written_by :   Zac Poonen categories :   Ny Fiangonana
WFTW Body: 

Ireo mpaminany rehetra dia niresaka momba ireo izay sisa amin'ny
vahoakan'Andriamanitra. Nohazavain'izy ireo fa tamin'ny fotoana
nampihemotra ara-panahy ny vahoakan'Andriamanitra dia nisy ireo vitsivitsy
izay naharitra nifikitra tamin'Andriamanitra.

Ireo zavatra izay voasoratra ao amin'ny Testamenta Taloha dia nosoratana
mba ho fananarana antsika (1 Kor 10 : 11). Amin'izao fotoana izao dia
mikorosy fahana ny kristiana tahaka ny Israely nikorosy fahana taloha.

Ireo firenena roa, Israely sy Joda, dia sarin'ireo antoko roa eo amin'ny
tontolo kristiana. Israely misy foko 10 dia azo oharina amin'ireo
fiangonana zokiny marobe. Ary Joda misy foko 2 dia azo oharina amin'reo
fiangonana kely tsy miankina. Kanefa ireo antoko roa ireo dia samy mikorosy
fahana avokoa amin'izao andro izao. Ao amin'ny Testamenta Taloha dia tsy
nandray anatra avy tamin'ny hadisoana nataon'Israely ny firenen'i Joda. Ary
ireo fiangonana zandriny tsy miankina ankehitriny dia tsy nandray anatra
tamin'ny fahadisoana nataon'ireo fiangonan-dehibe ary dia mamerina nanao ny
fahadisoana nataon'ireo zokiny. Kanefa tamin'ny farany dia nifidy sisa avy
tamin'ireo karazam-piangonana roa Andriamanitra. Ankehitriny dia
mitotongana ny arapanahy na ao amin'ireo antoko mpanaraka fombam-pivavahana
izany na ao amin'ireo antoko tsy miankina. Kanefa ao afovoan'ireo rehetra
ireo dia efa nifidy vitsifitsy Andriamanitra izay miraiki-po aminy. Tsy avy
ao amin'ny fiangonana iray ihany izy ireo fa avy any amin'ny
isam-piangonana rehetra dia ireo lehilahy sy vehivavy izay tia
an'Andriamanitra ary manao izay hankalazana an'Andriamanitra amin'ny
zavatra rehetra. Tena feno ny Fanahy Masina marina izy ireo ary tsy mba
mandany fotoana amin'izay ady hevitra. Tena mitandrina izy amin'ny
fampiasany ny lelany ary mahatoky tanteraka amin'ny ara-bola.
Angonin'Andriamanitra ireny olona ireny amin'izao fotoana izao mba hataony
isan'izay sisa. Ny fotokevitry ny mpaminany dia Famerenana amin'ny laoniny.
Ireo sisa ireo no nanamboatra ny lalan'ny Tompo tamin'ny fahatongavany.
Rehefa teraka ny Tompo dia nisy ireo izay kely sisa dia Simeona sy Ana tao
an-tempoly, Jaona mpanao batisa, ireo mpiandry ondry, ary ireo olon-kendry
vitsy avy any atsinanana. Amin'izao ankehitriny izao dia misy koa ireo izay
sisa ao amin'ny tontolo kristiana izay manamboatra ny lalana hiverenan'ny
Tompo.

Izao no voalazan'i Zefania toko 2 :3 « Mitadiava an'i Jehovah hianareo
mpandefitra rehetra amin'ny tany. Tadiavo ny fandeferana ». Ahoana tsara ?
« Tadiavo ny fandeferana ». Fantatr'i Zefania tsara fa Andriamanitra dia
mitahy izay manetry tena. Etsy andaniny tao ny fiavonavon'i Babylona ary
etsy ankilany ny fandeferan'ireo sisa tao Jerosalema. Hatramin'ny andron'i
Kaina sy Abela no efa nisy firehana anankiroa teo amin'ny tantaran'ny
olombelona dia Babylona sy Jerosalema izany. Babylona dia ilay
fombafombam-pivavahana mamohehatra. Jerosalema dia ilay tena
Fiangonan'Andriamanitra. Ny mampiavaka an'io fiangonana io dia tsy asa
lehibe na fahagagana na famantarana fa amin'ny fanetrentena. Tsy mety
reraka izy mitady fanetrentena hatrany hatrany.

