WFTW Body: 

Hahantra foana ny fiainanao raha mahatsapa tena ianao fa tsy mendrika ny ho ankasitrahan'Andriamanitra. Tsy tokony hisentosento toy izany mihitsy ianao na rahoviana na rahoviana. Fa ny tokony ataonao dia ny misaotra an'Andriamanitra satria efa nankasitrahany ianao amin' izao ianao izao, ao amin'i Kristy.

Isaory sy derao ny Tompo isak'izay saininao ireo zavatra rehetra nalefan'Andriamanitra hamakivaky ny fiainanao. Ny eritreritra tia mimonomonona sy mamalivaly rehetra dia mitovy ihany amin'ny eritreritra maloto sy vetaveta ka tokony hofadiana tanteraka mihitsy.

Tsy misy zavatra ety ivelan'ny vatanao afaka handoto anao raha toa ka miasa ara-dalàna ny 'taova fandevonan-kanina' ao anatinao ( Marka 7:18-23). Tsy maintsy ataonao fahazarana ny mody jamba sy mody marenina amin'ireo zavatra maro eny rehetra eny ( Isaia 42:19,20). Ny zavatra rehetra hitan'ny masonao sy ren'ny sofinao dia tsy maintsy sivaninao ao an-tsainao aloha. Maro amin'ireo zavatra ireo no tsy maintsy levonina ao an-tsaina eo no eo ihany, ohatra amin'izany ireo ratsy izay nataon'ny olona taminao, na ireo eritreritra manahy ny ho avy sy ny sisa... Aorian'izay ihany vao hanana fitsaharana inona na inona na inona mitranga, ary afaka hidera ny Tompo.

Efa tonga Jesosy mba hanome antsika ny fanahin'ny fiderana sy ny fifaliana (Isaia 61:1-3). Jesosy mihitsy no nanao hira fiderana talohan'ny nankanesany tany Kalvary (Matio 26:30). Ary ankehitriny dia Izy no mpitarika fiderana ao amin'ny fiangonana (Hebreo 2:12).

Rehefa midera an'Andriamanitra isika dia manamboatra seza fiandrianana ho Azy ao am-pontsika (Salamo 22:3). Ny porofon'ny finoantsika dia ny fanaovantsika hira fiderana ho Azy (Salamo 106:12). Amin'izany no anaporofoanao fa mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'izao tontolo rehetra izao Andriamanitra, ary koa ny zavatra rehetra tonga eo amin'ny fiainanao dia tsy maintsy efa nahazo alalana avy Aminy (« Mahalala ny antsipirian'ny zavatra rehetra mitranga eo amin'ny fiainako Izy » - Joba 23:10 Baiboly Living).

Ny fanambarana faran'izay marina indrindra momba ny maha tsy refesimandidy an'Andriamanitra ao amin'ny Baiboly dia ilay fanambarana nataon'i Nebokadnezara rehefa avy nosazian'Andriamanitra izy manao hoe « Tahaka ny tsinontsinona no fijerin'Andriamanitra ny mponina rehetra ety an-tany. Eo ambany fifehezany avokoa na ireo anjely marobe any an-danitra na ny mponina ety an-tany, ary tsy misy mahasakana Azy, na manao aminy hoe : Inona no ataonao ? » (Daniela 4:32 Baiboly Good News). Tamin'izay dia efanody ny sain'i Nebokadnezara ( Daniela 4:33). Ary izany koa no hinoan'ny mpino rehetra izay efa nody saina. Izany no finoana tian'Andriamanitra hananantsika. Izay olona mino an'izany dia hidera an'Andriamanitra lalandava na inona na inona fisehoan-javatra.

Rehefa nimonomonona ny mpanora-dalàna sy ny lohan'ny mpisorona fa nitabataba be ireo ankizy sady niantsoantso fiderana teo an-kianjan'ny tempoly dia nilaza Jesosy fa ny zaza no tena mahay manolotra ny fiderana kanto indrindra (Matio 21:16, mitatitra ny Salamo 8:2 « Ianao no efa nampianatra ny ankizy madinika hidera Anao amin'ny fiderana kanto indrindra » - Baiboly Living). Izany dia mampianatra antsika fa tsy ny tononkira hiraintsika no mahatonga ny fiderana ataontsika mba ho ankasitrahan'Andriamanitra, fa ny fanetrentenantsika sy ny fahadiovampontsika (satria ireo zavatra ireo no ananan'ny zazakely).

Ny zazakely koa dia tsy mba mimonomonona na mitaraina, ary zavatra anankiray hankasitrahan'Andriamanitra ny fiderana ataontsika koa izany. Rehefa tsy misy na dia fofompofona fimonomononana sy fitarainana kely akory aza eo amin'ny fiainantsika, amin'ny maraina, amin'ny antoandro, amin'ny alina, mandritra ny herinandro, mandritra ny taona, dia tsy ho fomba fanao isak'alahady fotsiny ny fiderana atolotsika fa ho lasa fiainantsika isan'andro mihitsy. Koa dia hiravoravo amin'izany fiderana izany Andriamanitra, na dia mamalan-kira aza isika !!!