Tsy maintsy misy foana ny fifandirana eo amin'ny fifandraisan'ny olona, na dia eo amin'ny samy mpino mahitsy fo aza. Misy zavatra izay tsy azontsika kristiana saintsainina hatao mihitsy na dia ao anatin'ny zava-tsarotra aza. Ohatra rehefa sosotra amin'ny olona anankiray isika dia tsy hanana eritreritra andeha hamono an'iny olona iny velively. Na dia ny fieritreretana hanao an'izany fotsiny aza dia tsy hampino. Tsy misy hafa amin'izany ao amin'ny fanambadiana, tsy hisy hieritreritra mihitsy hoe fisaraham-panambadiana no hatao vahaolan'ny fifandirana. Ny fisarahana dia zavatra tsy azo eritreretina akory ho an'ny mpivady tahaka ny famonoana olona izay tsy azo eritreretina akory rehefa mifamaly ny mpinamana.
Ho fanampin'ny fahafantarantsika ny zavatra tsy tokony atao dia zavadehibe ny mahafantatra ny TOKONY atao ao anatin'ny fotoan-tsarotra. Tsy maintsy mitady vahaolana isika hamahana ny fifanolanana amin'ny fomba madio sady mampandroso.
Tao an-tokantranoko, ny zavatra tena nanampy ahy be dia ny fitadidiana ireto zavatra anankiroa ireto :
Tsy maintsy izaho aloha no maty ho an'ny tenako
Saika tsy misy mihitsy izany hoe ny olona anankiray amin'ny mpivady no manana ny fahadisoana zato isan-jato. Samy manana ny anjara fahadisoany ny roa tonta rehefa misy fifandirana. Amin'ny maha "loham-pianakaviana" ahy dia mino aho fa ny lehilahy no tokony hiaiky ny anjara fahadisoany ka hifona voalohany amin'ny vadiny, na dia heveriny aza fa ny vadiny no diso 99,9 isan-jato. (Tsy mampino hoe io isan-jatony io no taratry ny zava-nisy marina)
Ny zavatra anankiray nianarako dia izao, tsy azoko atao ny mifona mba hifonan'ilay olona aty amiko koa avy eo. Ny tanjoko dia tsy ny hahatonga ny vadiko "hifona amiko avy eo" fa kosa mba hibaboka ny marina sy hizaka ny anjara fahadisoako. Marina tokoa fa mety tiako hifona amiko ny vadiko, kanefa faniriana ara-nofo izany. Tsy maintsy mamono ny sitrapoko sy ny faniriako aho fa miezaka kosa mba ho olona tompon'andraikitra sy manenina noho ny fahadisoako tamin'ilay raharaha.
Amin'izao andro izao, eo anivon'ny kristiana, dia marobe ny resaka momba ny hoe ny lehilahy no "mpitarika ara-panahy". Araka izay efa naveriko matetika tamin'ireo rahalahy vao avy nanambady, ny atao hoe mpitarika ara-panahy voalohany indrindra dia olona vonona ny ho faty ho an'ny tenany voalohany ao anatin'ny fanambadiana. Misy hevitra maro isan-karazany eto amin'izao tontolo izao ary mihanaka ao amin'ny tontolo kristiana hoe ny lehilahy no natao ho loham-pianakaviana : ny lehilahy dia mendrika hohajaina, natao hankatoavina, natao ho mpanapaka an-tokantrano, sy ny sisa. Diso avokoa izany fiheverana izany. Raha te hianatra ny tena dikan'ny hoe mpitarika ara-panahy isika dia tsy maintsy mijery an'i Jesosy izay Loha ara-panahy sy vadin'ny Fiangonany. Mijery ny Loha isika ary mijery ny fomba nitarihan'ny Fanahy Masina ny Fiangonana. Hitantsika ny naha-mpitarika ara-panahy an'i Jesosy tamin'ny nandavany ny sitrapony isan'andro, tamin'ny nahafatesany ho an'ny tenany, ny nijereny ny Rainy, ny niankinany tamin'ny Fanahy Masina, ny nitondrany ny hazo fijaliany ary ny nidinany ho ambany noho isika tamin'ny fanompoana sy ny fitiavana. Tsy mba nitaky fanajana Izy, tsy nanery ny olona hankato Azy, fa namela fianarana ho antsika kosa Izy tamin'ny nanekeny sy nanoavany ny sitrapon'ny Ray tamin'ny fanetren-tena.