Inona ary izany no mety hiteraka loza ho an'ireo olona anisan'izay sisa ?
Ny fakampanahy amin'ny fampitahana ny tenany amin'ireo fiangonana hafa ka
hihambo ho ambony kokoa. Ary izay mihitsy no tian'ny devoly ho tonga ao
an-tsainao, satria fanatry ny devoly fa amin'ny fotoana hisainanao toy
izany dia ho tonga fahavalon'Andriamanitra ianao, ary amin'izany dia hitovy
tsy hisy valaka amin'ireo olona nambanianao ianao. Hitanao amin'izay ve hoe
nahoana no mety hivadika haingana ho an'i Babylona koa ireo sisa. koa
katsaho foana ny fanetrentena. Atohofy eo amin'ny vovoka mandrakariva ny
vavanao. Aza mba mampitaha ny tenanao amin'ny hafa mihitsy. Ampitahao
amin'i Jesosy irery ihany ny tenanao. Izany no torohevitro ho an'ireo
rehetra anisan'izay sisa amin'ny vahoakan'Andriamanitra ankehitriny.

Naminany Zefania fa hofongorana ireo tanànan'ny Filistina maro ka ho tonga
lao, kanefa hisy izay sisa velona (mbola sisa ihany) izay hokarakaraina
manokana (Zefania 2 : 4,7). Ireo izay sisa dia holatsain'ny olona sy
hataony fihomehezana (Zefania 2 :8). Raha mijoro ho an'ny Tompo ianao,
tahaka an'i Daniela sy ireo namany telo mirahalahy, ary tahaka ireo sisa
izay nambaran'ireo mpaminany, dia azo antoka fa holatsain'ireo Kristiana
manaiky lembenana ianao. Izao no holazainy aminao « Tahaka izay ianao efa
taiza raha tsy nandeha nankany amin'io fiangonana kely feno olona fanatika
io » Kristiana marobe no niteny an'izany tamiko rehefa nafoiko ny asa
fitandremako lehibe ka namorona fivoriana niaraka tamin'ny olona vitsy tao
antokantranoko aho tamin'ny taona1975. Soa ihany aho fa tsy nihaino azy
ireny. Hoy aho tamin'ny Tompo : « Tompo ô, tsy mampaninona ahy na roa sy
telo ihany aza no miaraka amiko. Any amin'izay misy anao no tiako hisy ahy
ary te hanambara ny fahamarinan'ny Teninao rehetra aho. Tsy miraharaha ny
fiheveran'ireo kristiana miverin-dalana sy ny mpitarika azy ireo aho».
Rehefa miziriziry toy izany ianao dia hisy olona maro hanohitra anao.
Kanefa hahavita ny fihazakazahanao amin'ny fifaliana ianao raha maharitra
hatramin'ny farany. Afantohy eo amin'ny Tompo foana ny masonao. Hoy ny
Tompo, « Aza miraharaha ireo mpanaratsy anao. Izaho no hamaly azy ireny
amin'ny fotoanako ». Amin'izao fotoana izao dia efa mangina ireo mpanaratsy
ahy. Gaga izy ireo ny amin'izay ataon'Andriamanitra eo aminay. Fa raha
ohatra kosa ka tsy tantinao ny horabirabiana, dia hitsoaka an-daharana
ianao ka hanamaro isa ireo kristiana miroaroa saina.

Mariho ireto toetra mampiavaka ireo izay sisa ireto.

⦁ Zefania 3 :9 « Fa amin'izany dia hovako ho madio ny molotry ny firenena
». Ny molotr'ireo izay sisa dia hatao madio. Isaiah dia niaiky fa maloto
molotra rehefa nahita ny voninahitr'i Jehovah. Resahiko matetika ny momba
ny molotsika sy ny saintsika manoloana ny vola satria ireo mpaminany dia
niresaka be dia be momba ireo taranja roa ireo. Raha feno fitandremana
isika amin'ny vavantsika sy ny volantsika dia azon'Andriamanitra atao
solombavany.

