WFTW Body: 

Tsy misy mahasakana ny sitrapon'Andriamanitra amin'ny antsipiriany tsy ho tanteraka eo amin'ny fiainanao raha toa ianao ka mikatsaka ny fanjakan'Andriamanitra aloha. Ary tsy maniry afa-tsy hanao izay hahafaly an'Andriamanitra irery ihany. Satria ny fahefana rehetra eto an-tany dia eo am-pelatanan'ny Tompontsika. Nanao fanambarana anankiroa lehibe Jesosy teo anatrehan'i Pilato :

(1) "Ny fanjakako tsy avy amin'izao tontolo izao koa tsy hiady hahazoako ny zavatry ny tany Aho" (Jaona 18:36) .

(2) "Hianao tsy manana fahefana amiko akory, raha tsy nomena anao avy any ambony" (Jaona 19:11).

Ireo fanekena roa sosona ireo no nampahatsiahivin'i Paoly an'i Timoty rehefa nilaza tamin'i Timoty izy ho tonga vavolombelona tsara ho an'ny Tompo (1 Timoty 6:13,14).

Izany koa no fanekena izay efa nataoko tamin'Andriamanitra sy tamin'i Satana ary tamin'ny olona rehefa tojo zava-manahirana sy olona sarotin aho.

Hanam-pitsaharana foana ianao raha tsy misy sampy mihitsy eo amin'ny fiainanao. Efa lasa sampy ho an'ny kristiana maro ny asa tsara sy ny trano be soa ary ny fananana ny ampy. Tsy tsara kokoa noho ny mivavaka amin'ny sampy hazo sy ny sampy vato izany ! Kanefa ny ankamaroan'ny kristiana tsy mahatsapa an'izany. Na ny fanomezam-pahasoavana omen'Andriamanitra (tahaka ny asa fanompoana) aza dia mety ho tonga sampy, tahaka an'Isaka tonga sampy tamin'i Abrahama. Rehefa Andriamanitra irery ihany no zavatra rehetra amintsika ary raha afaka milaza marina amin'ny Tompo amin'ny fontsika isika hoe "Tompo o, tsy misy na inona na inona ary tsy misy na iza na iza ety ambonin'ny tany iriko tahaka Anao" (Salamo 73:25) dia amin'izay ihany isika vao afaka milaza fa afaka amin'ny fanompoan-tsampy ka manomboka mivavaka amin'ny Tompo. Izaho dia mivavaka mba ho afaka tanteraka amin'ny sampy rehetra ny olona ka hivavaka amin'ny Tompo irery ihany.

Andriamanitra dia afaka mampiasa mpino to-teny eo amin'ny fiarahamonina tahaka an'i Josefa avy any Arimatia hifandray amin'i Pilato (mpanapaka lehibe indrindra tamin'ny tany) mba hampidina ny "Tenan'i Kristy" avy eo amin'ny hazo fijaliana. Koa na "nokasaina hatao tao amin'ny fasan'ny olo-meloka aza Izy dia teo amin'ny mpanan-karena izy, rehefa novonoina" araka ny faminanian'Isaia (Isaia 53:9). Raha mpanarato tsotra tahaka an'i Petera dia tsy afaka nanatanteraka an'izany. Koa isaorana Andriamanitra amin'ny mpino rehetra ekenteny izay manampy ny mpikambana ao amin'ny "Tenan'i Kristy" ka manamora ny fiainany.

Ny toky sy fanantenantsika dia tsy maintsy ao amin'Andriamaintra irery ihany, fa tsy azo apetraka amin'ny olona mihitsy, fandrao halazo isika noho ny ozona voalaza ao amin'i Jeremia 17:5,6hoe "Fa izao no lazain'i Jehovah : Ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny ka miala amin'i Jehovah ny fony. Fa ho tahaka ny anjavidy any an-tani-hay izy, ka tsy mba hahita, na dia avy aza ny soa; Fa honina any amin'ny tany karankaina any an'efitra, dia any amin'ny tany sira izay tsy onenana".

Ny tena harenantsika dia tsy isaina amin'ny vola na amin'ny fananana, fa amin'ny fahafantarana ny Tompo izay azontsika avy amin'ny alalan'ny tsi-fahombiazana sy fizahan-toetra lalina maro. Jeremia 9: 22,23 (Baiboly Living) dia mivaky toy izao "Aoka ny olona hendry tsy hirehareha amin'ny fahendreny, ary aoka ny olona mahery tsy hirehareha amin'ny heriny, ary aoka ny olona manan-karena tsy hirehareha amin'ny hareny, Fa aoka izy hirehareha amin'izao zavatra tokana izao hoe tena mahafantatra Ahy tokoa izy ary tena fantany tsara fa Izaho no Tompo, ny fitiavako tsy miova, ary izany no sitrako". Izay ihany ny zavatra tokana izay sarobidy mandrakizay. Ny zavabita rehetra eto an-tany dia taimboraka avokoa raha oharina amin'izany. Arakaraky ny hahitantsika haingana izany fahamarinana izany no hahatongavantsika ho hendry.