Ny toetra ratsy voalohany noresahin'i Jesosy dia ny fahatezerana. Tsy maintsy esorintsika amin'ny fiainantsika ny fahatezerana. Ny faharoa, izay olana lehibe ho an'ny kristiana rehetra (ho an'ny olombelona rehetra mihitsy) dia ny eritreritra vetaveta, toy ny lehilahy anankiray mijery vehivavy hila azy. Lazain'ny Matio 5:27-28 fa ny didin'ny Testamenta Taloha dia hoe "Aza mijangajanga". Raha mbola tsy nikasika ilay vehivavy tsy vadinao ianao ary tsy mbola nanao fijangajanga taminy dia tsy nanao na inona na inona ianao. Izany no fenitry ny Testamenta taloha.
Fa efa nampiakarin'i Jesosy io fenitra io. Tahaka ny niakaran'i Mosesy tany an-tendrombohitra sy nidinany avy any niaraka tamin'ny Didy folo dia niakatra teo an-tendrombohitra Jesosy nitory teny. Ny Didy folo dia efa nampakariny ho tonga hoe ny fanahin'ny Didy folo. Nasehon'i Jesosy fa ny vonoan'olona dia mitovy ihany amin'ny fahatezerana ary ny fijangajangana dia mitovy ihany amin'ny filàn'ny maso, izany hoe fijangajangana amin'ilay vehivavy ao an'eritreritra. Nolazain'i Jesosy fa eo imason'Andriamanitra dia fijangajangana satria tsy nadio ny fiainanao anaty.
Ny marika nahafantarana ny Fariseo dia ny fitandremany ho madio ny fiainany ivelany, izany hoe ny vohon'ny kapoaka. Ny kristiana mitandrina ny fiainany ivelany ho madio kanefa ny eritreritra ao anatiny tsy madio dia fariseo ary efa mizotra mankany amin'ny helo izy, na fantany izany na tsy fantany. Maro amintsika no tsy mahatakatra ny maha-zavadehibe an'izany.
Nandritra ny 35 taona lasa dia fahotana vitsivitsy no tena notoriako sy notoheriko, indrindra indrindra ireo fahotana anankiroa dia ny fahatezerana sy ny eritreritra maloto vetaveta. Nanontanian'ny olona ahy ny antony anoherako mafy an'ireo fahotana ireo ao amin'ny toriteniko. Navaliako hoe satria ireo fahotana anankiroa ireo no tian'i Jesosy nambara fony Izy nilaza voalohany hoe tsy maintsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo (olona tena mpivavaka) ny fahamarinanareo. Vao vitan'i Jesosy izany fanambarana izany dia ny fahatezerana sy ny eritreritra mamoafady no fahotana roa voalohany noresahiny. Izany no antony voalohany itoriako sy anoherako mafy ireo fahotana ireo.
Ny antony faharoa dia satria ireo fahotana anankiroa ireo ihany no nolazain'i Jesosy tao amin'ny Toriteniny tao an-tendrombohitra hoe raha mbola tohizan'ny olona izany dia hitondra azy any amin'ny helo. Tsy mino an'izany ny ankamaroan'ny olona. Indroa ihany no niresaka momba ny helo Jesosy ao amin'ny toriteny teo an-tendrombohitra ary nisy nifandraisany tamin'ireo fahotana anankiroa ireo izany (Matio 5:22b,29-30). Milaza izany fa tena mampididoza ireo fahotana anankiroa ireo.
Misy dikany matoa ny resak'i Jesosy momba ny helo tao amin'ny Toriteny teo an-tendrombohitra dia nifandray tamin'ny fahatezerana sy ny eritreritra vetaveta. Koa tsy maintsy fahotana lehibe tokoa eo imason'Andriamanitra ireo ary tsy ampy ny fitoriana sy fanoherana azy ireny ankehitriny. Tadidinao ve oviana no nandrenesanao farany toriteny mikasika ny fandresena ny fahatezerana ? Heveriko fa mbola tsy nandre aho na indray mandeha aza tao anatin'ny fiainako. Tao anatin'ireo 50 taona mahery nivezivezeko tao amin'ny tontolo kristiana dia efa nandre mpitory maro aho tamin'ny televiziona, tamin'ny kasety, CD ary tany amin'ny fiangonana maro. Kanefa zara aho raha nandre toriteny mikasika ny fandresena ny eritreritra vetaveta. Nahoana moa no tsy avelan'ny devoly mitory an'izany ireo mpitory ?
Ny antony voalohany dia satria ireo mpitory mihitsy no mbola tsy naharesy. Ahoana moa no ahafahany miresaka an'izany raha izy aza mbola andevon'izany ? Faharoa, ny mahaliana ny mpitory dia ny fanatsarana ny fiainan'ny mpiangona ety ivelany sy ny fanangonana ny vola. Koa tena ilaina mihitsy ny fanantitranterana an'ireo zavatra anankiroa izay noresahin'i Jesosy fatratra ireo. Ireo no fahotana anankiroa izay nolazain'i Jesosy fa hitondra ny olona any amin'ny helo amin'ny farany ary zavadoza izany. Noraisin'i Jesosy ny Didy folo ary nohazavainy tamin'ny olona izay tao ambadiky ny didy.