⦁ Zef 3 :9 « Hiantsoan'izy rehetra ny anaran'i Jehovah, hanompoany Azy
amin'ny firaisan-kina » Ireo izay sisa dia hitambatra ho vatana iray ary
hanompo ny Tompo hitondra ny enta-mavesany amin'ny firaisankina.

⦁ Zef 3 :11-12 « Ka dia hesoriko aminao ireo mibitaka amim-pireharehana,
Ary tsy hiavonavona eo an-tendrombohitro masina intsony ianao. Nefa
hamelako olona ory sy malahelo ihany ao aminao ». Ao amin'ireo izay sisa
tavela dia tsy hisy afa-tsy olona manetry tena satria efa nesorin'ny Tompo
avokoa ny mpirehareha. Inty misy fanontaniana iray apetraky ny olona amiko
« Rahalahy Zaka, nahoana ianao no miresaka betsaka ny momba ny fanetrentena
? » Satria izany no resahin'ny Baiboly hatrami'ny voalohany ka hatramin'ny
farany.

⦁ Zef 3 :12 «Nefa amelako olona ory sy malahelo ihany ao aminao, ary ny
anaran'i Jehovah no hialofany ». Ireo izay sisa dia ho olon'ny finoana.

⦁ Zef 3 :13 « Ny sisa amin'ny Isiraely dia tsy hanao meloka na handainga,
Ary tsy hisy lela mamitaka eo am-bavany; Fa hihinana sy handry izy, ka tsy
hisy hanaitaitra azy » Ireo izay sisa dia ho olona tia fihavanana izay tsy
hilaza lainga na hamitaka na handratra ny hafa na oviana na oviana.

⦁ Zef 3 :14-15 « Mihobia, ry Ziona zanakavavy; Mifalia sy miravoravoa
amin'ny fonao rehetra, Jehovah, Mpanjakan'ny Isiraely, no ao aminao ». Ireo
izay sisa dia ho olona feno fifaliana izay mitoetra am-piadanana eo amin'ny
fitiavan'ny Tompo azy

⦁ Zef 3 :17 « Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy;
Hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy; Hifaly anao amin'ny fihobiana Izy ».
Mifaly amin'ireo sisa navelany Andriamanitra. Tsy mahafaly azy ny olona
miaina ao anaty fahotana. Mety hisy ray ve faly amin'ny zanany voan'ny
homamiadana ve na voan'ny habokana na toberkilaozy . Tsia. Dia torak'izany
koa Andriamanitra tsy faly amin'ny olona miaina ao anaty fahotana ary tsy
manaiky sitranina. Kanefa Andriamanitra dia miravoravo amin'ireo sisa izay
masina. Amin'ny fifaliana lehibe no anaovany hira fihobiana momba azy ireo.
Io no andininy tokana ao amin'ny Soratra Masina izay milaza fa mihira ny
olony Andriamanitra. Misy andininy be dia be izay mamporisika antsika
hihira fiderana ho an'Andriamanitra. Fa eto dia Andriamanitra no isika no
hirainy. Tsy manentana ve izany ho tonga olona ifalian'Andriamanitra.

⦁ Zef 3 :17 dikany arapanahy « Mihevitra ho anao amin'ny fitiavany ao
amin'ny mangingina izy». Manana hevitra iheverany antsika ny Tompo araky ny
fitiavany ary nanomana vaovao tsara marobe ho antsika izy amin'ny andro ho
avy satria izy ilay Raintsika be fitiavana

⦁ Zef 3 :19-20 « Hovonjeko ny mandringa, ary hovoriko ny noroahina, Eny,
hataoko ho fiderana sy ho anarana. Fa hataoko ho anarana sy ho fiderana any
amin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianareo, Raha hampodiko avy amin'ny
fahababoana ianareo, ka ho hitan'ny masonareo izany, hoy Jehovah ». Ireo
sisa dia olona osa tsy mahavita tena. Ny Tompo mihitsy no hiady amin'izay
mety ho fahavalony ary homeny voninahitra sy anarana amin'ny andro farany.