WFTW Body: 

Abrahama dia " nampaherezin'ny finoana ka nanome voninahitra an'Andriamanitra, ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy atao koa " (Rom. 4:20,21).

Isika koa dia manome voninahitra lehibe an'Andriamanitra rehefa matoky Azy ao anaty toe-javatra mihitsoka tsy misy azo atao intsony. Fantatsika fa tsy misy olana izay tsy hain'Andriamanitra vahàna. Hainy ny mamaha ny olana rehetra izay foronin'i Satana, na aiza na aiza. Na dia ny fon'ny filoham-pirenena aza dia eo an-tànan'Andriamanitra, ary tarihiny any amin'izay hahasoa antsika (Oha. 21:1).

Koa tsy maintsy matoky an'Andriamanitra mandrakariva isika, na inona na inona mitranga, ary tsy maintsy manambara ny finoantsika fa Andriamanitra dia hanorotoro an'i Satana ao ambany tongotsika. Ary dia horesintsika i Satana, na inona ataony na inona. Teo amin'ny fiainako mihitsy no efa nahitako ny fahatanterahan'izany hatrany hatrany.

Koa satria tian'Andriamanitra omena fampianarana ara-panahy isika eto ambonin'ny tany, dia tokony hanampo isika fa hihasarotra hatrany ireo olantsika arakaraky ny fandrosoan'ny fotoana, tahaka ny any an-tsekoly ihany, mihasarotra hatrany ny laza adina matematika arakaraka ny isondrotrana kilasy. Kanefa tsy tokony haniry ny hidina kilasy velively isika, satria tsy te hiatrika laza adina sarotra fotsiny ! Dia tahaka izany koa, tsy tokony hahagaga antsika raha avelan'Andriamanitra hiatrika toe-javatra sarotra kokoa hatrany isika rehefa mitombo amin'ny fahasoavana. Amin'izany no hahatongavantsika ho mahery kokoa, ho sahy kokoa ary ho kristiana matoky kokoa.

Na rahoviana na rahoviana dia aoka hitandrina isika mba tsy hanameloka antsika ny eritreritsika na amin'ny inona na amin'ny inona. Amin'izay ihany vao hanana fahasahiana hanatona an'Andriamanitra isika ( 1 Jaona 3:21,22) sy hangataka Aminy mba hamaha ny olantsika. Ny atao hoe mangataka fahendrena amin'Andriamanitra ao anaty fizahan-toetra (Jereo Jak. 1:1-7), dia mangataka Aminy ny vahaolana hamahana ny olana rehetra tsirairay izay mianjady amintsika. Ary satria manana ny vahaolana amin'ny olana rehetra tsirairay Andriamanitra, dia lazain'i Jakoba fa tsy maintsy ataontsika ho fifaliana raha iharan'ny fakam-panahy samy hafa isika, satria ahazoantsika traikefa vaovao miaraka amin'Andriamanitra izany, azontsika eo am-pamahany ny olantsika.

Indroa ihany ao amin'ny Baiboly no amakiantsika ny teny hoe " gaga Jesosy", indray mandeha rehefa nahita finoana Izy, ary indray mandeha rehefa nahita tsi-finoana Izy. Rehefa niteny ilay kapiteny romana fa mila miteny fotsiny i Jesosy dia ho sitrana ny ankizilahiny (izay tany amin'ny kilaometatra maro), dia gaga Jesosy noho ny finoany (Matio 8:10). Dia avy eo rehefa tonga tany amin'ny taniny Jesosy, ka tsy nino azy ny mponina tao, dia gaga Jesosy noho ny tsi-finoany (Marka 6:6). Ilay kapiteny dia lehilahy be fanetren-tena tokoa ka izany no antony nitenenany tamin'ny Tompo fa tsy mendrika hidiran'i Jesosy akory ao an-tranony.

Nisy vehivavy Kananita anankiray koa niangavy tamin'ny Tompo indray mandeha mba hanasitrana ny zanani-vavy (izay tany amin'ny kilaometatra maro), ary noderain'i Jesosy fatratra ravehivavy noho ny finoany (Matio 15:28 ). Rehefa nanao fanoharana momba ny amboakely tsy azo omena ny mofon'ny zaza i Jesosy, dia neken-dravehivavy avy hatrany tamim-panetren-tena izany toeran'ny amboa eo an-tongotry ny latabatra izany. Tsy tezitra izy. Misy zavatra anankiray ikambanan'ireo tantara anankiroa ireo : misy fifandraisana akaiky dia akaiky eo amin'ny fanetren-tena sy ny finoana. Rehefa be fanetren-tena isika, dia mihena ny fahatokisan-tenantsika, mihena koa ny hambontsika noho ny fahaizana sy ny zava-bita, ary dia miha-lehibe ny finoantsika. Rehefa be fireharehana antsika, dia miha-kely ny finoantsika. Tokony ho tsapantsika hatrany foana fa tsy mendrika ny hijoro eo anatrehan'ny Tompo isika. Ny fahasoavan-dehiben'Andriamanitra no ahafahantsika mijoro eo anatrehany. Aza atao ambanin-javatra mihitsy izany. Noho izany, katsaho amin'ny fonao manontolo ny fanetren-tena.