WFTW Body: 

Tsy misy zava-dehibe indrindra azonao atao eo amin'ny fiainanao ety an-tany mihoatra noho ny fanatanterahana ny planin'Andriamanitra tonga lafatra ho an'ny fiainanao. Ny vavaka ataoko dia ny mba hanaovan'Andriamanitra anao ho fitaovana eo am-pelatanany mba hanangana ny fiangonany any amin'ny faritra anankiray amin'ny alalan'ny fiainanao sy ny fikelezanao aina. Ny fianarana nataonao sy ny asanao dia natao hamelomanao tena fotsiny, mba tsy hiankinanao loha amin'ny hafa amin'ny zavatra ilainao ara-nofo. Fa ny antso manokana ho an'ny fiainanao dia ny hivelona ho an'Andriamanitra. Noho izany dia aza atao sampy hotompoinao ny asa fivelomanao. Andriamanitra dia efa nanomana ny antsipirian'ny fiainanao rehetra eto an-tany. Tafiditra ao anatin'izany ny fianarana nataonao, izany hoe ny sekoly sy ny oniversite izay nandehananao, eny na dia ny taranja narahinao tany am-pianarana aza. Izy no nandidy nanapaka an'ireo zavatra ireo sy nanao izay hitarihana anao ho tonga amin'izao asa ataonao izao. Noho izany, amin'ny toe-javatra sasany, raha tsy azonao ny sampam-pianarana na ny lalan'asa izay mba nantenainao na nirinao, na dia efa nataonao aza izay azonao natao, dia derao fotsiny ny Tompo. Taona maro aty aoriana dia ho hitanao fa Andriamanitra dia niambina anao sy nanapaka ny antsipiriany rehetra tamin'ny fiainanao

(na tsy fantatrao aza izany). Ary ny fiafaran'izany dia ny fahazoanao ny tsara indrindra avy amin'Andriamanitra (Rom 8:28). Aoka ianao hivelona amin'ny finoana an'io tenin'Andriamanitra io.

Ny tena tanjon'Andriamanitra ho anao dia ny mba hahatonga anao ho vavolombelony ety an-tany, amin'ny fanehoanao ny fiainan'i Jesosy. Noho izany dia aoka tsy ho ara-nofo ny tanjom-piainanao. Hevero ho zavatra ambony indrindra ny fiainanao. Katsaho ny sitrapon'Andriamanitra tonga lafatra. Ataovy izay anananao fomba fiainana izay tsy hanenenanao rehefa hijoro eo anatrehan'ny Tompo ianao amin'ny andro fitsarana any am-parany. Ny Salan'Isa horaisina amin'izay andro izay dia tsy ny Salan'Isam-Panadinana (tany amin'ny oniversite) fa ny Salan'Isam-Piderana an'Andriamanitra sy ny Fankasitrahany anao (1 Kor.4:5). Ny naoty azonao tamin'io zavatra io ihany no hikaonty.

Fomba mahafinaritra tahaka izany no nikasan'Andriamanitra ny fiainanao. Izany ny ahy no hitako imbetsaka teo amin'ny fiainako, izany no nahatonga ahy haniry hanome ny fiainako amin'ny foko manontolo bebe kokoa ao amin'ny fanompoana amin'ny andro ho avy, « mba handresy ho an'ny Zanak'ondry izay novonoina aho ho valin'ny fijaliana nentiny ». Izany no teny filamatry ny kristiana Moroviana (Tsekoslovakia ankehitriny) tamin'ny taon-jato faha 18, izay notarihin'i Count Zinzerdorf.

Ny tsi-fahaizanao dia tsy hahasakana velively ny Planin'Andriamanitra tonga lafatra ho an'ny fiainanao. Ny fahatanterahan'izany planina izany dia tsy miankina afa-tsy amin'ny fanetren-tena ao amin'ny fisainanao ary amin'ny finoana. Koa enga anie ianao ka hanana an'ireo fahamendrehana ireo. Tsy misy na iray aza amintsika nahavita tsy nanao hadalana teo amin'ny fiainany. Kanefa azoko ijoroana vavolombelona avy tamin'ny zavatra niainako fa inian'Andriamanitra tsy jerena ny hadalana maro izay nataontsika, rehefa manetry tena sy miaiky ny fahotantsika isika, tsy manameloka ny hafa ary miteny am-pinoana hoe « Tompo ô, na izany aza no zava-bitako dia matoky ny famindramponao aho fa hotanterahinao ny planinao ho an'ny fiainako ». Maro ny mpino no tsy milaza ireo teny ireo mihitsy amin'ny Tompo satria mamoy fo izy ireo noho ny tsi-fahombiazany, ary tsy matoky ny famindram-pon'Andriamanitra. Izany ataony izany dia manala baraka an'Andriamanitra satria manandratra ny tsi-fahombiazana ho ambony noho ny fahefan'Andriamanitra sy ny famindrampony tsitoha. Tsy maintsy matoky an'Andriamanitra sy manome voninahitra ny famindrampony lehibe ianao. Amin'izany dia hambinina ianao, ary ny taonanao manaraka rehetra dia ho tsara noho ny taona teo alohany.