WFTW Body: 

Izao no voasoratra ao amin'ny bokin'ny Hebreo 4:13 : " Ary tsy misy zavatra na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany, fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason'izay iafaran'ny ataontsika ".

Andian-teny mahafinaritra be izany : " Izy izay iafaran'ny ataontsika". Izany hoe amin'ny maha-olombelona antsika dia tsy misy afa-tsy olona iray ihany eto amin'izao tontolo izao no iafaran'ny ataontsika, iray ihany no hanadina antsika, dia tsy iza fa Andriamanitra. Raha toa hitanao fa efa mihamitombo hatrany ny fahamarinana eo amin'ny fiainam-panahinao kanefa ianao mbola matahotra vavan'olona ny amin'izay mety ho heviny momba anao, dia mbola ho andevon'ny hafa ihany ianao.

Raha te ho mpanompon'Andriamanitra ianao, dia fantaro foana fa "Andriamanitra irery ihany no iafaran'ny ataonao". Tsy ny olona iray alina izay manao anao hoe olomarina no hahatonga anao ho olomarina. Dia tahaka izany koa, tsy ny olona iray alina manao anao hoe olona ratsy fanahy no hahatonga anao ho ratsy fanahy.

Ny mari-pahamarinana avy amin'ny olona dia zava-poana. Noho izany dia ario any amin'ny fanariam-pako any ireny. Ny olon-kafa dia tsy mahafantatra afa-tsy ampahany kely monja ny amin'ny fiainanao manokana, ny amin'ny eritreritrao, ny amin'ny fomba fitantananao vola, sy ny sisa. Iray isan-jaton'ny fiainanao ihany no mba fantatry ny olona, ary mifototra amin'izany iray isan-jato fantany izany ny heviny momba anao. Noho izany dia tsy azo raisina ny heviny, na tsara izany na ratsy. Na ny hevitra tsara na ny hevitra ratsy dia samy mendrika atsipy any amin'ny fitoeram-pako avokoa. Avelao any ireny. Izany ny ahy no nataoko nandritra ny taona maro. Tahaka izany no nanafahana ahy ka nahafahako nanompo an'Andriamanitra.

Raha tianao ny hohafahana mba hanompoanao an'Andriamanitra dia lazao hoe "Tompo ô, Ianao irery ihany no iafaran'ny ataoko. Te hijoro eo anatrehanao isan'andro aho. Tsy misy na inona na inona miafina izay tsy hitan'ny masonao. Ny zavatra rehetra eo amin'ny fiainako dia mihanjahanja sy aharihary eo imasonao. Mety ho vitako ny mamitaka ny hafa mba hiheverany ahy ho olona tena ara-panahy, fa tsy afaka ny hamitaka Anao aho". Raha miaina tahaka izany ianao dia hahita fiovana ary ny fiainanao hihatsara hatrany. Dia hanomboka hiditra ao amin'ny fiainan'ny fanekena vaovao ianao.