WFTW Body: 

Nangataka alalana tamin'Andriamanitra i Satana mba hikorokoka an'i Petera tahaka ny vary. Ary dia neken'Andriamanitra izany, satria Petera dia nanana asa fanompoana lehibe kokoa noho ireo olona izay tsy nokororohana. Jesosy dia nivavaka fotsiny hoe mba tsy ho levona ny finoan'i Petera. Nandà ny Tompo in-telo Petera. Kanefa vokatr'izany dia voatorotoro tanteraka sy voaetry tanteraka i Petera ka nitomany fatratra sy nibebaka. Izany no fomba nanatanterahan'Andriamanitra ny planiny sy nanasivanany ny sombintsombim-pireharehana rehetra hiala tao anatin'i Petera. Satana no nampiasain'Andriamanitra mba hahatanteraka izany. Izany no anisan'ny antony mbola tsy nandringanan'Andriamanitra an'i Satana. Deraina ny Tompo.

Taorian'ny fitsanganan'ny Tompo tamin'ny maty dia naniraka anjely tany amin'ny fasana Andriamanitra hitondra izao hafatra hafa kely izao : "Fa mandehana, lazao amin'ny mpianany sy Petera fa mialoha anareo ho any Galilia Izy" (Marka 16:7). Ilay teny hoe "...sy Petera…" dia tena mampiavaka ny Tompontsika loatra. Fa angaha moa tsy mpianany koa i Petera ? Nahoana moa no nasain'ny Tompo notononina manokana ny anarany? Satria sao hihevitra i Petera fa efa tsy tafiditra intsony ao anatin'ilay teny hoe "mpianany" noho ilay izy nandà ny Tompo mafy dia mafy. Koa io teny hoe "sy Petera" io dia nilazana tamin'i Petera fa ny fiheveran'ny Tompo azy dia mbola Apostoliny foana.

Kanefa na dia tao aza io hafatra manokana ho azy io dia mbola tratry ny hakiviana mafy ihany i Petera ka nanapa-kevitra hiverina hanao ny asa fanaratoana fanaony taloha (Jaona 21:3). Koa ny tenan'ny Tompo mihitsy no niantso an'i Petera hiverina amin'ny maha-Apostoly azy. Tahaka izany ny fitiavan'ny Tompo. Handeha hitady antsika foana Izy. Izany no nahatafaverina an'i Petera ary "tsy levona ny finoany". Fa tsy hoe noho i Petera tsy nandà ny Tompo mihitsy na tsy nanao fahadisoana mihitsy.

Koa raha efa nateraka indray marina tokoa isika ary efa mpianatr'i Jesosy dia tsy maintsy mino isika fa Andriamanitra dia efa nandray antsika ao amin'i Kristy sy tia antsika tsy misy fepetra, satria ANDRIAMANITRA DIA FITIAVANA. Misy sokajiny anankiroa ny mpino :

(1) Ireo mino fa tsy misy fepetra ny fitiavan'ny Ray Izay any an-danitra azy

(2) Ireo mino fa misy fepetra ny fitiavan'ny Ray Izay any an-danitra azy .

Ireo olona ao anatin'ny sokajy voalohany dia hanana fitsaharana satria mino ny fahamarinana izy ireo. Iretsy hafa dia tsy hanam-pitsaharana na rahoviana na rahoviana satria mino izy ireo fa tsy maintsy olo-mendrika izy vao hitohy ny fitiavan'Andriamanitra azy. Ny fivavahana sandoka rehetra eto ambonin'ny tany dia samy mampianatra fa ny fitiavan'Andriamanitra dia misy fepetra, fa ny fitiavan'Andriamanitra dia "fitiavana-fahamendrehana", fitiavana izay miankina amin'ny hoe manahoana ny fahamendrehanao! Tonga Jesosy nampianatra antsika ny mifanohitra amin'izany. Kanefa mbola marobe ihany ny mpino no jentilisa ao amin'ny toe-tsainy. Isika dia tsy maintsy mampiharihary ny laingan'i Satana. Satria ny fahamarinana dia izao : tsy misy fepetra ny fitiavan'Andriamanitra ny Zanany. Azontsika atao ny mandà izany fitiavana izany sy manalavitra an'Andriamanitra ka ho very. Kanefa mbola tsy hisy fepetra foana ny fitiavan'Andriamanitra ny Zanany. Ilay tantara milaza ny fitiavan'ny rainy ilay zanaka adala dia tena maneho tanteraka izany fitiavan'Andriamanitra izany.

Marina fa misy ambaratongany ny fitavan'Andriamanitra ny olona. Tian'Andriamanitra hatreo amin'ny ambaratonga anankiray ny olona rehetra eto amin'izao tontolo izao (Jaona 3:16). Kanefa tian'Andriamanitra hatreo amin'ny ambaratonga avo kokoa ireo Zanany izay efa nateraka indray. Ary ao amin'ireo Zanany ireo, dia misy tiany kokoa, satria nahafeno fepetra sasany izy ireo, araka izay nolazain'i Jesosy ao amin'ny Jaona 14:21 . "Izay manana ny didiko ka mitandrinaizany dia izy no tia Ahy ; ary izay tia Ahy no tian'ny Raiko". Ary ankoatran'ireo, dia tian'Andriamanitra hatreo amin'ny ambaratonga fara-tampony ireo mpianatra izay efa nahafoy ny zavatra rehetra mba hanarahany an'i Jesosy. Tia azy ireo tahaka ny nitiavany an'i Jesosy mihitsy Andriamanitra (Jereo Jaona 17:23)

Kanefa ilay tena fiiavan'Andriamanitra dia tsy misy fepetra .

Ny marika anankiray mampiavaka ny fitiavan'Andriamanitra voalaza ao amin'ny Lioka 6:35dia izy "tsy manantena valiny". Ny fitiavan'olombelona dia mitady fanajana sy mitady fitiavana ary mitady fanomezana foana mba ho setriny. Fa ny fitiavan'Andriamanitra kosa dia tsy manantena na inona na inona. Tsy misy zavatra takian'Andriamanitra ankolaka amin'ireo olona tiaviny. Andriamanitra dia sady mampiposaka ny masoandro amin'ny tsara fanahy no mampiposaka izany amin'ny ratsy fanahy, ary mamindra fo sy miantra ny olona ratsy fanahy sy ny olona tsy mahay mankasitraka Izy. Rehefa miaina ao anatin'izany fitiavan'Andriamanitra izany ihany isika vao voavonjy amin'izay mety ho toetsaina Fariseo.