WFTW Body: 

Hojerentsika ny mikasika ny fifamelana heloka. Tsy misy olona izay mandà ny tenany ka mbola mitana lolompo na otripo amin'ny hafa na tsy mamela heloka ny hafa. Ao anatin'ny fo mbola anjakan'ny nofo ihany no ahitana fo lentika.

Indray mandeha Jesosy dia nilaza fanoharana ny amin'ny mpanompo anankiray izay na dia navelan'ny tompony aza ny trosany be dia be dia tsy namela ny trosa kely nananany tamin'ny mpanompo namany izy. Rehefa nandre izany ilay tompony dia natolony ny mpampijaly ilay mpanompo tsy namindra fo tamin'ny namany. "Ary", hoy Jesosy"tahaka izany koa no hataon'ny Raiko izay any an-danitra aminareo, raha tsy mamela ny rahalahinareo amin'ny fonareo avy hianareo"(Matio 18:35). Na zavatra hafa aza ny andikan'ny olona ny hoe manolotra ho eo amin'ny mpampijaly mba hofaizina dia lazain'i Jesosy fa izany mihitsy no hitranga amin'ireo olona izay mihenahena tsy mety mamela heloka na mbola mitahiry fanahin'ny tsi-famelan-keloka amin'ny mpino namany. Mariho tsara izay antitranterin'i Jesosy eto fa ny famelan-keloka dia tsy maintsy atao amin'ny fo manontolo. Raha lazaina tsotra dia izao, tsy maintsy vokatry ny fo ny famelan-keloka fa tsy fombafomba ivelany fotsiny. Ny miteny amin'ilay olona hoe mamela anao aho dia tsy misy dikany raha mbola mitana alahelo ao am-ponao ianao.

Rehefa mandika ny lalànam-pitiavan'Andriamanitra isika dia manakana ny asan'ny Tenan'i Kristy. Kanefa tsy vitan'izay. Manimba ny tenantsika koa isika. Hoy ny Dokotera S.I. Mc Millen, masera tao amin'ny These Diseases : "Amin'ny fotoana izay hankahalako olona anankiray dia tonga andevon'iny olona iny ny tenako. Tsy mahita fifaliana intsony aho ao am-piasako, satria iny olona iny no manjaka ao an'eritreritro. Ny lolompo ao anatiko dia miteraka rarin-tsaina mampijaly ny vatako ary sasatra mafy aho raha vao miasa ora vitsy monja. Ny asa nahafinaritra ahy taloha dia efa lasa mandreraka ahy izao. Na dia ny fialan-tsasatra aza tsy manome fahafinaretana ahy intsony. Ilay olona ankahalaiko dia manenjika ahy na aiza na aiza alehako. Tsy afa-mandositra ny fihazonany mampijaly ao an-tsaiko aho.

Ny lolompo sy ny otripo miafina dia tsy ahitana fahombiazana, ary mety manimba mihitsy ny fahasalamana ara-batan'ireo kristiana maro sy mpitondra fivavahana kristiana maro eran'izao tontolo izao.

Nampianarin'i Jesosy fa tsy maintsy manao izay hihavanana amin'ny rahalahintsika isika rehefa mahatsapa izy (na amin'ny rariny na tsia) fa nandratra fo azy isika.

"Raha mitsangana mitondra ny fanatitrao ho an'Andriamanitra ianao, ary tampotampoka eo dia tsaroanao fa nisy namanao anankiray manana alahelo aminao, dia avelao eo anilan'ny alitara eo aloha ny fanatitrao ka mandehana mifona any amin'ilay namanao ary mihavàna aminy, dia miverena manatitra ny fanatitrao ho an'Andriamanitra". (Matio 5:23 - Baiboly TLB).

Dia toy izany koa ny nilazan'i Jesosy hoe :

"Raha mitsangana mivavaka hianareo, dia avelao aloha ny heloky ny olona izay anananareo alahelo, mba havelan'ny Rainareo izay any an-danitra koa ny helokareo" (Marka 11:25 - Baiboly TLB).

Isika dia nantsoin'i Jesosy handà ny tenantsika na inona na inona zava-mitranga, hampirina ny avonavontsika, sy "handeha lalana maily roa" mba hamitrana fihavanana tapaka na aiza na aiza. Indraindray na dia miezaka araka izay azo atao aza isika mitady fampihavanana, dia mety hisy rahalahy manamafy fo tsy manaiky mamela heloka, kanefa raha efa niezaka isika dia afaka adidy eo anatrehan'Andriamanitra.

Asehon'ny tenin'i Jesosy mazava tsara fa tsy eken'Andriamanitra ny fiderana na ny asa fanompoana ataontsika na inona na inona atolotsika Azy, raha misy olana eo amintsika sy ny olona mpikambana ao amin'ny Tenan'i Kristy, ka tsy nisy ezaka nataontsika hihavanana aminy. Indraindray aho dia manontany tena hoe : Firy amintsika kristiana no mandatsaka am-po izany teny izany ? Ny ankamaroan'ny olona dia manamaivana ny lalànan'Andriamanitra ary rehefa manao izany izy ireo dia mitondra fahafatesana ara-panahy ao anatin'ny Tenan'i Kristy.

Ny antony hafa koa hamelana heloka araka izay lazain'i Paoly amintsika dia mba hiarovana antsika tsy ho resin'ny fitak'i Satana (2Korintiana 2:11 - Baiboly TLB).