WFTW Body: 

Ny vavaka dia tsy hoe miresaka amin'Andriamanitra fotsiny fa mihaino an'Andriamanitra ihany koa. Ary ny mihaino Azy no zava-dehibe kokoa noho ny miresaka Aminy. Eritrereto izao : raha ohatra ianao ka miresaka amin'ny olona antitra kokoa noho ianao sady anti-panahy kokoa noho ianao eo amin'ny telefona, dia ny mihaino no ataonao betsaka kokoa noho ny miteny. Koa tsy maintsy tahaka izany koa rehefa tena mivavaka, tsy maintsy ataonao betsaka kokoa ny fihainoana an'Andriamanitra noho ny firesahanao Aminy.

Raha misy zavatra tena irinao mafy ny hanao azy, dia mora foana aminao ny mamita-tena sy mihevitra fa izay no sitrapon'Andriamanitra, tamin'ny fanaovanao vavaka fohy mikasika ilay izy mba hanamaivana ny feon'ny fieritreretanao. Ary avy eo ianao dia milaza fa mahatsiaro fiadanana ao am-po momba an'iny, ary dia manomboka manao an'ilay izy ! Amin'izany fomba izany no mety hampiala anao tanteraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra. Izao no tadidio : Arakaraka ny mahalehibe ny fanapahan-kevitra tsy maintsy raisinao no tsy maintsy hiandrasanao an'Andriamanitra ela kokoa alohan'ny hanaovanao zavatra .

Ny nofo dia iaraha-mahalala fa kamo sady tia fahafinaretana sy fanaranampo. Aza avela hamitaka anao ny nofonao. Tsy maintsy lavinao ny fahatsapana ateraky ny fandrenesanao rehefa mikatsaka ny sitrapon'Andriamanitra ianao. Misy fahasamihafana be ny fihevitrao sy ny fihevitr'Andriamanitra tahaka ny haavon'ny lanitra noho ny tany (Isaia 5:8,9). Ny fomba anaovan'Andriamanitra zavatra dia avo lavitra noho ny antsika. Izany no antony itiavan'Andriamanitra anao hankato Azy, mba hahazoanao ny tsara indrindra.

Mety tsy manana fotoana lavabe hivavahana ianao. Kanefa tsy maintsy manana finiavana miandry ny Tompo ianao rehefa misy fanapahan-kevitra raisinao. Ary fehezo ny tenanao mba handany minitra vitsy miaraka amin'Andriamanitra isan'andro, tsara kokoa raha izany no ataonao voalohany indrindra amin'ny maraina. Raha toa ka tsy mety atao amin'ny maraina izany dia ataovy mandritra ny andro. Raha tsy izany dia mety hampivily anao hiala amin'ny sitrapon'Andriamanitra natokany ho an'ny fiainanao ny fahatsapana ao anatinao.

Andriamanitra dia te hifandray aminao isan'andro. Izao no hafatra izay miverimberina manomboka any amin'ny pejy voalohany amin'ny Baiboly. Izao no voalaza "Tamin'ny andro voalohany, Andriamanitra nanao hoe... tamin'ny andro faharoa, Andriamanitra nanao hoe...Tamin'ny andro fahatelo... fahefatra ….fahadimy ary fahenina, Andriamanitra nanao hoe" . Nisy zavatra niseho foana isak'izay niteny Andriamanitra ary ny vokatra azo farany dia "Tsara indrindra". Mba mety hitranga eo amin'ny fiainanao koa ny toy izany, raha mihaino an'Andriamanitra isan'andro ianao. Hoy Jesosy :" Ny iveloman'ny olona dia ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra" (Matio 4:3) . Raha tsy Andriamanitra no ataonao lohalaharana eo amin'ny fiainanao isan'andro dia ho mora foana aminao ny hiverin-dalana.

Ny tiako holazaina amin'ny hoe "mihaino an'Andriamanitra", dia tsy mamaky Baiboly fa mihaino ny feon'ny Fanahy Masina ao anatin'ny fieritreretana mandritra ny andro manontolo, mba hanaovanao izay mahafaly Azy, sy mba hanalaviranao izay rehetra tsy ankasitrahany.

Sitrak'Andriamanitra ny hamaly ny vavaka rehetra ataontsika. Fa tsy maintsy miandry Azy fatratra isika hahazoantsika valiny avy Aminy. Indraindray dia mety ho "Tsia" ny valiny. Indraindray mety ho "Eny". Tahaka ny jirom-pifamoivoizana mena sy mavo ary maitso, ny valim-bavaka omen'Andriamanitra dia mety hoe "Tsia" na "Andraso aloha" na "Eny".