Tsy voatery mamaky ny Matio toko faha-5 akory isika vao hahafantatra fa fahotana ny fitsiriritana vehivavy tsy vadin'ny tena. Lazain'i Jesosy fa na iza na iza (na mpino ilay olona na tsy mpino) mijery vehivavy anankiray hila azy dia efa mijangajanga ao am-pony sahady. Ny filàna dia fitsiriritana mafy. Nolazain'i Jesosy fa zava-doza loatra izany koa raha ny masonao no mampanota anao amin'io lafiny io dia tsy maintsy ongotanao ny masonao ! Ny fakany mihitsy no fongorina rehefa alaim-panahy amin'ny filàna ny masonao. Tsy maintsy ataonao tahaka ny hoe jamba mihitsy ianao. Izay ihany no fomba tokana handresenao io fakam-panahy anankiray io. Tsy tokony hamaivaninao izany hoe "Eny e, mba mijery ny hakanton'ny voarin'Andriamanitra fotsiny aho". Betsaka ny fomba ahafahantsika manamarin-tena amin'io fahotana io ary izany no ataon'ny ankamaroan'ny olona. Rehefa atan'ny olona tsirambina mandritra ny fotoana maharitraritra io fahotana io dia tafalatsaka ao anatin'ny fijangajangana ara-nofo izy, toy ny manjo ireo pastera maro eran-tany.
Ny zavatra nampianarin'i Jesosy ao amin'ny Matio toko faha-5 dia tsy zava-baovao mbola tsy fantatry ny olona matahotra an'Andriamanitra. Azoko antoka fa efa fantatr'i Jaona Mpanao batisa izany talohan'ny niresahan'i Jesosy azy. Nahafantatra an'izany koa i Joba (Joba 31:1,4,11). Ny olona rehetra matahotra an'Andriamanitra, na ireo tsy manana Baiboly tahaka an'i Joba aza dia mahafantatra fa raha mijery sy mitsiriritra vehivavy anankiray tsy vadiny ny olona dia fahotana eo anatrehan'Andriamanitra izany. Misy feo ao anatintsika ao milaza hoe tsy mety izany. Tahaka ny mangalatra zavatra tsy nomen'Andriamanitra anao. Na tsy manana Baiboly aza ianao dia manenjika anao ny feon'ny fieritreretanao hoe fahotana ny mangalatra zavatr'olona. Tsy mila didy ianao mampahafantatra anao an'izany. Ny fahatahorana an'Andriamanitra fotsiny dia ampy. Tena tsara hotadidiana izany rehefa mandinika ny zavatra nampianarin'i Jesosy isika.
Nahoana moa ny mpino marobe ankehitriny no manamaivana ity resaka filàna vetaveta amin'ny maso ity ? Satria tsy ao amin'izy ireo ny fahatahorana an'Andriamanitra izay tao amin'i Joba. Mahay Baiboly ny kristiana ankehitriny fa tsy manana fahatahorana an'Andriamanitra. Misy olona sasany mandeha mianatra Baiboly any amin'ny sekoly biblika dia mahazo ny mari-pahaizana doktorà amin'ny teolojia kanefa mbola mitsiriritra vehivavy ihany. Inona no ampianarin'izany antsika ? Mampianatra antsika izany fa ny fahaizana amam-pahalalana ny Soratra Masina sy ny "diploma" avy amin'ny sekoly biblika dia tsy manao ny olona ho masina. Amin'izao andro izao dia hita hatraiza hatraiza ny Baiboly miaraka amin'ireo dikanteny sy konkordansy marobe. Ao anatin'ny finday aza dia azo asiana Baiboly, ao anatin'ny CD, izay azon'ny olona henoina eny am-pitondrana fiara sy ny sisa. Kanefa na ao aza izany fitobaky ny fahalalana izany dia zara raha misy ny fahatahorana an'Andriamanitra.
Na tsy mamaky ny toriteny teo an-tendrombohitra aza isika dia misy fahamarinana marobe ampianarin'i Jesosy ao izay efa fantatsika raha manana fahatahorana an'Andriamanitra isika. Ny sasany amin'ireny dia tena mazava be amintsika : fahotana ny fahatezerana, fahotana ny filàna vehivavy sy ny zavatra maro voasoratra ao. Noho izany dia tsy ny tsi-fahampian'ny fahalalana akory no mahatonga ny olona manota tsy ankijanona fa ny tsi-fisian'ny fahatahorana an'Andriamanitra. Ny fahatahorana an'Andriamanitra no fiandohan'ny fahendrena. Ny fahatahorana an'Andriamanitra no "abidy" n'ny fiainana kristiana. Raha tsy manana izany isika dia tsy hisy fianarana Baiboly na fihainoana toriteny afaka hanao antsika ho masina.