Izany koa no tokony ataontsika lehilahy ao an-tokantrano : tonga modely amin'ny fanekentsika an'Andriamanitra am-panetrentena, izany no asa fitarihana ara-panahy ataontsika.
Ataoko aloha izay hiverenan'ny fifandraisako amin'Andriamanitra
Ny sary anankiray izay tena nanampy ahy handinika ny famahana ny disadisa sy ny fifandirana tao an-tokantranoko dia ny sarin'ny tanana mitendry piano. Ireo tanana ireo dia azo oharina amin'ny mpivady. Alaivo sary an'eritreritra ny fitendrena mahafinaritra be ataon'ireo tanana. Mirindra tsara izy roa kanefa tsy noho ny fiezahany samy irery, tsy noho fotoana nolaniany niaraka tao anaty paosin'akanjo sy ny sisa, fa noho izy ireo samy mifandray tsara amin'ny lohan'ilay mpitendry piano fotsiny.
Tao an-tokantranoko dia nieritreritra aho taloha fa mila mifampiresaka elabe izahay mivady mba "hifankahazo hevitra" sy ny sisa, izay hoe raha ny tena izy dia "niara-nandany fotoana" tahaka ireo tanana. Tsy nahaizanay nampiara-peo izany ! Tena diso ny fiheverako fa ny firaisana dia vokatry ny firindrana sy ny fifandraisana, satria ny fampitomboako ny firindrana sy ny fifandraisana dia tsy nitondra firaisana bebe kokoa. Matetika aza ny ezaka nataoko dia vao mainka nampitombo ny fisaraham-bazana.
Rehefa hitako fa ny antony tsy mampirindra an'ireo tanana dia noho ny iray tamin'izy ireo tsy mifandray amin'ny lohan'ilay mpitendry zava-maneno dia nazava tamiko ny zavatra rehetra ! Ny fahatapahan'ny fifandraisana dia fahalemen'ny hozatra ary tsy afaka manao fitendrena mahafinaritra ny mpitendry malemy tanana. Dia toy izany koa ao amin'ny fanambadiana. Tsy ny fotoana laniana miaraka ho an'ny tanana malemy no tokony atao bebe kokoa fa ny fiezahana hamerina ho lavorary ny fifandraisana amin'ny Loha !
Samy mitady an'Andriamanitra manokana avy aloha ny tsirairay. Mandinika ny foko manokana aho (sy mangataka amin'Andriamanitra handinika ny foko mba hampiseho ndrao misy fanafintohinana ao), mivonona aho hanitsy ny zavatra rehetra lazainy amiko. Izany no fomba mahomby sy mitera-bokatsoa hamerenana ny fifandraisana ara-nofo fa tsy amin'ny famolavolana fomba fijery sy tetikady isan-karazany ao anaty ady hevitra.
Rehefa avy manao an'izany izahay dia hitanay fa nanjavona tanteraka ny ankamaroan'ireo fifandirana, ka tsy nilàna ady hevitra intsony. Rehefa tianay notohizana ny ady hevitra dia nataonay tamin'ny fomba mahomby kokoa izany satria efa tafaverina tamin'ny laoniny tahaka ny tanana afa-mihetsika tsara sy salama.
Rahalahy Zac Poonen dia nampiasa ny sarin'ny hazo fijaliana mba hanehoana ny fifandraisantsika amin'ny olombelona (ny hazo mitsivalana) ao anatin'ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra (ny hazo mitsangana), ary tena marina tokoa izany sary izany ao anatin'ny fanambadiana : ny mitsivalana dia tsy afaka mivelatra raha tsy miaraka amin'ny mitsangana, ary ny ankamaroan'ny fahatapahan'ny hazo mitsivalana dia azo antoka fa avy tamin'ny fahatapahan'ny hazo mitsangana.
Ny fanirian'Andriamanitra ho an'ny fanambadiantsika dia mba hahafahan'ny mpivady manaporofo ny fitiavan'Andriamanitra azy ireo, ny mba mampihavana antsika ka ho iray tanteraka Aminy (Efesiana 5:31-32). Ireo dia fomba anankiroa izay azontsika atao hanehoana ny fitiavan'Andriamanitra ao anatin'ny fifandirana izay mitady handrava ny fanambadiantsika.