WFTW Body: 

"Sambatra ny mpampihavana, fa izy no hatao hoe zanak'Andriamanitra (na zanakalahin'Andriamanitra)" (Matio 5:9). Moa manana zo hiantso ny tenantsika hoe zanak'Andriamanitra ve isika ? Voalaza eto fa tsy isika no manao ny tenantsika hoe zanak'Andriamanitra. Ny voalaza dia hoe izy no hatao hoe zanak'Andriamanitra. Ny dikan'izany dia Andriamanitra no hiantso antsika hoe zanany rehefa tonga olona mpampihavana isika. Tsy maintsy malaza ho olona mpampihavana isika. Ny mifanohitra amin'ny mpampihavana dia mpanakorontana. Inona ny lazanao ao am-piangonana ao ? Mety hiteny ianao hoe "Sady tsy mpanakorontana aho no tsy mpampihavana, fa mipetraka amin'izao fotsiny". Hay, raha izany dia tsy azo atao hoe zanak'Andriamanitra ianao ! Izao no voalaza eto "Sambatra ny mpampihavana, fa izy no hatao hoe zanak'Andriamanitra". Ny mpampihavana dia tsy mitsahatra mitady fampihavanana.

Tamin'ny nahaterahan'i Jesosy dia tonga ny anjely avy tany an-danitra nanao hoe " Voninahitra any amin'ny avo indrindra ho an'Andriamanitra ! Ary fiadanana ho ety ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitrahany" (Lioka 2:14). Ankasitrahan'Andriamanitra ny olona mikatsaka fiadanana. Izao tontolo izao dia feno fifandirana, ady, fimonomononana, takoritsika, fitarainana. Raha jerentsika avy any an-danitra ny tany ety ambany ety dia ho hitantsika fa rakotry ny aizina ny tany noho ireny zavatra rehetra ireny. Kanefa eo anivon'izany aizim-pito izany dia misy tara-pahazavana vitsivitsy, ireo no zanak'Andriamanitra, zanakalahin'Andriamanitra. Ary ny marika amantarana ireo zanakalahin'Andriamanitra ireo dia mpampihavana izy.

Mbola hitantsika izany ao amin'ny Filipiana toko faha-2. Nahoana moa no ambara ao fa isika dia tsy maintsy manao ny zavatra rehetra amin'ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana ? (Filipiana 2:14). Ny zavatra rehetra eo amin'ny fiainantsika dia tsy maintsy ataontsika tsy misy fimonomononana, tsy misy fitarainana ary tsy misy fifandirana, avo lenta be izany. Kanefa voalaza ao amin'ny andininy faha-15 fa izany ihany no ahafahantsika manaporofo fa tsy manan-tsiny isika, "zanak'Andriamanitra tsy manan-tsiny eo amin'ny firenena meloka sy maditra". Izany ihany no ahafahantsika miseho ho fanazavana eto amin'ity tontolo ao anatin'ny aizina ity. Amin'ny fomba ahoana moa ? Inona moa ny aizina ? Ny fimonomononana, ny takoritsika ary ny fitarainana. Inona moa ny fanazavana ? Ny olona mpampihavana tsy mimonomonona ary tsy mitaraina.

Rehefa naniraka ny mpianany i Jesosy ho any amin'ny vahoakan'Isiraely dia nanendry fitopolo lahy Izy handeha tsiroaroa hialoha Azy tany amin'izay toerana efa halehany (Lioka 10:1). Nasainy nitady olona tia fiadanana izy ireo hivahiniany isaky ny miditra tanàna anankiray. Hoy Izy "Ary izay trano idiranareo, dia lazao aloha hoe : Fiadanana ho amin'ity trano ity. Ary raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia hitoetra ao aminy ny fiadanana tononinareo, fa raha tsy izany, dia hiverina ho aminareo ihany izany" (Lioka 10:5-6).

