tsy mahafaly an'Andriamanitra mihitsy ianao. Ary raha sendra lavo ianao (na ho anio na ho ampitso), dia ibebaho avy hatrany ny helokao ary miverena any amin'Andriamanitra amin'ny fanenenana, dia tehirizo ho madio mandrakariva amin'ny alalan'ny ràn'i Jesosy ny fonao.

Mpitory fivavahana karismatika marobe no manompana ny toriteniny amin'ny finoana hahazoana zavatra ara-nofo sy hahazoana fahasalamana ary hahafahana mandroaka devoly, ary avy eo dia tereny ny olona hanome vola azy. Ny mpitory fivavahana sasany indray dia manompana ny toriteniny amin'ny fomba ara-tsaina hanangolingolena ny kristiana, fa tsy mba ny hahatonga azy ireo hino ny teny fikasan'Andriamanitra. Koa tandremo ary halarivo ireo fampianaran-diso mikasika ny "fanasitranana anaty", ny " fahefan'ny toe-tsaina 'positif'", ny "ozon'ny taranaka" sy ny sisa, izay tena miely patrana ankehitriny. Tsara lavitra ny mifikitra amin'ny tenin'ny Testamenta Vaovao rehefa resaka ara-panahy. Ianaro ny Tenin'Andriamanitra dia tsy ho voafitaka ianao.

Anisan'ny fitaovam-piadianan'i Satana faratampony ny "tahotra". Ampiasainy tsy tapaka izy io. Rehefa mitady hampitahotra ny hafa na handrahona ny hafa ny mpino (na fantany izany na tsy fantany) dia mpiombon-draharaha amin'i Satana izy izay, satria mampiasa ny fitaovana avy tao amin'ny tahirin'i Satana. " Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika" (2 Tim.1:7). Fitaovana entin'i Satana miady mandrakariva ny tahotra. Koa tsy tokony hatahotra izay fandrahonana sy izay tetikady fampihorohoroana entin'ny olona hamelezana antsika isika. Izay olona rehetra manao izany dia solontenan'i Satana avokoa, na dia milaza ny tenany ho "mpino" aza izy. Izany dia lesona tokony hianarantsika mandritra ny androm-piainantsika manontolo.