WFTW Body: 

Ianarantsika ao amin'ny Mpanjaka faharoa 2:20 fa Andriamanitra dia mitady lovia vaovao.

Tsy mitady fomba vaovao na fikambanana vaovao Andriamanitra eto amin'izao tontolo izao mba hampielezana ny filazantsara. Ny Tompo dia mitady lovia vaovao fenoina sira mba hanatanterahany ny tanjony. Tsy Andriamanitra mihitsy akory no hitory ny filazantsara eto amin'ity izao tontolo izao ity. Raha tian'Andriamanitra dia azony natao ny nanakotroka ny feony avy tany an-danitra hitoriany filazantsara amin'izao tontolo izao. Kanefa tsy izany no fomba fanaony. Ao anatin'ny lovia olombelona no tiany asiana sira izay haidina hiraraka amin'ny tany avy eo.

Azon'i Elisa natao ny naka ny sira teny an-tanany ary nandraraka izany. Kanefa tsy izany no nataony. Naka lovia vaovao izy, nofenoiny sira iny ary avy eo dia nararany tao anaty rano ny sira. Dia sitrana niaraka tamin'izay ny tany sy ny rano. Enga anie isika mba ho vonona ho tonga lovia araka izay itiavan'ny Tompo antsika, lovia efa afaka tamin'ny zavatr'izao tontolo izao sy feno an'i Kristy.

Zavatra anankiray no tiako homarihinareo : Rehefa avy nameno sira ny lovia i Elisa dia tsy navelany tao anaty lovia ny sira, fa nararany.

Fenoin'Andriamanitra ny fiainanao sy ny fiainako mba handrarahany antsika ao amin'ny fanompoana ny hafa. Mety efa ela isika no nangataka tamin'Andriamanitra mba hameno antsika amin'ny Fanahy Masina, sy mba hanome antsika fitahiana ara-panahy anankiray na anankiray hafa. Kanefa mety fitiavan-tena no nanosika antsika hangataka an'ireny. Tsy hameno antsika amin'ny sirany avy any an-danitra Andriamanitra mba hisehosehoantsika ho tena ara-panahy etsy sy eroa.

Vakiantsika ny momba an'i Jesosy Tompo ao amin'ny Isaia 53:12 fa naidiny ho amin'ny fahafatesana ny ainy. Izany no mahatonga ny fahotanao sy ny fahotako azo avela androany. Tokony ho vonona izany isika mba ho fanatitra aidina ao amin'ny fanompoana ny hafa. Raha tsy izany dia tsy ho sitrana mihitsy ny tany. Tsy tian'Andriamanitra ho tonga sinibe fenoina rano isika. Tiany isika mba ho lakan-drano hahafahan'ny onin'ny rano velona mikoriana mankany amin'ny hafa. Andriamanitra dia mitady lovia tahaka izany, dia olona izay vonona ny haidina tahaka ny fanatitra aidina.

Ny mason'ny Tompo dia mijery eny tontolo eny, manerana ny tany rehetra, mitady lovia tahaka izany. Tsy maninona na tsy nahita fianarana aza ianao. Tsy misy zavatra vakiantsika mikasika ny fampianarana ao amin'ny Tantara faharoa 7:14. Tsy maninona na dia tsy nanitsaka ny tokonam-baravaran'ny sekoly hatrizay niainanao aza ianao. Tsy maninona na ianao aza no olona mahantra indrindra eto amin'izao tontolo izao, na adala indrindra. Tsy zavatra toy izany mihitsy no tadiavin'Andriamanitra. Tsy mitady fahaizana Baiboly Andriamanitra na mitady mari-pahaizana avy any amin'ny sekoly biblika. Zavatra hafa no tadiavin'Andriamanitra.

Izao no lazainy ' raha ny oloko izay nantsoina amin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny '.

Tsy ny maha-izy anao no zava-dehibe. Tsy misy fizahana tavan'olona amin'Andriamanitra. Raha vonona ny hanatanteraka ireo fepetra ireo ianao ary vonona ny hatao fanatitra aidina ho an'ny hafa, dia hampiasa anao Andriamanitra na iza ianao na iza.