WFTW Body: 

Ny mpianatr'i Jesosy Kristy dia tsy mahazo mandray fanapahan-kevitra noho ny tahotra olona na noho ny tahotra ny toe-javatra.

Misy tenin'Andriamanitra mibaribary mihantona eo amin'ny fidirana ao an-tranonay hoe, "Raha matahotra an'Andriamanitra ianao dia tsy misy tokony atahoranao na inona na inona". Izany no fanazavan'ny Baiboly Living ny teny ao amin'ny Isaia 8:12-13. Nanampy ahy fatratra tokoa io andininy io tao anatin'izay 25 taona lasa izay.

Mamelà ahy hifampizara aminareo fahamarinana vitsivitsy izay nianarako tamin'ny Tompo mikasika ity resaka tahotraity.

Voalohany indrindradia nianatra aho fa ny tahotra dia iray amin'ireo fitaovam-piadian'i Satana.

Faharoa, nianatra aho fa tsy tokony hanamelo-tena raha misy tahotra tonga ao amiko indraindray, satria mbola ao amin'ny nofo ihany aho. Tsy maintsy mitsotra ny marina isika ary miaiky an'izany. Ny apôstôly Paoly dia nitsotra tanteraka ny marina ary nanaiky fa tamin'ny fotoana sasany dia nisy "tahotra anaty" tao aminy (2Korintiana 7:5).

Ny zavatra fahatelo nianarako (ary ity no zava-dehibe indrindra) dia izao na dia matahotra aza aho diatsy mahazo mandray fanapahan-kevitra mifototra amin'ny tahotra mihitsy. Izay fanapahan-kevitra raisiko dia tsy maintsy mifototra amin'ny finoana an'Andriamaintra , izay mifanohitra tanteraka amin'ny tahotra. Koa niezahako ny niaina tamin'izany fomba izany nandritra ny taona maro izao. Ary tena nanampy sy nampahery ahy tokoa Andriamanitra.

Takatro tsara izao ny antony nilazan'i Jesosy matetika hoe :

Aza matahotra, aza matahotra, aza matahotra.

Tena zavatra manan-danja izany tahaka ilay nohamafisina ao amin'ny Testamenta vaovao hoe :

Aza manota, aza manota, aza manota.

Notoherin'i Jesosy hatrany ny fahotana ary notoherin'i Jesosy hatrany ny tahotra. Nilaza tamintsika i Jesosy fa Andriamanitra ihany no tokony atahorantsika ary tsy misy afa-tsy Izy irery (Matio 10:28). Lesona lehibe tokony ianarantsika izany satria ny mpitarika ara-panahy dia tsy mahazo handray fanapahan-kevitra miorina amin'ny tahotra na oviana na oviana.

Ny Tenin'Andriamanitra anankiray koa izay nahantoko ao amin'ny efitrano fandraisam-bahiny nandritra ny taona maro dia ny Galatiana 1:10

Raha mbola mila sitraka aman'olona aho dia tsy mpanompon'i Kristy.

Raha mitady sitraka aman'olona ianao dia tsy ho mpanompon'ny Tompo velively mihitsy. Ary sahiko ny milaza aminao fa tsy mora ny miala amin'ny fitadiavana sitraka amin'olona.

Raha misy tahotra ao am-ponao hoe mety hanisy ratsy anao olona anankiray raha misy tsy mahafaly azy aminao, dia hanao izay hampifaly azy foana ianao. Ary amin'izany dia tsy ho mpanompon'Andriamanitra mihitsy ianao. Raha manao zavatra mifototra amin'ny tahotra ianao dia azo antoka fa ny devoly no mitarika anao fa tsy Andriamanitra.

Rehefa manao jery todika ny fiainantsika isika dia hahita fa nandray fanapahan-kevitra maro noho ny tahotra. Tamin'ireny fanapahan-kevitra rehetra ireny dia tsy Andriamanitra no nitarika antsika. Ny vokatra nateraky ny sasany tamin'ireny dia mety tsy nanimba zavatra loatra. Kanefa efa tsy azontsika izay tsara indrindra avy tamin'Andriamanitra. Tsy maintsy ovaintsika ny fomba famindrantsika any aoriana.

Voajanahary amintsika ny mahatsapa tahotra satria olombelona isika. Ohatra izao, ilay ianao vao tafapetraka iny no mahita bibilava tampoka eo anoloanao, mazava ho azy fa ho taitra mafy sy hitsamboatra ianao, ary hiakatra be ny tosi-drànao. Voajanahary izany. Kanefaaza miaina ao anaty tahotrahoe sao hahita bibilava ao ambanin'ny seza rehetra ipetrahanao na aiza na aiza !

Tsy mahazomiainaao anatin'ny tahotra olona koa isika.

Tsy mahazo mandray fanapahan-kevitra noho ny tahotra olona na noho ny tahotra an'i Satana isika. Ny fanapahan-kevitra rehetra raisintsika dia tsy maintsy miorina amin'ny tahotra an'Andriamanitra sy amin'ny finoana manontolo an'ilay Raintsika Izay any an-dantira. Amin'izay ihany vao azontsika antoka fa ny Fanahy Masina no mitarika antsika.

Ny Hebreo 13: 6 dia tena andininy manan-danja tokoa ho antsika rehetra izay manompo ny Tompo. Izao no voalaza ao :

Ka dia sahy manao isika hoe : Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon'ny olona atao amiko ?

Mino izany teny izany isika, hitondra fahefana lehibe tokoa ao amin'ny fiainantsika izany. Efa betsaka tamin'ny fahefana ara-panahy nananantsika no nesorin'i Satana satria matahotra olona isika na mitady sitraka aman'olona na mila doka aman'olona, na manamarin-tena eo imason'ny olona. Tsy maintsy esorintsika ho afaka tanteraka amintsika ireo toe-tsaina ireo.