WFTW Body: 

Vakiantsika ao amin'ny bokin'ny Mpitsara toko faha 6 fa natsangan'Andriamanitra i Gideona mba ho mpamonjy ny Isiraely. « Ary notsindrian'ny (na notafian'ny) Fanahin'i Jehovah Gideona » (Mpitsara 6:34) . Nanafy an'i Gideona tahaka ny lamba notafiany ny Fanahy Masina. Rehefa voatafy hery Gideona dia nitsoka ny anjomara ka nivoaka niady ary nampandresy azy Jehovah. Kanefa tsy naharitra tamin'ny fahatokiana an'i Jehovah i Gideona. Mampalahelo fa marobe ny olona tsara fiantombohana nefa tsy manam-paharetana toy izany. Efa nisy izany tao amin'ny fanekena taloha ary mbola misy amin'izao andro izao. Ary ny Zanak'Isiraely dia nangataka an'i Gideona mba hanapaka aminy, kanefa novaliany hoe « Tsy hanapaka anareo aho, tsy hanapaka anareo koa ny zanako, Jehovah ihany no hanapaka anareo » (Mpitsara 8:22-23) . Toa tenin'olona manam-panahy izany. Kanefa henoy ange izay nolazainy eo amin'ny andininy manaraka eo e. Hoy izy « Aoka samy hanome ahy kavina avy ianareo » (Mpitsara 8:24). Koa dia samy nanome ny kaviny avy ny olona ka nahangona kavim-bolamena nilanja sekely volamena 1.700 (20 kilao eo ho eo) Gideona, afa-tsy ny firavaka maro hafa sy ny lamba lafovidy (Mpitsara 8:26). Tao anatin'ny indray andro monja dia tonga mpanefoefo be Gideona. Tahaka ireo mpitory fivavahana maro izay tonga mpanefoefo be tamin'ny fanangonany ireo fahafolon-karena sy fanatitra ataon'ny mpiangona. Ary entiny mody any an-tranony avokoa ireny !!

Ny sasany tamin'ny volamena voangony dia nanamboaran'i Gideona efoda. Ary tonga sampy nivavahan'ny Isiraely rehetra io efoda io (Mpitsara 8:27). Dia izany no fomba nampiverin-dalana ity lehilahy mahery ity. Ny tena zava-dehibe dia ny fomba amaranan'ny olona ny fiainany fa tsy ny fomba nanombohany azy akory. Ny loka amin'ny fihazakazahana rehetra dia azon'ireo izay namarana tsara fa tsy ho an'ireo izay nanomboka tsara ny fihazakazahana (1 Kor. 9:24). Ny Tompo dia efa nandidy antsika hoe « hevero ny niafaran'ny fiainany » (Hebreo 13:7). Maro tamin'ny mpitory fivavahana tena nampiasain'Andriamanitra tamin'ny nanombohany no niverin-dalana tahaka an'i Gideona aty aoriana. Ary namarana ny fiainany tamin'ny fanenjehana vola aman-karena izy ireny !! Rehefa niala tamin'ireny olona ireny ny hosotra, dia fanangonana volamena sy kavina ho an'ny zanany no nandaniany ny androny sisa ! Mamelà ahy hiteny amin'ireo olona izay efa nanomboka tsara : mandraisa lesona avy amin'ny fiainan'i Gideona fandrao hihatra aminareo koa izay nihatra taminy. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy mamôna ianareo.

