WFTW Body: 

Ankehitriny isika dia miaina ao amin'ny andron'ny famitahana lehibe sy ao anatin'ny vanin'andro izay efa nampitandreman'i Jesosy antsika hoe hihamangatsiaka ny fitiavan'ny maro ary ny olona hamadika ny namany (ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny). Noho izany dia tsy ampy fotsiny ny hoe miaritra am-pitiavana ny olona rehetra, fa tsy maintsy manam-pahendrena koa isika ka manalavitra an'ireo olona izay lian'ady sy fifandirana.

Amin'ny maha-kristiana antsika dia tsy mahazo manisy ratsy na iza na iza isika ary tsy mahazo miady aman'olona. Saingy tsy maintsy ahariharintsika kosa ny fampianaran-diso.

Tsy maintsy "sokafantsika ny vavantsika hisolo ireo izay tsy maharo-tena ary hanome rariny ny ory sy ny malahelo" (Ohab. 31:8,9). Davida dia nivavaka mba hakorotan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny hevitra ataon'i Ahitofela ny ao an-tobin'i Absaloma mpiodina, (2Sam.15:31) dia novalian'Andriamanitra ny vavaka nataon'i Davida (2Sam.17:23). Jesosy dia nivavaka mba havelan'ny Rainy ny helok'ireo izay nanisy ratsy Azy. Kanefa nomelohiny tsy nisy antra kosa ireo izay nanisy ratsy ny hafa (jereo ny fanamelohany an'ireo Fariseo ao amin'ny Matio 23 ).

Ary izao dia misy teny kely mikasika ny fanoharana ny amin'ireo virjiny hendry.

Rehefa avy mandre fanazavan-kevitra anankiray mikasika ny fanoharana anankiray isika, dia mora foana amin'ny saintsika ny mifikitra mafy amin'izay fanazavan-kevitra izay ka tsy afaka manome hevitra hafa mikasika an'io intsony ny Tompo. Fotoana vitsy lasa izay dia nitady ny tavan'ny Tompo aho hanesorany amiko izany famikirana mafy izany mba hahatakarako tsara ny hevitry ny fanoharana tamin'ny fotoana nanoratana azy, izay foana mantsy no fomba tsara indrindra hanazavana ny hevitry ny fanoharana.

Ao amin'ny Matio 24:12 dia nilaza i Jesosy fa amin'ny andro farany dia hihalevona ny fitiavan'ny maro, fa izay maharitra hatramin'ny farany (izay tsy levona ny fitiavany) no hovonjena (na hiditra ao an-tranon'Andriamanitra) (Mat.24:13). Avy eo dia niresaka ny fanoharana ny amin'ireo virjiny Izy, ao ireo dimy izay levona ny fitiavany ary ao ireo dimy izay naharitra hatramin'ny farany ka niditra tao an-trano (Matio 25). Koa ny hevitra anankiray andikana ny solika resahiny eto dia tsy maintsy hoefitiavan'Andriamanitra nomena antsika tamin'ny Fanahy Masina. Koa tsy maintsy maharitra hatramin'ny farany ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra isika raha te hiditra ny tranon'Andriamanitra rehefa tonga ny Mpampakatra. Izany no dikan'ny hoe manana "solika fitaiza" izay hampirehetana ny jirontsika hatramin'ny farany.

Hoy Jesosy "Mankahala Ahy tsy ahoan-tsy ahoana ireo" (Jaona 15:25). Ho setrin'izany anefa dia tia azy ireo tsy ahoan-tsy ahoana i Jesosy. Andeha isika hanaraka ny ohatra nasehony ka hitia hatramin'ny farany. Raha tsy izany, ilay hoe "maty ho an'ny tenantsika" dia ho tonga fampianarana poak'aty, tahaka ny efa maha-poak'aty izany amin'ireo olona maro izay mitory an'izany. Hitako fa "mpino" marobe miresaka momba ny lalan'ny hazo fijaliana no tsy vitan'ny hoe tsy ampy fitiavana fotsiny, fa tsy manana ny fahamendrehana sy ny fahalalam-pomba ananan'ny olon-tsotra akory. Mirehareha amin'izay antsoiny hoe "fampianarana madio" izy ireo kanefa ny fiainany dia maimbo. Raha tena madio tokoa ny fampianarana arahintsika dia hamirapiratra avy eo amin'ny fiainantsika ny hanitry ny fitiavan'i Kristy.

Indray mandeha i Stephen Grellet, misionera Quaker tamin'ny taon-jato faha-19 dia niteny hoe "Tsy manampo handalo eto amin'ity izao tontolo izao ity afa-tsy indray mandeha monja aho. Ny soa rehetra azoko atao, na ny hatsaram-panahy rehetra azoko haseho amin'ny mpiara-belona amiko rehetra, dia aleo ataoko izao dieny izao avokoa. Aleo tsy hahemotro na hataoko tsirambina izany, satria tsy handalo fanindroany eto amin'izao lalana alehako izao aho".

Mamelà ahy hamporisika anao hanaraka izany torohevitra izany.