WFTW Body: 

Ao amin'ny 2 Korintiana 7:1 dia didiana isika hahatanteraka ny fahamasinana amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra. Noho izany, raha toa ny fahamasinanao androany tsy tanteraka kokoa noho ny fahamasinanao tamin'ny taona lasa, dia porofo izany fa tsy ampy ny fahatahoranao an'Andriamanitra. Tokony hifanampy isika loholona rehetra amin'ity resaka ity satria isika no mpitandrina ny rahalahantsika. Izany no antony anendren'Andriamanitra loholona mihoatra noho ny iray ny isany isam-piangonana. Ny Hebreo 3:13 dia manasa antsika hifananatra isan'andro, fandrao hisy amintsika ho tonga mafy fo noho ny famitahan'ny ota. Koa afaka mifanampy amin'ny alalan'izany isika tsirairay avy mba tsy hisy ho tratry ny famitahana.

Vakiantsika ao amin'ny Isaia 11:3 fa ny Fanahin'Andriamanitra no nahatonga an'i Jesosy ho " mora mankamamy fahatahorana an'Andriamanitra". Ny Fanahy Masina dia mahay manao antsika ho mora mankamamy fahatahorana an'Andriamanitra koa, raha avelantsika hanao izany Izy. Raha tena feno ny Fanahy Masina tokoa isika dia ho feno fahatahorana an'Andriamanitra. Andriamanitra dia miandany amintsika mandrakariva, ary dodona kokoa noho isika aza Izy hameno antsika amin'ny Fanahy Masina. Afaka manao asa lehibe amin'ny alalantsika rehetra Izy, na dia ao avokoa aza ny fahalementsika. Ny zavatra tokony ataontsika fotsiny dia ny manetry tena sy ny mitady ny tavan'Andriamanitra lalandava. Andriamanitra dia miandany amintsika foana mba hiady amin'ny nofontsika sy hiady amin'ny devoly .

Izao vanim-potoana iainantsika izao dia vanim-potoana itorian'ny olona Jesosy hafa (izay tsy manery ny olona ho tonga mpianatra) eo anivon'ny kristiana, sy andraisan'ny olona fanahy hafa (izay manome fanomezam-pahasoavana hosoka kanefa tsy manamasina ny olona), ary itorian'ny olona filazantsara hafa (filazantsaran'ny fahasalamana sy ny harena) (2Kor. 11:4). Koa tsy maintsy mahatoky isika amin'izao androntsika izao mba hanandratra an'ilay Jesosy Tena izy , sy ny Fanahy Masina ary ny filazantsaran'ny fahasoavan'Andriamanitra.

Fifonana tsy asiana fanamarinan-tena :

Raha toa isika ka tsy torotoro fo sy mangorakoraka ary malahelo am-panahy dia malaina (na misalasala) hifona amin'ny fanetrentena feno, raha vao fantatsika fa nisy zavatra tsy nety nataontsika.

Ny teny folo sarotra tenenina indrindra ho an'ny ankamaroan'ny olona dia ny hoe " Mifona aminao aho. Izaho no diso. Azafady mba mamelà ahy ".

Ny fanahy tsy mbola torotoro ihany koa dia mahatonga antsikahanamarin-tena rehefa mifona. Kanefa ny fifonana dia tsy fifonana raha ampiarahina amin'ny fanamarinan-tena. Raha misy na dia fofompofona fanamarinan-tena fotsiny aza ao anatin'ny fifonana izay ataontsika dia azo antoka fa tsy mbola torotoro isika. Nolazain'i Jesosy fa ny fanamarinan-tena dia marika famantarana ny Fariseo (Lioka 16:15). Raha vao mahatsapa isika fa misy zavatra tsy mety nataontsika dia tsy maintsy miaiky an'izany avy hatrany ary manitsy an'izany avy hatrany. Tsy mampaninona ny olona torotoro fo ny manao an'izany. Ny olona tsy mbola voatorotoro kosa dia hitaredretra amin'ny fanaovana ireo zavatra anankiroa ireo. Ary na dia mifona ihany aza izy dia omeny tsiny koa ny hafa. Rehefa nanota i Adama dia nanaiky izy fa nihinana tamin'ny voankazo nandrarana azy, kanefa nanamarin-tena izy niteny hoe ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo . Tahaka izany no nanomezany tsiny ny vadiny ary koa nanomezanay tsiny an'Andriamanitra izay nanome azy vady tahaka izany ! Tsy izany no fomba fibebahana amin'ny fahotana na amin'ny fahadisoana.

Mba mariho anefa ny fomba niaiken'i Davida ny fahotany ao amin'ny Salamo 51. Tsy misy na dia fofompofona fanamarinan-tena akory aza hitantsika ao. Izany no marika famantarana ny olona tena efa torotoro fo. Mamporisika anao aho hisaintsaina ny Salamo 51 manontolo ary miezaha hamantatra avy amin'ny Tompo ny tena dikan'ny hoe torotoro sy ny fomba tokony hibebahanao amin'ny fahotanao. Ankoatr'izany, mba hanamarinanao ny tenanao dia mety handainga mihitsy aza ianao. Mety ho lainga kely, mety ho fampitomboana na fanafenana ny zavaniseho sasany mba tsy hisehoanao ho ratsy. Mora ny mandainga indray mandeha, kanefa sarotra ny tsy mandainga afa-tsy indray mandeha , satria rehefa avy nilaza lainga anankiray ianao dia voatery milaza lainga maro hafa mba hanamarinanao ilay lainga voalohany. Tsy maintsy ankahalaintsika ny lainga, ary tsy maintsy tiavintsika amin'ny fontsika manontolo ny marina.

Raha tsy izany dia ho very ny hosotra sy ny fahafahampon'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika, ary izany no fatiantoka lehibe indrindra azontsika zakaina.

Rehefa mahita fireharehana eo amintsika Andriamanitra dia tsy maintsy habaribary sy fongorana izany ka havelan'Andriamanitra hisy fisehoan-javatra kely mety hahatafintohina ka hahalavo antsika (JereoEzekiela 3:20 "... ary mametraka fahatafintohinana eo anoloany Aho"). Ary rehefa lavo isika dia mizaha toetra antsika ny Tompo mba hahitany raha toa isika ka (1) miaiky ilay fireharehantsika, izay nampahalavo antsika, (2) miaiky ny fahotantsika, (3) manetry tena eo anatrehany, (4) mamitrana ny fihavanantsika amin'ny olona. Fa raha mba mamantatra ny tenantsika isika dia tsy mba hotsaraina. Fa raha manamarin-tena kosa isika ka tsy hety torotoro mihitsy dia hohelohiha miaraka amin'izao tontolo izao indray andro any (1Kor.11:31,32).