WFTW Body: 

Ny Hebreo 1:9 dia andinin-tsoratra masina izay maneho ny fomba niainan'i Jesosy ny maha-olona Azy tety an-tany : « Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka. Koa Andriamanitra dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana Anao mihoatra noho ny namanao ».

Rehefa niaina tety an-tany Jesosy, dia nanana ny fahalemena rehetra ananantsika olombelona Izy. Noho izany dia nila hosotra Izy. Andriamanitra Ray dia tsy mila hosotra. Jesosy koa dia tsy nila hosotra fony Izy nitoetra tany an-danitra. Fa rehefa niaina tety ambonin'ny tany kosa Izy, dia tsy maintsy nomena hosotra mba ho tonga modelintsika. Eto amin'ity andininy ao amin'ny Hebreo ity dia ambara amintsika ny antony nanosoran'Andriamanitra an'i Jesosy tamin'ny diloilo fifaliana (diloilon-karavoana) mihoatra noho isika rehetra, izay namany. Ny tena antony dia tokana ihany : Tia ny fahamarinana Izy ary nankahala ny heloka. Tia ny fahadiovana Izy ary nankahala ny fahotana.

Samy hafa ny hoe manao ny marina sy ny hoe tia ny fahamarinana. Ny ankizy dia mety mankato ny rainy na dia tsy tia mankato aza. Tsy nanao ny marina fotsiny Jesosy fa nitia ny fahamarinana koa Izy. Dia tahaka izany koa, tsy nanalavitra ny ota fotsiny Jesosy fa nankahala ny ota mihitsy Izy.

Ny Sida dia anisan'ny aretina mahafaty izay mahavoa ny olona ankehitriny avy amin'ny fahotan'ny firaisana ara-nofo. Noho izany dia maro ny olona no tsy mijangajanga satria matahotra ny ho tratry ny aretina Sida. Tsy mankahala ny fijangajangana izy ireo fa matahotra ny ho voan'ny Sida fotsiny. Dia toy izany koa, maro ny olona no tsy mangalatra satria matahotra ny ho tratra, fa tsy noho izy mankahala ny halatra tsy akory. Mitovy amin'izany ihany, mety misy fahotana alavirinao kanefa tsy hankahalainao.

Saingy raha tianao kosa ny ho voahoso-diloilo fifaliana, dia tsy maintsy tia ny fahamarinana ianao ary mankahala ny fahotana. Voalaza eto fa izany no antony nanosorana an'i Jesosy diloilo fifaliana mihoatra ny namany rehetra.

Andriamanitra dia tsy mba mizaha tavan'olona. Ny raim-pianakaviana mendrika dia tsy miangatra ny zanany lahimatoa miohatra amin'ireo zanany hafa sisa, satria tsy mizaha tavan'olona izy. Izay ataony amin'ny zanany lahimatoa dia ataony amin'ireo zanany hafa rehetra koa. Andriamanitra Ray koa dia tahaka izany. Jesosy dia nantsoina hoe Lahimatoa amin'ny rahalahy maro. Isika izay efa nateraka indray no zandriny. Jesosy no Zanaka lahimatoa. Ary satria tsy mizaha tavan'olona Andriamanitra dia hataony amintsika izay rehetra nataony tamin'ny Zanany lahimatoa, dia Jesosy. Na inona na inona nataon'Andriamanitra tamin'i Jesosy, dia hataony amiko koa, raha toa aho ka mameno ny fepetra mitovy tamin'ny an'i Jesosy. Izany dia anisan'ny fahamarinana lehibe izay hitantsika rehefa mazava amintsika ny amin'ny maha-olombelona an'i Kristy.

Fa raha izao kosa no voasoratra : nohosorana diloilo fifaliana Jesosy satria Zanak'Andriamanitra Izy, dia tsy ho nampahery na ho namporisika antsika akory izany. Fa raha vakiantsika kosa fa nohosorana Izy satria nitia ny fahamarinana sy nankahala ny heloka, dia manome fanantenana izany fa azontsika atao koa ny ho tonga voahosotra tahaka Azy, raha tia ny fahamarinana sy mankahala ny heloka isika. Noho izany dia mila mivavaka isika manao hoe « Tompo ô, miasà ao am-poko, amin'ny alalan'ny Fanahy Masina, mba tsy hanaovako ny marina fotsiny fa hitiavako ny fahamarinana mihitsy, ary mba tsy hialàko amin'ny fahotana fotsiny fa mba hankahalako ny fahotana».

Arakaraky ny itiavantsika bebe kokoa ny fahamarinana no hankahalantsika bebe kokoa ny fahotana eo amin'ny fiainantsika, sy hamenoana antsika bebe kokoa amin'ny fifalian'ny Fanahy Masina. Ny fanjakan'Andriamanitra, izay fahamarinana sy fifaliana ao amin'ny Fanahy Masina, dia ho tonga ka hameno ny fontsika (Romana 14:17). Dia ho vitantsika amin'izay ny hankato ilay didy manao hoe « mifalia MANDRAKARIVA amin'ny Tompo » ( Filipiana 4:4).