Raha lazaina tsotra dia izao no tiany nolazaina : "Azo antoka fa trano anankiray ihany no ho hitanareo ao an-tanàna misy olon'ny fiadanana". Raha tsy izany nahoana moa Izy no niteny tamin'izy ireo hoe aza mifindrafindra trano ? Ahoana raha nisy trano folo na roapolo na telopolo na zato nisy zanaky ny fiadanana ? Fantatr'i Jesosy fa sarotra be ny hisian'izany. Kanefa ny trano tahaka izany no fonenan'Andriamanitra.

Moa ve ny tranonao tranon'ny fiadanana ? Moa ve ianao ralehilahy na ravehivavy azo lazaina hoe lehilahy na vehivavy zanaky ny fiadanana ? Mila olona anankiroa foana vao misy ny fifandirana? tsy afaka miady ianao raha mandà tsy mety miady ilay anankiray. Tahaka ny tananao anankiroa izay tsy maintsy mifampitehaka vao mamoaka feo. Tsy misy feo mivoaka raha tanana iray ihany no mitehaka. Raha tsy mety mifandona hitehaka ny tananao iray, dia tsy afaka mamoaka feo ny ilany. Dia tahaka izany ny fifandirana. Raha misy olona anankiray (ohatra hoe ralehilahy na ravehivavy) mandà tsy mety miady ka manaiky maty ho an'ny tenany dia tsy hisy ady. Fa fiadanana no hanjaka. Noho izany dia tsy azoko atao ny manome tsiny hoe ilay olona anankiray no tsy tia fihavanana, na ao am-piangonana izany na ao an-tokantrano na aiza na aiza.

Tsy afaka milaza ianao hoe "Ny vadiko no manakorontana na manimba ny fiadanana". Satria miara-miasa ianareo ao anatin'izany fifandirana izany ary samy miezaka tsy hisian'ny fihavanana. Tsy misy feo afaka mivoaka raha mandà tsy mety manatona ny tanana ankavia ny tanana ankavanana. Koa ao anatin'ny toe-javatra mampifanditra, raha te hahita fiadanana ianao dia matesa ho an'ny tenanao ary avelao hisamboaravoara hanao izay tiany eo ilay olona anankiray. Dia hisy fiadanana.

Raha inoako fa masimandidy Andriamanitra ka tsy hamela ahy halaim-panahy mihoatra noho izay zakako dia vonona ny ho faty ho an'ny tenako aho. Hilaza ny olona maro fa raha manao an'izany ianao dia hararaotin'ny hafa, hataon'ny hafa tahaka ny famafan-tongotra ka hohitsahiny. Tsia tsy izany. Raha inoanao izay voalazan'ny Korintiana voalohany 10:13 hoe "Andriamanitra tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo" dia ho fantatrao fa tsy avelan'Andriamanitra hisy olona afaka hanararaotra anao, ary hizotra soa aman-tsara amin'ny lalan'ny fiadanana ianao. Ho hitanao izay voalaza ao amin'ny bokin'ny Ohabolana hoe "Ny anaran'i Jehovah dia tilikambo mafy, ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy" (Ohabolana 18:10). Rehefa tojo fifanoherana ianao dia mialofa ao ambanin'ny anaran'i Jesosy ary ho tanteraka aminao ny Ohabolana 16:7 hoe "Raha sitrak'i Jehovah ny alehan'ny olona, na dia ny fahavalony aza dia hampihavaniny aminy". Mahagaga ny zavatra hain'Andriamanitra atao. Efa niainako izany. Raha tena miezaka ianao mba hankasitrahan'ny Tompo dia ho hitanao fa hanaiky anao na dia ny fahavalonao aza.

"Sambatra ny mpampihavana fa izy no hatao hoe zanak'Andriamanitra (na zanakalahin'Andriamanitra)". Ny hoe "zanak'Andriamanitra" dia tsy mitovy amin'ny hoe "zanakalahin'Andriamanitra". Ny zanak'Andriamanitra dia zazakely, ny zanakalahy dia olona efa matotra mahay maty ho an'ny tenany ka manaraka ny dian-tongotr'i Jesosy.