written_by :   Zac Poonen categories :   Mpianatra
WFTW Body: 

Izao no iraka lehibe izay nampanaovin'ny Tompo antsika : « mitoria ny filazantsara » (Marka 16:15) ary koa « ataovy mpianatra ny firenena rehetra, sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo » (Matio 28:19-20). Andeha isika hampiasa fanoharana anankiray. Raha mahita olona 100 izao ianao izay milanja vatankazo anankiray lehibe. Ny 99 amin'izy ireo dia mihazona ilay vatankazo ery amin'ny tendrony aloha, fa olona iray monja no eo amin'ny tendrony aoriana. Ka tendrony aiza no andehananao raha te hanampy azy ireo ianao ?

Amin'izao fotoana izao, any amin'ny firenena maro samy hafa, dia 99 isan-jaton'ny mpanompon'Andriamanitra, no manao asa fitoriana na asan'ny evanjelistra, fa 1 isan-jato kosa no manao izay hahatonga ny mpiangona ho mpianatra sy manangana azy ireny ho tonga fiangonana. Izany no antony nandraisako fanapahan-kevitra hanampy ireo mpilanja 1 isan-jato eo amin'ny tendrony aoriana. Tsy manohitra ireo izay eny amin'ny tendrony aloha aho tsy akory. Tena ilaina koa izy ireo. Kanefa efa betsaka dia betsaka ny olona ao.

Paoly sy Apolosy dia niaraka niasa, ary ny mpino voataonan'izy mirahalahy dia ho an'ny Tompo, ireo fiangonana izay naoriny koa dia ho an'ny Tompo. Paoly no namboly ary Apolosy no nandena, fa Andriamanitra no nampitombo. Noho izany ny voninahitra rehetra dia mendrika ho an'Andriamanitra. Izao no lazain'i Paoly momba ny tenany sy momba an'i Apolosy « tsinontsinona izay mamboly na izay mandena » ( 1 Kor. 3:7). Izany no antony nampirindra tanteraka ny fiaraha-miasan'izy mirahalahy. Satria raha misy olona anankiroa samy tsinontsinona dia ho mora foana ny fiarahany miasa. Fa raha mihevi-tena ho zavatra kosa ny anankiray dia eo no manomboka ny olana.

Efa mba nanandrana nanorina fiangonana ve ianao ? Mamelà ahy hanoro hevitra anao araka ny efa nahitako ny nanorenan'ny Tompo fiangonana maro taty Inde sy tany ivelany, tato anatin'ny 40 taona. Voalohany aloha dia ataovy izay hahatonga anao ho 'tsinontsinona' ary rehefa avy eo dia ataovy izay hahatonga ny mpiangona rehetra ho 'tsinontsinona' . Raha izany dia hahatsangana fiangonana mahagaga ianao, ka firaisankina no hanjaka ao fa tsy fifampiandaniana. Raha toa ka ny olona rehetra ao amin'ny fiangonana, manomboka any amin'ny mpitarika ka hatrany amin'ny zaza ara-panahy no tonga « aotra » dia izany no ho fiangonana mendrika indrindra eto amin'izao tontolo izao. Mety ho « 0 » avokoa ny olona rehetra ao, kanefa rehefa apetraka eo anoloan'izy rehetra Jesosy, izay mitondra ny tarehimarika « 1 », na dia mpiangona 9 monja aza dia hanana lanjam-bidy « 1.000.000.000 » !!! Koa manàna finiavana ary aza mba mihevi-tena ho zavatra fa aleo foana mifidy ny ho tsinontsinona, tahaka an'i Paoly sy Apolosy.

Dia tohizan'i Paoly ihany ny teniny momba ny fametrahana ny fanorenana sy ny rafitra atao eo amboniny. Na ny fanorenana na ny rafitra eo amboniny dia samy zava-dehibe. Voalohany dia nampiasa fanoharana momba ny fikolokoloana zavamaniry i Paoly, ny amin'ny fambolena sy ny fandemana azy. Eto indray dia fahehoana an-tsary ny taotrano anankiray no ampiasainy, momba ny fanorenana sy ny rafitra atao eo amboniny (1 Kor. 3 : 10-11). Ny fanorenana ny fiangonana dia Kristy irery ihany, izany hoe ilay asa fanavotana lavorary nataony teo amin'ny hazo fijaliana, izay tsy azo ampiana asa hafa na inona na inona izany. Eo ambonin'io fanorenana io anefa dia tsy maintsy mandrafitra zavatra haharitra mandrakizay isika. Koa fiangonana manao ahoana moa no tianao arafitra eo ambonin'ny fanorenana ? Fiangonana mampihaiky volana amin'ny fahalehibeazany ve sa amin'ny fahamendrehany ? Izao no fanontaniana izay tsy maintsy valian'ny kristiana rehetra izay manao ny asan'Andriamanitra : Inona no katsahiko : fahalehibeazana sa fahamendrehana ? Azontsika atao ny mandrafitra volamena, volafotsy, ary vato tsara eo ambonin'ny fanorenana. Azontsika atao koa ny mandrafitra hazo, bozaka, mololo (1 Kor.3:12). Amin'ny andro farany dia izay mendrika no isaina fa tsy izay lehibe ( 1 Kor 3:13-14).