Ao amin'ny Mpitsara 13, dia hitantsika fa natao mpanavotra mahery tokoa i Samsona. Kanefa dia nandevozin'ny filàny sy ny faniriany izy. Izao no lazain'i Paoly ao amin'ny 1 Korintiana 9:27 « fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin'ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako » . Izao no andikan'ny Baiboly Living izany andininy izany : « tereko ny tenako hanao izay tokony ataony fa tsy hanao izay tiany atao akory ». Midika izany fa tsy maintsy ampanekentsika ny tenantsika hihinana izay tokony hohaniny fa tsy izay tiany hohanina ; hatory mandritra ny fotoana tokony hatoriany, fa tsy mandritra ny fotoana izay tiany atoriana. Tsy maintsy fehezintsika ny masontsika mba tsy hijery afa-tsy any amin'izay tokony hojereny fa tsy any amin'izay tiany jerena. Tsy maintsy fehezintsika ny lelantsika mba hiteny izay tokony hoteneniny fa tsy izay tiany tenenina. Raha tsy fehezintsika ny fanirian'ny tenantsika, dia horoahin'ny Tompo isika amin'ny andro farany na dia mahatalanjona aza ny toritenintsika. Noho izany dia iankinan-javatra maro ny fifehezan-tenantsika amin'ireo fanirian'ny nofo. Izany no hafatra raisintsika avy amin'ny tantaram-piainan'i Samsona izay nomena asa fanompoana nahatalanjona sy nitahiana vahoaka marobe. Tamin'ny farany anefa dia nolavina izy. Maro dia maro ireo mpitory fivavahana no lavo, voafandriky ny vehivavy tsara tarehy. Aoka isika tsy ho sodokan'ny fanomezam-pahasoavan'ireny mpitory ireny na ny halehiben'ny ministerany !! Ny mpitondra fivavahana lavon'ny fahotana dia ratsy lavitra noho ny mpino tsotra izay lavo, na mitovy ihany aza ny fahotana. Fa izay nomena be, dia be koa no ho tadiavina aminy. Raha toa ka mampiahiahy ny fifandraisanao amin'ny lehilahy raha vehivavy ianao na ny fifandraisanao amin'ny vehivavy raha lehilahy ianao, dia aza manala baraka an'Andriamanitra amin'ny fitadiavanao toerana ho tonga loholona na mpitondra fiangonana. Aza mamitaka ny mpiangona hihevitra anao ho olon'Andriamanitra manana fahamasianana. Kanefa ianao dia olona mivelona ao anaty fahotana. Indray andro any dia hahariharin'Andriamanitra ampahibemaso ny momba anao raha tohizanao izany fomba fiainanao izany. Mety hihevitra ny tenanao ho marani-tsaina ianao ka hahavita hanafina ny fahotanao. Kanefa tsy maha-marani-tsaina anao Andriamanitra. Vao mainka aza hahariharin'Andriamanitra kokoa mihoatra noho izay efa nataony hatramin'izay ny momba anao.

Ao amin'ny Mpitsara 16, no amakiantsika ny fomba nampiala ny herin'i Samsona sy nahajamba ny masony anankiroa. Rehefa mandeha manenjika vehivavy ny mpitory fivavahana iray dia izao no zavatra hitranga : Ho very ny fahitany ara-panahy. Tsy tena hazava tsara intsony ny fahitany. Mety ho ara-pilazantsara ihany ny fampianarana omeny ary mbola hahay mandaha-teny izy rehefa mitory. Kanefa ny fahitany ara-panahy dia efa niala taminy. Samsona dia lasa andevo. Kanefa deraina Andriamanitra, fa mbola nisy fiaiken-keloka ihany tao anatiny talohan'ny niafaran'ny fiainany. Nibebaka izy ary tamin'ny farany dia nahafaty Filistina marobe Samsona teo amin'ny nahafatesany (Mpitsara 16:23-31). Ny tantaran'i Samsona ao amin'ny Mpitsara toko 13 hatramin'ny 16, dia tantara-na liona anankiroa : liona tety ivelany ny anankiray ary liona tao anatin'ny fony ny anankiray. Vitany ny namono nahafaty ilay liona tety ivelany fa tsy vitany kosa ny nandresy ilay liona tao anatiny. Izany dia mampianatra antsika fa ny lionan'ny filàn'ny nofo dia mahery lavitra sy tokony atahorana lavitra noho izay mety ho liona ety ivelany. Inona moa no ataonao raha misy liona mihazakazaka mankany aminao ao anaty ala ? Hiodina ianao dia hirifatra handositra. Izany koa ve no ataonao rehefa misy lionan'ny filàn'ny nofo tamy manatona anao ? Ny Baiboly dia mananatra antsika hoe « mandosira ny fijangajangana » (1 Korintiana 6:18). Izay ihany no fomba tokana handresentsika ny fijangajangana. Aza mba manatona akaiky ny fakam-panahy tahaka izany mihitsy. Aza manatona akaiky izay vehivavy mitady haka fanahy anao mihitsy. Alaviro ny vehivavy jejojejo tahaka ny hanalaviranao liona noana. Samsona dia niaina tao ambanin'ny fanekena taloha. Noho izany dia tsy misy olona amin'izao androntsika izao afaka hampiasa ny oha-piainan'i Samsona mba hanalany tsiny ny tenany rehefa lavon'ny fijangajangana izy. Samsona tsy nanana ny Testamenta vaovao satria niaina talohan'ny hazo fijaliana tao Kalvary izy, tsy nanana an'i Jesosy tahaka antsika ankehitriny izy, mba hotahafina. Ary ambonin'izany rehetra izany, tsy afaka nandray ny Fanahy Masina amin'ny maha-Mpanampy monina ao anaty Azy izy, izay azontsika raisina. Ny lalana mankany any amin'ny fitoerana masina indrindra izay ananana firaisana amin'ny Ray dia tsy mbola nisokatra tamin'ny androny. Tsy nanana ny fahasoavan'ny fiombonana masina koa Samsona. Izany rehetra izany dia efa ananantsika ankehitriny. Noho izany dia tsy misy fialan-tsiny intsony mbola hivelomantsika ao anaty fahotana.