WFTW Body: 

Satria efa manakaiky ny faran'ny taona isika izao, dia tsara ny handinihantsika ny fiainantsika sy hijerentsika izay tena fivoarany marina. Hagay mpaminany dia nananatra ny vahoaka tamin'ny androny mba « hihevitra ny lalany ». Voasoratra ao amin'ny Hagay 1:5-6 izany manao hoe : « Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro : hevero ny lalanareo ».

« Efa namafy be ianareo, nefa kely no taomina, mihinana ianareo, nefa tsy voky, misotro ianareo, nefa tsy afa-po, mitafy ianareo, nefa tsy misy mafana ; ary izay mahazo karama dia mahazo karama hatao an-kitapo loaka . » Azontsika ampiharina amintsika tahaka izao ireo zavatra voalaza eo ambony ireo : Mitaona antsika ny Tompo hoe «hevero na nisy fivoarana ny fiainanao na tsia ».

Efa misy vokatra nateraky ny fanahy ve eo amin'ny fiainanao ? Efa namboly be ianao kanefa kely ny vokatra azo. Efa be ireo fivoriam-bavaka nandehananao, efa be ireo boky kristiana novakiana sy ireo kasety nohenoina, kanefa ankehitriny, moa ve tokantrano araka an'Andriamanitra ny tokantranonao, moa tokantrano misy fiadanana ve ? Mba efa naharesy ve ianao na dia zavatra tsotra tahaka ny hoe mivazavaza amin'ny vadinao fotsiny aza ohatra ? Raha mbola tsy vitanao izany dia izao, na dia efa namafy be aza ianao dia kely monja no notaominao. Mitafy ianao, nefa tsy mety mafana. Mandray karama be ianao, kanefa misy loaka ao amin'ny kitapom-bolanao ka very ny androatokony.

Tsy misy zava-mahagaga tsy hain'Andriamanaitra atao. Tsy sarotra Aminy ny mampivily antsika hiditra ao anatin'ny sitrapony tsara sy tanteraka na dia efa lavo sy trotraka matetika aza isika. Ny tsi-finoantsika irery ihany no mahasakana an'Andriamanitra. Raha miteny ianao hoe « Efa impiry impiry aho no nanapotika tanteraka ny fiainako. Tsy ho vitan'Andriamanitra intsony ny mitondra ny fiainako hankao anatin'ny planina tsara sy tanteraka nokasainy ho ahy », dia tsy hataon'Andriamanitra tokoa izany satria, IANAO tsy mino izay zavatra hainy atao ho anao. Jesosy kosa anefa dia nilaza fa tsy misy zava-mahagaga tsy hain'Andriamanitra atao ho antsika, fa tsy maintsy mino aloha isika.

« Tongava aminareo araka ny finoanareo », izany no fitsipika napetrak'Andriamanitra ho an'ny zavatra rehetra (Matio 9:29). Izay zavatra inoantsika fa ho azo no ho azontsika. Raha mino isika fa misy zavatra tsy hain'Andriamanitra atao ho antsika dia tsy ho tanteraka eo amin'ny fiainantsika tokoa ilay izy. Etsy an-danin'izany kosa, dia ho hitantsika rehefa mijoro eo amin'ny fitsaran'i Kristy isika fa misy mpino anankiray hafa izay nanapotika ny fiainany kokoa noho ianao kanefa tanteraka teo amin'ny fiainany ny fikasan'Andriamanitra tsara sy tanteraka voatendry ho azy. Ny antony dia satria izy nino fa mbola hain'Andriamanitra atao ny manangona ny potipotiky ny fiainany sisa tavela sy manamboatra zavatra « tsara dia tsara » avy amin'ireny. Hanenina tongotra aman-tanana ianao amin'izay andro izay, rehefa ho hitanao fa tsy ireo fahadisoanao (na toy inona na toy inona hamaroan'ireny) no tsy nahatanteraka ny planin'Andriamanitra teo amin'ny fiainanao, fa ny tsi-finoanao !!

« Izao no antony nisehoan'ny Zanak'Andriamanitra dia ny handrava (hanafoana) ny asa nataon'ny devoly » (1 Jaona 3:8 Baiboly Amplified). Ny tena dikan'io andininy io dia izao : tonga Jesosy mba hamaha ny vona rehetra izay nafatotry ny devoly teo amin'ny fiainanao. Alaivo sary an-tsaina tahaka izao izany. Fony isika vao teraka dia nomen'Andriamanitra horonan-tady tsy nisy tomika isika. Rehefa nanomboka niaina isan'andro tamin'izay isika dia nanomboka novahantsika ilay horonan-tady ary nanomboka nasiantsika vona (fahotana) ilay izy. Ankehitriny àry, efa taona marobe no namahantsika ny tady, dia mamoy fo tanteraka isika rehefa mijery ireo vona marobe an'arivony misy eo amin'ilay tadim-piainantsika. Kanefa Jesosy dia tonga mba « hamaha izay nafatotry ny devoly ». Noho izany, dia mbola misy fanantenana ihany na dia ho an'ireo izay manana tady be vona indrindra aza.

Azon'ny Tompo atao ny mamaha ny vona rehetra tsirairay sy manolotra indray eo am-pelatananao horonan-tady vaovao be tsy misy tomika. Izany no hafatra avy amin'ny filazantsara : Azonao atomboka hatramin'ny voalohany indray ny fiainanao. Dia mamaly ianao hoe « tsy hisy mihitsy izany ». Hay ve, dia tongava aminao araka ny finoanao. Tsy hisy mihitsy izany ho anao. Kanefa aho dia nahare olona anankiray izay nanana fiainana ratsy kokoa noho ny anao, niteny hoe « Eny, mino aho fa hataon'Andriamanitra amiko izany ». Ho an'io olona io koa, dia ho tonga aminy araka ny finoany. Ho tanteraka eo amin'ny fiainany ny fikasan'Andriamanitra tsara sy tanteraka voatendry ho azy.

Raha misy alahelo araka an'Andriamanitra eo amin'ny fiainanao, vokatr'ireo fahadisoanao dia izao no izy : na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanao na mangatrakatraka tahaka ny sily, dia tsy vitan'ny hoe hatao fotsy tahaka ny oram-panala fotsiny, araka izay nampanantenaina tao amin'ny fanekena taloha (Isaia 1:18), fa ao amin'ny fanekena vaovao Andriamanitra dia mampanantena hoe « tsy ho tsarovako intsony ny fahotany » ( Hebreo 8:12). Na inona na inona mety ho hadalana na hadisoana vitanao, dia mbola mahazo manomboka fiainana vaovao miaraka amin'Andriamanitra ianao. Ary na dia efa 1000 aza ny fanombohana vaovao nataonao tamin'ny lasa kanefa tsy nisy nahomby, dia mbola azonao atao androany ny manao fanombohana vaovao laharana 1001 indray. Mbola hain'Andriamanitra ny manamboatra zavatra mahafinaritra avy amin'ny fiainanao. Raha mbola misy ny aina, mbola misy ny fanantenana. Noho izany, aza mitsahatra matoky an'Andriamanitra mihitsy ianao. Tsy afaka manao asa mahery ao amin'ny ankamaroan'ny Zanany Andriamanitra. Tsy ny tsi-fahatokiana an'Andriamanitra tamin'ny fotoana lasa no manakana Azy tsy hanao asa mahery fa ny tsi-fahatokiana Azy amin'izao fotoana izao. Koa andeha isika « hanome voninahitra an'Andriamanitra fa efa nampaherezin'ny finoana » (Rom.4:20), hatoky Azy fa amin'ny ho avy dia hataony eo amin'ny fiainantsika ny zavatra izay noheverintsika fa tsy hainy natao hatramin'izay. Ny olona rehetra, na antitra izy na tanora, dia afaka manana fanantenana, na toy inona na toy inona hadisoana vitany tamin'ny lasa, raha toa ka miaiky ny hadisoany izy ireo, manetry tena ary matoky an'Andriamanitra.