WFTW Body: 

Ny anankiray amin'ny teny fampanantenana farany ao amin'ny epistily dia izao : ny Tompo dia "MAHARO antsika mba tsy ho tafintohina" ( Joda 24). Marina izany, ny Tompo dia azo antoka fa mahay miaro antsika tsy ho tafintohina. Saingy raha tsy atolotsika manontolo ho Azy ny tenantsika, dia tsy hahavita hiaro antsika tsy ho tafintohina Izy, satria tsy manery na iza na iza hanaiky ny sitrapony ny Tompo.

Amin'ny maha-mpino antsika, ny fifandraisantsika amin'i Kristy dia oharina amin'ny fofombady virjiny anankiray miandry ny fampakaram-badiny (2 Kor.11:2; Apok.19:7). Ao amin'ny andininy manarakaraka an'io ( 2 Kor.11:3) no ilazan'i Paoly fa matahotra izy fandrao hofitahin'i Satana isika ary hesorin'i Satana ny firaiketam-pontsika amin'i Kristy, tahaka ny namitahan'i Satana an'i Eva. Eva dia tao am-paradisa ary voafitak'i Satana izy dia noroahin'Andriamanitra hiala tao. Ankehitriny, isika "fofombadin'i" Kristy dia mizotra mankany amin'ny paradisa. Kanefa raha manaiky fitahin'i Satana isika dia tsy hiditra ao amin'ny paradisa mihitsy.

Raha mijangajanga amin'izao tontolo izao sy amin'ny fahotana ny ampakarina, dia handà tsy hanambady azy ny mpampakatra. Io ilay fiangonana vehivavy janga nantsoina hoe Babylona (ao amin'ny Apokalipsy toko faha 17), izay holavin'ny Tompo amin'ny farany.

Raha tianao ny Tompo dia tehirizinao ho madio ny tenanao na dia hitanao aza ny mpino manodidina anao fa mijangajanga miaraka amin'izao tontolo izao sy miaraka amin'ny fahotana. Nampitandrina antsika Jesosy fa amin'ny andro farany dia "hihamangatsiaka ny fitiavan'ny maro" (mazava be fa ny mpino no lazain'io teny io satria ny mpino ihany no tia ny Tompo). Kanefaizay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena. ( Mat.24:11-13).

Satana dia te hamitaka antsika rehetra. Saingy mampitandrina ny Baiboly fa Andriamanitra dia mamela antsika hofitahina, "mba hinoantsika ny lainga", RAHA toa isika ka "tsy mandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena antsika" ( 2 Tes.2:10,11).

Raha manaiky ny fahamarinana voasoratra ao anatin'ny Tenin'Andriamanitra isika, ary koa raha manaiky ny fahamarinana asehon'ny Fanahy Masina ny amin'ireo fahotana eo amin'ny fiainantsika, ka maniry mafy ho voavonjy amin'ireny fahotana REHETRA ireny, dia tsy ho voafitaka mihitsy isika.

Fa raha tsy manaiky izay voasoratra mazava ao amin'ny Tenin'Andriamanitra isika, ary raha tsy maniry ny ho voavonjy amin'ny fahotana, dia avelan'Andriamanitra hofitahina isika sy hino lainga, tsy amin'ity resaka "fiarovana mandrakizay" ity ihany fa amin'ny sehatra hafa rehetra koa.

Izao no fehin'izany rehetra izany :

Isika tia ny Tompo satria Izy efa tia antsika taloha ary satria efa navelany avokoa ny fahotantsika. Koa noho ny fahasoavany, dia ataontsika madio ny eritreritsika amin'ny fotoana rehetra ary ho tia Azy sy hanara-dia Azy hatramin'ny farany isika, dia hanana fiarovana mandrakizay.

Ny mpianatr'i Jesosy rehetra izay manaraka Azy dia tsy hanana ahiahy mandrakizay.

Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo (1 Kor. 10:12).

Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino