WFTW Body: 

Ny ady lehibe indrindra izay nitranga teto ambonin'ity tany ity dia tsy mba voasoratra ao anatin'ny bokin-tantaran'izao tontolo izao. Izany ady izany dia nitranga tao Kalvary, rehefa noresen'i Jesosy tamin'ny alalan'ny fahafatesany i Satana, ilay andrianan'izao tontolo izao.

Ny andinin-tSoratra Masina anankiray izay tsy tokony hadinoinao mandritra ny androm-piainanao manontolo dia ny Hebreo 2:14,15. Azoko antoka fa tsy tian'i Satana ho fantatrao akory izany andininy izany. Tsy misy te-handre ny momba ny fahareseny na ny tsi-fahombiazany na iza na iza, ao anatin'izany i Satana. Inty àry ilay andininy : " Koa satria manana nofo aman-drà ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy (Jesosy), mba handringanany amin'ny fahafatesana (ny fahafatesan'i Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana tao Kalvary), ilay manana ny herin'ny fahafatesana, dia ny devoly, ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin'ny fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana ". Rehefa maty Jesosy dia nofoanany ny herin'ny devoly. Inona no antony nanaovany izany ? Mba ho afaka amin'i Satana mandrakizay isika, sy mba ho afaka amin'ny fanandevozan'ny tahotra izay napetrany tao anatintsika nandritra ny androm-piainantsika. Misy karazany maro ny tahotra mianjady amin'ny olona eto amin'izao tontolo izao, ao ny tahotra ny aretina, ny tahotra ny fahantrana, ny tahotra ny tsi-fahombiazana, ny tahotra ny olona, ny tahotra ny ho avy, sy ny sisa. Kanefa amin'ny tahotra rehetra dia ny tahotra ny fahafatesana no lehibe indrindra. Ny tahotra hafa rehetra dia mbola ambanin'ny tahotra ny fahafatesana. Ny tahotra ny zavatra hitranga aorian'ny fahafatesana no mahatonga ny tahotra ny fahafatesana. Ny Baiboly dia mampianatra mazava tsara fa ireo olona izay mivelona ao anaty fahotana dia hiafara any amin'ny helo, ilay toerana izay natokan'Andriamanitra ho an'ireo izay tsy mibebaka. Ny devoly koa dia handany ny mandrakizainy any amin'ny farihy mirehitra afo, miaraka amin'ireo olona izay nofitahiny sy notaominy hanota tety an-tany. Tonga tety an-tany i Jesosy mba hamonjy antsika amin'ny helo mandrakizay, tamin'ny nanesorany ny valin'ny helotsika. Efa nofongoran'i Jesosy koa ny herin'i Satana teo amintsika mba tsy hahafahan'i Satana mampijaly antsika intsony.

Tiako raha mba hotsarovanao mandritra ny androm-piainanao rehetra ity fahamarinana anankiray ity : ANDRIAMANITRA DIA HIANDANY AMINAO FOANA AMIN'NY ADINAO AMIN'I SATANA. Tsara loatra izany fahamarinana izany, nitondra fampaherezana sy famporisihana ary fandresena lehibe ho ahy teo amin'ny fiainako izany, ka mba satriko ny handeha hatraiza hatraiza hanambara izany amin'ny mpino rehetra eran'izao tontolo izao. Izao no lazain'ny Baiboly " Maneke an'Andriamanitra ianareo, ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy " (Jak. 4:7). Ny anaran'i Jesosy no anarana mampandositra foana an'i Satana. Ny sary tsy afaka an-tsain'ny ankamaroan'ny kristiana dia sarin'i Satana mifofofofo manenjika azy sy sarin'ny mpino manavotra aina mandositra an'i Satana. Kanefa dia mifanohitra tanteraka amin'izay ampianarin'ny Baiboly izany. Ahoana ny hevitrao ? Natahotra an'i Jesosy ve i Satana sa tsia ? Isika rehetra dia mahalala fa nihorohoro i Satana teo anatrehan'ny Mpamonjintsika. Jesosy no Fahazavan'izao tontolo izao, ary ny andrianan'ny maizina dia tsy maintsy manjavona eo anatrehany.

Te hiteny aminareo tanora aho hoe na rahoviana na rahoviana eo amin'ny fiainanareo no mandalo zava-tsarotra ianareo, na miatrika olana saro-bahana, na tojo zavatra izay toa tsy hahitan'olombelona vahaolana, antsoy ny anaran'i Jesosy Tompo. Lazao Aminy hoe "Jesosy Tompo ô, miandany amiko ianao rehefa miady amin'i Satana aho. Ampio aho ankehitriny". Ary avy eo dia mitodiha any amin'i Satana ka lazao aminy hoe "Amin'ny Anaran'i Jesosy, toheriko ianao ry Satana". Tiako ny milaza aminao fa handositra hiala lavitra aminao eo no hoe eo ihany i Satana, satria i Jesosy dia efa naharesy azy teo amin'ny hazo fijaliana. Tsy manan-kery hamelezana anao Satana, rehefa mandeha eo amin'ny fahazavan'Andriamanitra ianao sy manohitra azy amin'ny anaran'i Jesosy.

Mazava ho azy fa tsy tian'i Satana ho fantatrao akory ny momba ny fahareseny, koa izany no antony tsy namelany anao handre momba izany nandritra ny fotoana elabe. Izany koa no antony nanakanany ny mpitory maro tsy hitory momba ny fahareseny.

Tiako ho fantatrareo rehetra mazava tsara fa Satana dia efa resin'i Jesosy indray mandeha ary resy tanteraka teo amin'ny hazo fijaliana. Tsy misy tokony atahoranareo an'i Satana intsony. Tsy afaka manabataba anareo izy. Tsy afaka mampijaly anareo izy. Mety haka fanahy anareo izy. Mety hanafika anareo izy. Kanefa ny fahasoavan'Andriamanitra ao amin'i Kristy dia hampandresy anareo foana handresenareo azy raha manetry tena sy manaiky an'Andriamanitra ianareo ary raha mandeha eo amin'ny fahazavan'Andriamanitra amin'ny fotoana rehetra. Misy hery lehibe dia lehibe indrindra ao amin'ny fahazavana. Satana, ilay mpanjakan'ny fahamaizinana dia tsy afaka hiditra na oviana na oviana ao amin'ny tontolon'ny fahazavana. Matoa manan-kery eo amin'ireo mpino marobe i Satana dia satria mandeha ao amin'ny maizina izy ireo, mbola misy fahotana miafina eo amin'ny fiainany, tsy mety mamela heloka ny hafa, na mbola be fialonana, na mety be fitetika sy tia tena sy ny sisa. Manan-kery amin'izy ireny Satana. Raha tsy izany tsy ho afaka nikasika azy ireny akory i Satana.

Ambara amintsika ao amin'ny bokin'ny Apokalipsy fa indray andro any dia hiverina Jesosy ary hamatotra an'i Satana ao anaty lavaka tsy hita noanoa, ary Jesosy no hanjaka eto ambonin'ity tany ity mandritra ny arivo taona. Aorian'izany fe-potoana izany dia ho vahana mandritra ny fotoana fohy i Satana, mba hanehoana amin'ny olona rehetra fa tsy niova i Satana na dia efa nogadraina nandritra ny fotoana ela dia ela aza. Ary dia hivoaka avy ao anaty lavaka izy hamitaka ny olona, ka izay no fotoana farany hamitahany ny olombelona eto an-tany. Ary dia ho hita fa ny taranak'i Adama koa dia tsy niova, na dia efa niaina tao anatin'ny arivo taona feno fiadanana teo ambany fahefan'i Jesosy Tompo aza. Aorian'izany dia hidina Andriamanitra hitsara an'i Satana ary hanipy azy handany ny mandrakizainy ao amin'ny farihy mirehitra afo. Ary ireo olona rehetra nivelona tao anaty fahotana, izay nandohalika teo anatrehan'i Satana sy nankato azy fa tsy nankato ny Tenin'Andriamanitra dia alefa hitambatra amin'i Satana ao amin'ny farihy mirehitra afo koa.

Izany no antony itoriantsika ity filazantsaran'ny faharesen'i Satana ity. Ity angamba no fahamarinana lehibe indrindra mila henoin'ny mpino amin'izao fotoana izao. Kanefa tadidio, fa tsy hanan-kery handresena an'i Satana ianao raha tsy mandeha amin'ny fahadiovam-po.