Raha mitovy ihany ny vola holaniana amin'ny akora dia ho betsaka lavitra ny hazo sy bozaka sy mololo azonao vidiana noho ny volamena sy volafotsy sy vato tsara. Koa raha ny handrafitra zavatra miezinezina hisehosehoana amin'ny olona ankehitriny no mahaliana anao, dia tokony ho ireo hazo sy bozaka sy mololo no iantefan'ny safidinao. Kanefa raha fantatrao fa hozahan-toetra amin'ny afo izany raha vao tafatsangana dia aleonao ihany mandrafitra zavatra hahatanty afo tahaka ny volamena, ny volafotsy ary ny vato tsara, na dia 1 isan-jaton'ny haben'ny rafitra hazo sy mololo fotsiny aza izany. Samy voafetra avokoa ny andro iainantsika ety an-tany. Tsy hiaina eto mandritra ny arivo taona isika. Mety ho 60 taona aorian'ny fahateraham-baovao no hivelomantsika ho an'ny Tompo. Amin'ny inona ary no andanianao ireo 60 taona ireo ? Holanianao amin'ny fandrafetana zavatra ngezabe nefa mora simba ve, izay ho levon'ny afo amin'ny andro farany ? Sa ianao mba handrafitra zavatra tsy ho levon'ny afo faran'izay mahery, na dia kely sy bitika aza no vitanao ?

Marobe ny mpino no manangana fiangonana miezinezina kanefa mora simba. Vitsy kosa ireo manangana am-pahendrena fiangonana kely kokoa kanefa tsy mety simba, satria fiangonana itoriana ny fibebahana sy anaovana ny olona ho mpianatra. Ny antontan'isa momba ireo fiangonana kely dia tsy mba manaitra tahaka ny an'ireo fiangonana ngezabe. Kanefa ho avy ny andro izay hizahan'ny Tompo toetra ny zavatra rehetra amin'ny afo, ary dia ho kila sy ho may tanteraka ireo rafitra miezinezina natao tamin'ny hazo sy bozaka ary mololo. Fa ireo rafitra kely kosa izay nandanian'izay nandrafitra azy ny fiainany manontolo tamin'ny fanaovana ny olona ho tonga mpianatra, izay nanamavoan'ny kristiana hafa azy noho ny hakelin'ny asa vitany, no ho hitan'ny rehetra fa tsy levon'ny afo ary maharitra mandrakizay.

Ankehitriny dia inona no handanianao ny fiainanao ? Izao no lazain'i Jesosy «Mandehana ianareo dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra » . Moa zavatra haharitra mandrakizay ve no vokarinao amin'izao fiainanao eto an-tany izao ? Izao no fanontaniana tsy tokony hiala ao an-tsaintsika mihitsy. Izao rafitra ataoko izao ve ankasitrahan'Andriamanitra, sy ataoko araka ny fitsipika izay nampianarin'i Jesosy ? Moa ny hahatonga ny olona ho mpianatra izay ho tia an'i Jesosy mihoatra noho ny zavatra rehetra no ataoko, sa ilaozako manangona mpino izay miteny fotsiny hoe « Jesosy Tompo ô, mino Anao aho », kanefa tsy manimbolo izay ho tonga mpianatr'i Jesosy akory ? Saintsaino ireo nenina izay mety handatsa anao rehefa hijoro eo anatrehan'ny Tompo ianao, raha toa ka ho kila sy may avokoa ny asa izay nandanianao ny fiainanao manontolo. Mety ho voavonjy ihany ianao ary mety hahazo ny lanitra, kanefa rehefa tonga any an-danitra ianao dia hanenina mandrakizay satria nandanilany foana ny fiainana tokana izay nomen'Andriamanitra anao tety an-tany. Tsy te hanenina toy izany mihitsy aho. Te handrafitra volamena sy volafotsy ary vato tsara aho. Te hanao asa mendrika sy maharitra ho an'ny Tompo aho dieny izao.