WFTW Body: 

Ny fanatitra ho an'Andriamanitra dia ny fo torotoro sy mangorakoraka, izay mahatsiaro fa tsinontsinona sy tsy maharo tena (Salamo 51:17).

Izany no fo nananan'i Abela fa tsy mba nananan'i Kaina. Ary izany no antony nanoratana hoe « Ary Jehovah nankasitraka an'i Abela (noho izany dia nankasitrahany koa ny fanatiny) ; fa Kaina kosa tsy mba nankasitrahany (noho izany dia tsy nankasitrahany koa ny fanatiny) » (Gen 4:4,5).

Ny finoana dia fiankinan-doha tanteraka amin'Andriamanitra ary tamin'ny « Finoana no nanateran'i Abela ho an'Andriamanitra fanatitra tsara noho ny an'i Kaina » (Hebreo 11:4). Noho izany dia nankasitrahan'Andriamanitra ny fanomezana nataon'i Abela.

Mamitaka mihitsy ny fampianarana izay milaza fa ny nampiavaka an'i Kaina sy Abela dia hoe fanatitra nisy rà ny an'i Abela fa tsy nisy rà ny an'i Kaina. Ny fampiharana eo amin'ny fiainana izany fampianaran-diso izany dia izao : ny olona izay hankasitrahan'Andriamanitra dia izay olona mirakotra ny ràn'i Jesosy rehefa manatrika an'Andriamanitra. Tahaka ny hoe tsy misy dikany ny fomba fiainan'ilay olona sy ny toetry ny fon'ilay olona (izany hoe na torotoro fo izy na tsia, na manam-pinoana izy na tsia). Ny zavatra mila ataon'ilay olona fotsiny dia ny miangavy ny ràn'i Jesosy tahaka ny hery majika ahazoana fankasitrahana avy amin'Andriamanitra. Lainga izany ary marobe ny olona voafitak'izany.

Tsy ny olona rehetra, na iza na iza izy akory dia afaka mitaky ny ràn'i Jesosy. Ny Soratra Masina dia TSY milaza hoe ny ràn'i Jesosy dia afaka manadio ny olona rehetra na iza na iza amin'ny fahotany. TSIA. Izany dia famadihana an-kolaka ny Soratra Masina. Ny lazain'ny Soratra Masina dia hoe ny ràn'i Jesosy dia manadio ny olona rehetra izay « MANDEHA EO AMIN'NY MAZAVA TAHAKA AN'ANDRIAMANITRA EO AMIN'NY MAZAVA» (1 Jaona 1:7). Raha te handeha eo amin'ny fahazavan'Andriamanitra ny olona anankiray dia tsy maintsy manana fo torotoro sy mangorakoraka tahaka ny an'i Abela izy. Amin'izay ihany vao hankasitrahan'Andriamanitra ny fanatitra ataon'ilay olona.

Raha misy milaza fa matoky ny ràn'i Jesosy izy, kanefa manana fanahy mirehareha sy miavonavona, dia hovalian'Andriamanitra sy hotoherin'Andriamanitra izy (1 Petera 5:6), tahaka an'i Kaina. Ny olona manetry tena irery ihany no homen'Andriamanitra fahasoavana ( Jakoba 4:6).

Ny fanati-piderana, ny fanati-pivavahana ary ny fanati-panompoana ataontsika dia hankasitrahan'Andriamanitra RAHA TOA ka avy amin'ny fo manam-pinoana sy torotoro ary mangorakoraka (manetry tena ka miankin-doha amin'Andriamanitra). Tsy ny fahaizanao mandaha-teny na ny fahombiazan'ny asa fanompoanao no jeren'Andriamanitra fa ny toetry ny fonao. Izany no lesona voalohany azontsika tsoahina avy tamin'io zava-nitranga tao amin'i Genesisy toko faha 4 io.

Hatramin'ny andron'i Kaina sy Abela ka mandrapahatongan'ny farandro, ny fanatitra ho an'Andriamanitra dia ny fanahy torotoro sy mangorakoraka foana. Tsy miova Andriamanitra. Tsy miova ny lalàn'Andriamanitra.

Tsy ho nankasitraka an'i Kaina velively Andriamanitra na dia nitondra zanak'ondry hatao fanatitra alatsa-drà aza izy, satria niavonavona sy nirehareha ny fon'i Kaina.

Ny tsy miavona am-po no dingana voalohany mankany amin'ny famonjena. Amin'izay isika vao afaka miditra ao amin'ny fahazavana sy mangataka ny ràn'i Jesosy hanadio antsika amin'ny fahotantsika rehetra.

Ny olona tsy miavona am-po irery ihany no afaka hiantsoantso ny hiakam-pandresen'i Paoly hoe «Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika ? » ( Romana 8:31). Satria Andriamanitra dia tsy miandany afa-tsy amin'ny olona manetry tena. Tsy afaka miteny an'izany ny mpiavonavona satria toherin'Andriamanitra izy ireny. Na iza na iza mihevitena ho ambony, tahaka an'i Kaina, dia ho tonga tahaka an'i Kaina koa, na dia mitaky tsy mitsahatra ny ràn'i Jesosy aza. « Aza mety hofitahina ianareo ; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjainy » (Gal. 6:7). Ary izany lalàna izany dia mihatra amin'ny olona rehetra tsy misy avakavaka.