Josefa :
Ao amin'ny Matio 1:19 dia izao no vakiantsika. Henon'i Josefa fa nitoe-jaza i Maria. Tsy fantany anefa fa asa mahagaga nataon'Andriamanitra tao an-kibon'i Maria izany. Voalaza ao fa Josefa izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy dia nikasa hanarona izany zavatra noheveriny fa fahotana nataon'i Maria izany.
Misy zavatra azontsika rehetra ianarana momba ny fahamarinana eto. Ny votoatin'ny hafatry ny filazantsara dia izao : ahoana no ahatongavan'ny olona tsy marina ho olomarina. Ny olona nantsoina voalohany hoe olomarina ao amin'ny Testamenta Vaovao dia Josefa. Ary ny fahamarinany dia nambara fa nisy fifampitohizana tamin'ny finiavany nanarona ny fahotan'ny olona hafa, fa tsy ny hahafa-baraka ilay olona. Izany no atao hoe fanahin'ny tena olomarina.
Rehefa mandre ianao fa nisy olona nanao fahotana, inona no zavatra ataonao voalohany indrindra ? Raha toa ka olomarina ianao dia tianao hosaronana izany. Raha toa ka olona tsy marina ianao dia tianao horesahina amin'ny olona hafa izany. Dia hitantsika tamin'izany fa Josefa, izay tsy nanana ny Fanahy Masina akory sady tsy niaina tao ambanin'ny fanekena vaovao, dia olomarina lavitra noho ny mpino anapitrisany izay mihambo ho efa nateraka indray. Avy tamin'ny fenitry ny fanekena taloha no nanapahan'i Josefa hevitra hanarona izay noheveriny fa fahotana. Isaorana Andriamanitra fa tsy nanala baraka an'i Maria mihitsy izy. Satria raha nanao an'izany izy dia mba eritrereto ange ny alahelo sy ny nenina ho nahazo azy rehefa fantany amin'izay ny marina fa Maria dia vehivavy nadio sady tsy nanan-tsiny 100 isan-jato.
Nosoratana ireny zavatra ireny mba ho fananarana antsika. Fomba ahoana moa no hisintonanao indray ireo vaovao momba ny hafa izay efa naelinao rehefa fantatrao aty aoriana fa hay tsy marina ? Satria ny olona anankiray izay nitantaranao an'iny dia angamba efa nampiely izany tamin'ny olona folo hafa. Ireo olona folo ireo indray dia mety efa nanaparitaka ilay vaovao tamin'ny olona maro hafa koa. Noho izany, vao miandoha mihitsy ny Testamenta vaovao, ao amin'ny toko voalohany, dia izao no fampitandremana sy fianarana ho antsika. Sarony ny fahotan'ny hafa. Ianaro izay nataon'i Josefa.
Sema sy Jafeta :
Ao amin'ny Genesisy 9:20-27 dia vakiantsika fa mamon-divay Noa indray andro ary nitanjaka tao anatin'ny lainy. Rehefa hitan'i Hama zanany izany dia nambarany tamin'ny rahalahiny. Ary satria nanala baraka ny rainy tany amin'ny rahalahiny izy dia tonga taminy ny ozona. Sema sy Jafeta kosa anefa dia nanao dia mianotra ary nanarona ny fitanjahan'ny rainy. Noho izany dia nahazo tsodrano izy roalahy. Misy hafatra lehibe ho antsika eto. Eto no pejy voalohany indrindra ao amin'ny Baiboly izay amakiantsika ny famaizan'Andriamanitra ny zanaka anankiray mbamin'ny taranany noho ny fanalany baraka ny rainy.
Tsy mandefitra amin'izany mihitsy Andriamanitra, izany manao tsinontsinona ny fahefana. Rehefa mahita fahalemena ianao eo amin'ny rainao na eo amin'ny olon'Andriamanitra anankiray dia aza aharihary amin'ny olona ny fitanjahany, tahaka izay nataon'i Hama, raha tsy te hahazo ozona ianao. Manahafa an'i Sema sy Jafeta ka sarony izany. «Ny fitiavana manarona fahotana maro » (1 Petera 4:8 ; Ohabolana 10:12).
Noa dia nitsodrano an'i Sema sy Jafeta tamin'ny tsodranon'ny firaisam-po hoe « Hataon'Andriamanitra malalaka anie Jafeta ; Ary aoka honina ao an-dain'i Sema izy » (Genesisy 9:27). Isika koa dia tsy maintsy mitady firaisam-po amin'ireo olona miara-monina sady mifanarona fahotana. Ny mpino toy izany ihany no afaka manangana ny fiangonan'i Jesosy Kristy.