WFTW Body: 
Ao amin'ny Tonon-kiran'i Solomona 1:5 dia izao no lazain'ny ampakarina "Mivalomainty aho nefa tsara tarehy". Ny tian'ilay zazavavy nolazaina tamin'izany dia hoe na dia tsy tsara tarehy aza izy, dia ny mpampakatra no nifidy azy. Ny Baiboly dia milaza fa ny mahantra sy ny adala amin'izao tontolo izao aloha no nofidin'Andriamanitra fa tsy ny avo razana sy ny olon-kendry (1 Korintiana 1:26-29). Ny sasany amintsika mety hieritreritra hoe "tsy mba mahay zavatra tahaka ny olon-kafa aho, tsy marani-tsaina. Tsy mahay mandaha-teny tahaka ny hafa. Voafetra tokoa ny fahaizako". Kanefa dia efa nofidin'ny Tompo isika ! Nisy vehivavy tsara tarehy tokoa tao Jerosalema, kanefa ny mpampakatra dia nifidy an'ity zazavavy mivalomainty ity. Izany no ataon'i Jesosy satria ny hatsaran'ny fo no tadiaviny fa tsy ny bika aman'endrika na ny talenta na ny fahaizan-javatra. Misy zavatra tsy maintsy ianarantsika eto. Izay rehetra ananantsika na ny fahaizana voajanahary na ny fitaizana azontsika na ny zava-bitantsika rehetra dia tsy misy lanjany na kely aza amin'Andriamanitra. Fa ny tadiaviny dia fo feno fitiavana Azy. Izany no tian'ny Tompo ho hita rehefa mitady olona ho mpanompony Izy. Fantatry ny ampakarina fa na dia mivalomainty aza izy dia tsara tarehy teo imason'ny mpampakatra azy. Marobe ny vehivavy manambady no mijaly satria tsapan'izy ireny fa tsy manaiky azy na faly aminy ny vadiny. Ny ahy ny vadiko dia mahafaly ahy. Ary manantena aho fa tahaka izany koa ianareo lehilahy rehetra. Tena zava-dehibe tokoa no ahafantaran'ny vehivavy vadinareo fa mahafaly anareo izy. Dia torak'izany koa, marobe ny mpino no tsy mahafantatra fa mahafaly ny Tompo izy ireny. Izao no voalaza ao amin'ny Zefania 3:17 "Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy, Hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy". Tena faly tokoa Andriamanitra manana antsika ho zanany. Moa mba fantatrao ve izany ? Mety ho ratsy tarehy no fijerin'ny olona antsika, kanefa kanto eo imason'Andriamanitra isika. Tena zava-dehibe tokoa ny ahafantarantsika an'izany mazava tsara. "Aza mibanjina ahy fa mivalomainty aho ry zanakavavin'i Jerosalema tsara bika sady tsara tarehy" (Tonon-kiran'i Solomona 1:6). Zazavavy tsy nahita fianarana izy, zazavavy avy any ambanivohitra, ary ireo zazavavin'i Jerosalema renivohitra dia nanao tsinontsinona azy. Kanefa ny mpampakatra tsy niraharaha ireo zazavavin'ny renivohitra kinga saina sady mahafatifaty, fa naleony nifidy ity zazavavy tambanivohitra. Tahaka izany no nifidianan'ny Tompo antsika. Deraina ny Tompo ! Moa manao tsinontsinona anao ve ny mpino sasany ? Aza kivy amin'izany satria sarobidy amin'ny Tomponao ianao ! Ny Ezekiela 16 dia toko mahafinaritra izay mitantara ny nandraisan'Andriamanitra antsika fony mbola maloto sy nanao ratsy, natao tsinontsinona ary tsy nanam-piahy teny an-dalambe isika. Ao amin'ny Tonon-kiran'i Solomona 5:16 dia notantarain'ny ampakarina fa ny mpampakatra dia "maha-te-ho tia. Izy ny malalako, ary izy ny sakaizako". Afaka milaza ve ianao fa Jesosy dia tsy Mpamonjy anao fotsiny fa Sakaizanao koa ? Ataovy Sakaiza akaiky indrindra sy tianao indrindra Jesosy.