WFTW Body: 

Tao amin'ilay fanoharana ny amin'ilay Samaritana tsara fanahy, dia nampianarin'i Jesosy ny maha-zavadehibe ny fanampiana ny rahalahintsika izay hitantsika fa sahirana (Lioka 10:25-37).

Hitantsika ao fa nisy mpahay lalàna anankiray nanontany an'i Jesosy ny fomba hatao handovàna fiainana mandrakizay. Novalian'i Jesosy fa ny fitiavana an'Andriamanitra amin'ny fo manontolo sy ny fitiavana ny namana tahaka ny tena no handovàna izany. Fa satria io mpahay lalàna io (tahaka ny mpahay Baiboly ankehitriny), " ta-hanamarina ny tenany tamin'ny tsy fitiavany ny sokajin'olona sasany " (Lioka 10:29 Baiboly Living), dia nanontany an'i Jesosy izy hoe iza moa no faritan'ny teny hoe "namana". Dia novalian'i Jesosy tamin'ny fanoharana anankiray ny fanontaniana napetrany.

Dia niresaka momba ny lehilahy anankiray Jesosy izay azon'ny jiolahy ka nokapohiny sy nilaozany teo an-dalana. Nahita azy ny mpisorona anankiray (loholona ao amin'ny ankohonan'Andriamanitra), fa tsy niraharaha azy. Ny olona rehetra teo amin'Isiraely tamin'izany andro izany, dia taranak'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba avokoa. Noho izany dia rahalahiny sy anabaviny avokoa izy rehetra, tahaka antsika mpino izay mpirahalahy avokoa. Noho izany dia rahalahin'ilay mpisorona io lehilahy nitsirara teo an-dalana io. Kanefa nahita azy ilay mpisorona ary tsy niraharaha azy. Mety ho nitsara azy mihitsy aza angamba ilay mpisorona ka nilaza hoe : tsy tokony ho nandeha irery any amin'ny toera-mangina tahaka izao amin'ny alina anie izy e. Isika mantsy dia tena kinga mihitsy indraindray mitsara ny mpino namantsika fa tsy manao izay hanampiana azy ireny.

Tsy maintsy voatery hiteny amintsika ve ny Tompo indray andro any hoe " Noana Aho nefa tsy mba nomenareo hanina. Nangetaheta Aho nefa tsy mba nomenareo izay hosotroiko. Nitanjaka Aho nefa tsy mba notafianareo. Narary Aho kanefa tsy mba novangianareo. Nanaovanareo hirahira sy nitorianareo teny fotsiny Aho, fa tsy mba nanampy ahy tamin'izay nahaory Ahy ianareo ". Ny ho tonga ara-potoana tany amin'ny fivoriam-bavaka no nahamay an'ilay mpisorona kokoa noho ny hanampy ilay rahalahy nila vonjy. Nampitandrina Jesosy fa maro be ny olona, na ireo mitory teny tsy tapaka any amin'ny fivoriam-bavaka aza, no mbola mety lasa any amin'ny helo amin'ny farany (Matio 7 : 22,23).

Avy eo, dia nisy levita anankiray (rahalahy ao amin'ny ankohonan'Andriamanitra) koa nandalo teo, ary izy koa dia tsy niraharaha ilay rahalahiny nila vonjy. Tsy nahomby tamin'ny fizahan-toetra azy koa izy. Te ho tonga ara-potoana tany amin'ny fivoriam-bavaka koa izy. Te-hamonjy ilay fivoriana izy mirahalahy ireo mba handre an'Andriamanitra miteny aminy. Saingy tsy fantany fa efa niteny taminy Andriamanitra mba hanampy ilay rahalahiny nila vonjy raha mbola teny an-dalana izy ireo. Tsy nanana sofina enti-mihaino izay nolazain'ny Tompo taminy izy ireo. Ary noho izany, ny hira sy ny vavaka nataony tamin'io maraina io dia tsy nisy vidiny tamin'Andriamanitra. Matetika Andriamanitra dia mampiasa ny fijalian'ny olona mpivavaka tsara mba entiny hizahana toetra ny fon'ireo izay mahita an'ilay olona mijaly. Dinihonareo ny tantaran'i Joba. Andriamanitra dia nizaha toetra ny fon'izy telo lahy sakaizan'i Joba tamin'ny alalan'ny fijalian'i Joba. Ary izy telolahy dia samy nolavina tamin'izany fizahan-toetra izany.

Moa ny tenantsika ve no hitantsika tao amin'io mpisorona io na tao amin'io levita io, ao amin'ity tantara nolazain'i Jesosy ity ? Raha izany no izy, dia andeha isika hibebaka sy hiezaka mba hiova tanteraka mihitsy amin'ny andro ho avy. Ilay mpisorona sy ilay Levita dia olona tao ambany fanekena taloha. Isika anefa milaza fa kristiana efa tafakatra ambony kokoa mahatratra ny hahavon'ny fanekena vaovao. Raha izany no marina, dia efa nantsoina hisolo tena an'i Jesosy mihitsy isika. Ary mila manontany tena isika raha misolo tena Azy marina tokoa.

Farany, dia Samaritana iray natao tsinontsinona (ilazana amin'izao andro izao ny rahalahy iray avy amin'ny antokom-pinoana Babyloniana, mivoy fampianaran-diso maro) no nanampy ilay lehilahy nahantra sy naratra mafy. Io Samaritana io dia tsy loholon'ny fiangonana na mpitoriteny. Anisan'ireo olona tsotra fotsiny izy izay vonona mandrakariva hanampy izay mila vonjy, izay tsy nampahafantatra na iza na iza ny zavatra nataony. Rehefa nahita ilay lehilahy naratra mafy izy dia fantany fa na izy koa aza dia mety ho niharan'izany loza izany. Koa nandà tena izy, ary nandany ny fotoanany sy ny volany mba hanampy io rahalahy nila vonjy io .

Eto no ahitantsika ny dikan'ny hoe tena mpianatr'i Jesosy Kristy Tompo. Tsy amin'ny foto-fampianarana no hanehoantsika amin'ny hafa ny toetran'i Kristy fa kosa amin'ny fihetsika asehontsika amin'ireo rahalahy mila vonjy hitantsika eny an-dalam-piainana eny. Izany hoe maneho fahatsaram-panahy sy fitiavana ary fiantrana ny olona tsirairay.

Ny Tompo anie hanampy antsika rehetra hanaraka izany lalana izany amin'ny fotoana rehetra. Amena.