WFTW Body: 

Ny Eksodosy toko faha-15 dia manomboka amin'ny fiderana an'Andriamanitra ataon'ny zanak'Isiraely ary miafara amin'ny fimonomononan'izy ireo tamin'Andriamanitra. Izany sary izany dia niverimberina fony tany an'efitra ny zanak'Isiraely tany. Ny "sarin'ny onja" (sinusoïdal amin'ny matematika) izay miakatra sy midina tsy an-kijanona dia azo amaritana tsara mihitsy ny fiainan'ny ankamaroan'ireo mpino izay midera an'Andriamanitra rehefa mahazo izay iriny ary mimonomonona rehefa sendra ny tsy mety, ary avy eo dia misaotra an'Andriamanitra indray rehefa mivaha ilay olana natrehiny, ary feno fisalasalana indray rehefa tonga ny olana manaraka. Ny antony dia satria ny ankamaroan'ny mpino dia mandeha amin'ny fahitana fa tsy amin'ny finoana, tahaka ny nataon'ireo zanak'isiraely. Ny alahady maraina izy mandritra ny fivoriam-bavaka dia midera an'Andriamanitra amin'ny feo mahery (indraindray amin'ny fiteny tsy fantatra). Fa vao manomboka ny alahady atoandro dia miova ny fiteniny, fitenin-drazany no itenenany eo. Fiteny feno fahatezerana, fimenomenonana, fimonomononana, na any an-tokantranony izany na any amin'ny biraony !! Ary rehefa tonga ny alahady manaraka dia miakatra indray ny sarin'ny onja ary manomboka midera an'Andriamanitra indray izy.

Aorian'izany dia midina indray ny onja !! Azo antoka fa tsy izany mihitsy no tian'Andriamanitra hiainan'ireo zanany efa nateraka indray. Angaha moa ilay Fanahy Masina manome fanomezam-pahasoavana hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia tsy afaka mifehy ny fitenin'ilay olona rehefa miteny amin'ny tenin-drazany izy ? Tena afaka manao izany izy. Izao no lazain'ny Baiboly "Mifalia mandrakariva amin'ny Tompo. Misaotra an'Andriamanitra…. noho ny zavatra rehetra" (Filipiana 4:4, Efesiana 5:20).

Ao ambany fanekena vaovao dia izany no sitrapon'Andriamanitra ho antsika isan'andro. Mba hahavitantsika an'izany anefa dia tsy maintsy amin'ny finoana no andehanantsika. Tsy maintsy mino isika fa efa nanomana vahaolana ho an'ny olana rehetra atrehintsika Andriamanitra.

Rehefa nimonomonona tamin'i Mosesy ny zanak'Isiraely dia nitaraina tamin'i Jehovah Mosesy ary novaliany hoe "Ny vahaolana dia tsy aiza fa efa eo, io anoloanao io" (andininy 25). Nanehoan'i Jehovah hazo anankiray izy. Nokapain'i Mosesy ny hazo ary natsipiny tao anaty rano, dia tonga mamy indray ny rano.

Iza moa no namboly an'io hazo io tao an'efitra ? Olona ve no namboly an'io sa Andriamanitra ? Azo antoka fa Andriamanitra ! Tsy misy olona mamboly hazo any an'efitra. Andriamanitra no nampaniry an'io hazo io teo akaikin'ny Mara, angamba zato taona talohan'io, satria fantatr'Andriamanitra fa rehefa afaka zato taona dia handalo eo Mara ny zanany ary hahita fa mangidy ny rano. Koa raha ny marina dia efa nanomana vahaolana ho azy ireo zato taona mialoha Andriamanitra. Mba fantatrao ve fa izany Andriamanitra izany koa no nanomana vahaolana ho an'ny olanao rehetra efa fotoana elabe talohan'ny hiatrehanao ireo olana ?

Ny atao hoe mandeha amin'ny finoana dia mino an'izany. Tsy misy olana mipoitra tampoka androany ka hoe tsy nampoizin'Andriamanitra. Tsy vitan'ny hoe fantatr'Andriamanitra mialoha fotsiny ny olana nomanin'ny devoly hamelezana antsika fa efa nanamboatra vahaolana ho an'ireny koa Andriamanitra, nataony mialoha koa izany ! Koa afaka miatrika am-pahasahiana ny olana rehetra ianao.

Afaka mijoro vavolombelon'ny fahamarinan'izany aho rehefa niatrika olana maro isan-karazany nandritra ireo 56 taona naha-mpino ahy. Tsy mbola nisy olana natrehiko ka tsy nanomanan'Andriamanitra vahaolana ! Namafy voa Andriamanitra ho lasa hazo, efa elabe talohan'ny nahatongavako tao Mara teo amin'ny fiainako izany, mba hahamamy ny rano ho ahy. Mamelà ahy hamporisika anao koa mba hanana finoana an'ilay Ray mahagaga sy be fitiavana izay tsy mitsahatra "manomana zavatra ho antsika am-pitiavana ao amin'ny mangingina" (Zefania 3:17, dikanteny malalaka). Dia handresy mandrakariva ireo olanao rehetra ianao. Aoka tsy ho hita eo am-bavanao intsony ny fitarainana sy ny fimonomononana ary ny fahatezerana, fa aoka eo am-bavanao tsy hisy afa-tsy fiderana sy fisaorana an'Andriamanitra.