written_by :   Zac Poonen categories :   Tanora Struggling Mpianatra
WFTW Body: 

Ampandalovin'ny Tompo zava-tsarotra sasantsasany isika, anisan'ny fanabeazana ara-panahy omeny izany. Ohatra, mety avelan'ny Tompo hanaraby antsika noho ny finoantsika ny olona. Ny ankamaroan'ireny olona mamazivazy antsika ireny dia kikisan'ny "fanambanian-tena", ka mialona antsika. Noho izany dia tsy maintsy mangoraka an'ireny olona ireny isika. Kanefa ny soa azo avy amin'ireny fanarabiana ireny dia lasa miha-afaka kokoa amin'ny tahotra vavan'olona isika. Rehefa ataoko jery todika ny fiainako dia hitako fa ireo fanarabiana rehetra nihatra tamiko, noho ny finoako, izay nataon'ireo tantsambo mpiara-miasa tamiko (fony aho tanora) sy ireo fanarabiana natrehiko taorian'izany, dia samy nanampy ahy ho afaka tamin'ny fitadiavana sitraka aman'olona. Ary tahaka izany no nanomanan'ny Tompo ahy ho amin'ny asa fanompoako.

Feno fankasitrahana aho noho ny fahasoavana nomen'ny Tompo anay nentina namakivaky tamin-kery ny fitsapana rehetra izay natrehinay tao amin'ny ankohonanay. Namporisihan'i Satana ny olona maro hampahory anay noho izy ireny velom-pialonana anay. Kanefa nandray fahasoavana avy tamin'Andriamanitra izahay nandresenay an'i Satana, sy nahafahanay nandray tsara ireo olona izay niteny ratsy anay sy nitady hamely anay, na dia tsy nisy nahavoa anay aza izy ireny. Ny zavatra rehetra nataon'ny olona dia niara-niasa hahasoa anay fotsiny, araka ny fampanantenana ao amin'ny Romana 8:28 .

Tadidio fatsy ny zavatra ratsy rehetra lazain'ny olona mikasika antsika akory no hahatonga antsika ho ratsy, ary tsy ny zavatra tsara rehetra lazain'ny olona mikasika antsika akory no hahatonga antsika ho tsara. Isika ihany no mandidy na ho ratsy isika na ho tsara. Miankina amin'ny fitondrantsika ny hazo fijaliana isan'andro izany sy ny fanarahantsika an'i Jesosy, ary ny fampitoviantsika fihetsika amin'i Jesosy manoloana ny olona, na inona inona mety ho lazain'ny olona na ataon'ny olona amintsika.

Na dia ireo fahadisoantsika taloha aza, izay mety ho lalimpaka sy goavana tokoa, dia tsy hahasakana ny tanjon'Andriamanitra tsy ho tanteraka eo amin'ny fiainantsika, raha vonona isika ny hanonitra ny lasa amin'ny fahatongavantsika ho olona tsy miroa fo mihitsy amin'ny ho avy.

Izaho dia efa nahafoy ny Tompo tamin'ny fomba maro taorian'ny nahaterahako indray. Kanefa nanapa-kevitra aho tamin'ny taona 1975 (teo amin'ny faha 36 taonako izany, ary nanomboka nivory tao an-tranonay ny fiangonana), fa ho tonga olona tsy miroa fo lavitra kokoa noho ireo olona tsy nahafoy ny Tompo tahaka ahy. Ary izao androany izao, taona maro aty aoriana, dia afaka milaza aho fa efa nomen'Andriamanitra voninahitra io fanapahan-kevitra noraisiko io. Isan-taona isan-taona dia mihabetsaka hatrany ny fahasoavana nomeny ahy. Koa fantatro avy tamin'ny zavatra niainako fa Andriamanitra dia tsy mifidy olona tsy ahitana tsininy na olona tsy mba solafaka hatrizay niainany na tsy mba lavo. Raha ny tena marina dia ny olona nahafoy Azy be indrindra aza no ampiasain'Andriamanitra be indrindra. Izany dia nanome fanantenana be ho ahy mikasika ireo ratsy indrindra amin'ny mpanota izay tonga tao amin'ny fiangonanay.

Ilay vehivavy Sonemita rehefa nanontanian'i Elisa hoe tsara ihany va ianao sy ny zanakao, dia namaly hoe "Tsara ihany", na dia maty vao teo aza ny zanany (2 Mpitsara 4:8,26)! Finoana mahatalanjona tokoa izany, nahafahany niteny an'izany. Nomen'Andriamanitra voninahitra ny finoany, tamin'ny nananganany ny zanany lahy tamin'ny maty! Manao zavatra mahatalanjona Andriamanitra ho an'izay olona matoky Azy. Ny olona tahaka izany dia tsy mba ho menatra mihitsy, na amin'ny inona na amin'ny inona. Enga anie ianao ka hiaina miaraka amin'ny finoana an'Andriamanitra tahaka izany mandrakariva, rehefa ao anatin'ny ady mahamay indraindray na rehefa fadiranovana nahafoy an'Andriamanitra (izay mety hitranga koa).

Tadidio fa ny Tompo dia afaka manangana amin'ny matyizay zavatra efa "maty momoka"rehetra. Ny hany ataonao dia mitsotra ny marina Aminy. (Tsy voatery hiaiky ny fahotanao amin'ny olona ianao, kanefa tsy maintsy tsorinao tanteraka amin'ny Tompo ny marina).