Andeha hojerentsika ity fanambarana tsotra anankiray ity "Hataoko mpanarato olona hianareo" (Matio 4:19). Iza moa no hanao anao ho mpanarato olona ? Kristy. Tsy misy olona afaka manao anao ho mpanarato olona. Afaka mankany amin'ny sekoly biblika mandritra ny taona maro ianao, kanefa tsy hanao anao ho mpanarato olona izany. Tsy hahatonga anao ho mpanarato olona na ny fianarana Baiboly, na ny fihainoana misionera mamporisika anao hanangan-tanana sy handroso eny aloha handohalika sy hanolotra ny fiainanao ho an'ny asan'Andriamanitra. Tsia. Raha te ho mpanarato olona ianao dia hoy ny Tompo "Manaraha Ahy". Tsy niteny akory Izy hoe "Mianara Baiboly" fa hoe "Manaraha Ahy".
Tsy nanana Baiboly Ireo kristiana tany am-boalohany. Ahoana no nahatongavan'izy ireo ho mpanarato olona ? Tamin'ny fanarahany an'i Jesosy. Tsy maintsy azontsika tsara izany. Marina fa tsy maintsy ianarantsika ny Soratra Masina, araka izay efa nianarantsika tany aloha "Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra" (Matio 4:4). Kanefa tsy azontsika atao sampy kely ny Baiboly. Aoka ianao tsy ho mpanompo Baiboly. Ny Baiboly dia natao hanampy antsika hanaraka bebe kokoa an'i Jesosy. Ampiasain'ny Fanahy Masina ny Tenin'Andriamanitra hanehoany amintsika ny voninahitr'i Jesosy Kristy. Ary ny fanarahana an'i Jesosy no lalana hahatongavantsika ho mpanarato olona. Jesosy Kristy mihitsy no manao anao ho tonga mpanarato olona fa tsy sekoly biblika fampihofanana misionera. Mety mampiasa olona Andriamanitra kanefa amin'ny farany dia Kristy no mitady fifandraisana manokana aminao ary Izy irery ihany no afaka manao anao ho mpanarato olona.
Inona moa no dikan'ny hoe mpanarato olona ? Ny mpanarato olona dia mitovy amin'ny mpanarato izay mankany an-dranomasina na any an-drenirano ka mandatsaka ny haratony hahazoana trondro ary mitondra ny trondro ho eny amoron-drano. Entiny avy any amin'ny toerana anankiray mankany amin'ny toerana anankiray izy ireny. Ny trondro dia tsy mahazo aina eny amin'ny tany maina. Ao anaty ranomasina no ahazoany aina. Ary ny mpanjono dia maka ny trondro avy any anaty rano ka mitondra azy ho eny an-tanety izay toerana hafa tanteraka tamin'ny nisy azy taloha.
Zava-dehibe ny ahatakarantsika fa izany dia tsy mitovy amin'ny mpisambotra liona na elefanta ka manidy azy ao anaty karakara vy, satria ny liona dia efa zatra niaina tety an-tany fa tsy tany anaty ranomasina. Fa rehefa manjono ianao dia alaina avy ao amin'ny tontolo anankiray ilay trondro ary afindra any amin'ny tontolo anakiray hafa tanteraka. Ny tany maina sy ny ranomasina dia tahaka ny mifanohitra. Koa ny tena mpanarato olona dia mandeha mankany amin'ny olona mbola milona ao anatin'ny ranon'izao tontolo izao ka maka azy ireny ary mitondra azy any amin'ny tontolo hafa tanteraka dia any amin'ny fanjakan'ny lanitra.
Raha tsy nalainao tao amin'ny fanjakan'ity tany ity ny olona anankiray ka nentinao any amin'ny fanjakan'ny lanitra dia tsy tena niala tao anaty rano ilay trondro. Angamba notehirizinao tao anaty harato fotsiny ilay trondro, kanefa mbola navelanao ho ao anaty rano foana izy fa mbola tsy nivoaka. Tsy mbola tena tonga mpanarato olona ianao. Mpanarato iza no mahazo trondro ao anaty haratony ka mamela azy ao anatin'ny rano ao izay mampahazo aina tsara ilay trondro ? Fa raha vao avoakanao ho ety an-tanety izy dia ho hitanao ny fihetsiny. Rehefa ety amin'ny an-tany maina izy dia miankapokapoka manao hoe "O rey olona, tsy mahazo aina anie aho e!".
Rehefa entina any amin'ny fanjakan'ny lanitra ny olona anankiray avy ao amin'ny fanjakan'ny tany dia mitovy amin'ny trondro anankiray izy izay mivoaka avy ao anaty rano ho eny an-tanety. Samy entina ho any amin'ny tontolo hafa tanteraka izy ireo. Ny Fanahy Masina no manao izay ahazoantsika aina ao amin'ny fanjakan'ny lanitra. Koa aza mihevitra ianao fa efa nahavita soa aman-tsara ny asanao ary efa tonga "mpanarato olona" satria nisy olona zato niteny hoe "Jesosy Tompo o, midira ato am-poko". Mampalahelo anefa fa izany no ataon'ny ankamaroan'ny mpino. Tsy mbola nosaintsaininy tsara ny tena dikan'ny hoe mpanarato olona satria olombelona na mpampianatra no nanao azy ireny ho mpanarato olona fa tsy Kristy! Raha te hanao anao ho mpanarato olona Kristy dia tsy maintsy mifototra amin'ny fitsipika izay efa notoriany teo amin'ny andininy roa talohan'io izany. "Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra". Tsy maintsy ampianarintsika hitodika any ivoho ireo "trondro" ireo mba hitady ny fanjakan'ny lanitra, izany hoe hiditra ao anaty tontolo anankiray samy hafa tanteraka tamin'ny tontolo nisy azy taloha.
Izany no ataon'ny mpanarato olona. Maka trondro ao anaty ranomasina izy dia mitondra ireny ho eny an-tanety, ary tsy maintsy alaintsika ao amin'ny fanjakan'ny tany ny olona hankao amin'ny fanjakan'ny lanitra. Tsy maintsy alaintsika ao amin'ny fanjakan'ny devoly ary ampidirina ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra ny olona raha te ho mpanarato olona marina isika. Jesosy irery ihany no afaka manao antsika ho mpanarato olona. Tsy misy olona hafa mahavita an'izany.
Tsy ny evanjelistra irery no mpanarato olona. Ampahany amin'ny asa fanaratoana ihany no ataon'ny evanjelistra. Ny mpaminany, ny apostoly, ny mpampianatra, ny mpiandry ary ny pastera dia tsy maintsy mamita ny asa mba hahazo aina ny olona ao amin'ny tontolo vaovao itoerany dia ny fanjakan'ny lanitra.
Ny asa fanaratoana feno dia ny maka olona anankiray hivoaka ny ranomasina ho eny an-tanety, izany hoe hivoaka ny fanjakan'ny tany mba ho any amin'ny fanjakan'ny lanitra. Ary ny fomba anaovana an'izany dia ny fanarahana an'i Kristy. Raha manaraka an'i Jesosy aho, dia izany no hataoko tahaka ny nanaovany izany koa.