WFTW Body: 

Fanantenana

Ny "fanantenana" dia teny ao amin'ny fanekena vaovao, tahaka ny "fahasoavana", "fahamoram-po", " malahelo am-panahy" sy "mandresy" sns. Mpino vitsy monja no mba efa nandinika mikasika ny fanantenana. Kanefa dia teny mendrika hianarana ao amin'ny kônkôrdansy izany.

Ny Romana 5:2-4 dia mamporisika antsika mba hifaly amin'ny fanantenana ny voninahitr'Andriamanitra. Mifaly isika ao anaty fahoriana satria ny faharetana ao anatin'ireny fahoriana ireny dia mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra, izay mahatonga fanantenana. Ny dikan'izany dia izao, satria efa hitantsika tamin'ny fiainantsika lasa ny nanovàn'Andriamanitra antsika, dia manantena isika fa hotontosain'Andriamanitra ny asa natombony tao anatintsika amin'ny andro ho avy.

Tian'Andriamanitra ny hameno antsika amin'ny fanantenana hiatrehantsika ny ho avy. Tsy voatery hiatrika ny ho avy amin'ny tahotra sy ny alahelo isika, tahaka ireo manodidina antsika. Miandrandra fanantenana lehibe isika, mino tanteraka fa Izay nanomboka asa tsara tao anatintsika no hamita sy hahalavorary izany ao amintsika (Fil. 1:6). Ny fanantenana dia tena ody hakiviana sy ody hasosorana mandaitra tokoa.

Tsy maintsy "hazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana" (Heb. 10:23). Raha lazaina amin'ny teny hafa dia izao, tsy maintsy sahy miaiky amin'ny vavantsika isika, na dia mbola tsy mpandresy aza aloha izao, fa Andriamanitra hanome antsika ny fandresena sy hanao izay efa nampanantenainy fa hataony ao anatintsika. Tsy maintsy mifaly amin'ny fanantenana isika. Mahazatra ny mpivavaka ny misaotra an'Andriamanitra ny amin'izay efa nataon'Andriamanitra ho azy ireo. Kanefa isika koa dia tsy maintsy mifaly amin'ny fanantenana ny amin'izay hataon'Andriamanitra ho antsika.

"Ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa", izany dia teny fampanantenana ao amin'ny Salamo 1:3. Izany no sitrapon'Andriamanitra ho an'ny fiainantsika, ary tsy maintsy takiantsika izany ho lovantsika ao amin'i Kristy.

Fifaliana

Ny hafaliana mitobaka no anisan'ny fomba anankiray ahafantarantsika fa miaina eo anatrehan'Andriamanitra isika, satria " fahavokisam-pifaliana no eo anatrehanao" (Sal. 16:11). Izany koa no ahafantarantsika fa tena ao anatin'ny fontsika ny fanjakan'Andriamanitra, satria " ny fanjakan'Andriamanitra dia fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin'ny Fanahy Masina " (Rom. 14:17). Izany fifaliana izany dia tsy ho azontsika raha tsy mankahala ny ota isika ary tia ny fahamarinana, satria ny hosotra diloilo fifaliana dia omena ireo izay " tia ny fahamarinana sy mankahala ny heloka" (Heb. 1:9). Enga anie ny fifaliana avy amin'i Jehovah ho fiarovana mafy ho anareo amin'ny fotoana rehetra (Neh. 8:10). Ny fifaliana no hahamora ny ady ataonao amin'ny fakam-panahy.

Jakoba dia milaza fa tokony hifaly isika na dia ao anaty fizahan-toetra aza noho ireto antony anankiroa ireto (Jak. 1 : 1-4): (1) hahafantarantsika na tena izy ny finoantsika na tsia (tahaka antsika te hahafantatra na tena izy ny volamenantsika na tsia, mba tsy ho voafitaka hihevitra antsika ho mpanankarena kinanjo tena mahantra). (2) Ny faharetantsika dia mitombo miha-tanteraka , ary amin'izany dia ho tanteraka sy ho tonga ohatra isika, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona.

Mahavariana ny vokatra azo avy amin'ny fizahan-toetra lalovantsika, raha toa ka mifaly isika ao anatin'izy ireny. Marobe ny fahoriana very maina fotsiny eo amin'ireo mpino. Tsy misy harena azony avy amin'ny fahoriany, satria mimenomenona sy velon-taraina izy ireo fa tsy mba mifaly.