written_by :   Zac Poonen categories :   Mahalala an’Andriamanitra
WFTW Body: 

Tamin'ilay fakam-panahy faharoa tany an'efitra dia hoy Satana tamin'i Jesosy "Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, nahoana ianao no tsy mianjera any ambany any avy ety an-tampon'ny tempoly ary nahoana no tsy takianao ny teny fampanantenan'Andriamanitra" (Matio 4:6).Notaterin'i Satana mihitsy aza ny Salamo 91 hoe "Izy handidy ny anjeliny ny aminao ; ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, fandrao tafintohina amin'ny vato ny tongotrao ".

Novalian'i Jesosy ao amin'ny Matio 4:7 hoe "Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao". Tena fitsipika anankiray lehibe tokony arahina tokoa izany. Ahoana moa ny fampiharana an'izany eo amin'ny fiainana andavanandro ? Teto ny fakam-panahy nahazo an'i Jesosy dia ny hitsambikina avy teny an-tampon'ny tempoly sy hitaky ilay teny fampanantenana ao amin'ny Salamo faha 91 ary hianjera tsy maratra eny amin'ny kianjan'ny tempoly mba ho hitan'ny olona ka hampihoraka ny olona hoe "Adray, izany ka tena olon'Andriamanitra : Jereo ange izany finoany e, jereo ny fahasahiany nitaky teny fikasana ka tsy naratra akory izy". Dia novalian'i Jesosy hoe "Tsy haka fanahy an'Andriamanitra tahaka izany aho". Efa nisy tohatra natao hidinana avy ety ambony tempoly ka inona no tokony hitsambikinana. Matoa Jesosy nandà dia midika izany fa isika koa dia tokony hampiasa ny fitaovana efa napetrak'Andriamanitra. Tsy tokony haka fanahy Azy isika ka hangataka an'Andriamanitra hanao zava-mahatalanjona.

Ohatra anankiray amin'izany ao amin'ny Asan'ny Apostoly 8:39. Vakiantsika ao fa rehefa avy nitory tamin'ilay tandapa i Filipo dia nofaohin'ny Fanahy Masina nentiny tany amin'ny toerana anankiray antsoina hoe Azota. Nampamakivakian'ny Fanahy Masina habakabaka izy tahaka ny ataon'ny angidimby ankehitriny. Kanefa raha te handeha any amin'ny toerana anankiray ianao ka mangataka amin'Andriamanitra hoe "Mba ataovy amiko izany Tompo", dia maka fanahy an'Andriamanitra ianao. Raha efa nampisy fiara fitaterana sy fiarandalamby sy mobilety ary fiaramanidina Andriamanitra dia nahoana isika no hangataka amin'ny Fanahy Masina hibata antsika ?

Ny fomba anankiray hakan'ny olona fanahy an'Andriamanitra koa dia izao, mitaky teny fampanantenana anankiray izy mba hahafahany mijoro vavolombelona aorian'izany hoe nanao zava-mahagaga ho ahy Andriamanitra. Ohatra, misy olona rehefa marary dia miteny hoe "Matoky an'Andriamanitra aho hanasitrana ahy, ka na misy fivarotam-panafody aza tsy lavitra eto ary misy dokotera afaka mitsabo dia tsy hampiasa an'ireo dokotera sy fanafody ireo aho". Dia misy kristiana adala marobe matimaty foana noho izany, na mamela ny zanany ho faty na ny vadiny ho faty satria mitaky ilay teny fampanantenana izy hoe "Ny Tompo no Mpanasitrana ahy, koa tsy mila fanafody aho". Raha nametraka tohatra tao an-tempoly Andriamanitra dia manantena Izy fa iny no ampiasain'ny olona fa tsy hoe handeha hitsambikina avy eny ambony sy hitaky nySalamo faha 91. Dia torak'izany koa, raha efa nampisy fanafody Andriamanitra, dia manantena Izy fa ireny no ampiasainao fa tsy hanao adaladala hitaky teny fampanantenana hoe hanasitrana anao ny Tompo. Adaladala tahaka izany koa ny mangataka amin'ny Tompo hibata anao hifindra toerana tahaka ny nataony tamin'i Filipo.

Tsy maintsy tadidiantsika koa fa misy zavatra sasany ataon'Andriamanitra ho an'ny olona sasany ihany. Tsy ny mpino rehetra no anaovan'Andriamanitra fahagagana. Tsy maintsy mitandrina tsara isika rehefa mianatra ny Soratra Masina mba tsy hitady zavatra mahatalanjona hahazoantsika voninahitra. Ny fitiavam-boninahitra dia mamaka lalina ao anatin'ny nofontsika ary indraindray dia tsy tsapantsika akory izany. Izany no anisan'ny zava-dehibe nampianarin'i Jesosy hoe tsy maintsy resen'ny mpianany. Eto ny votoatin'ilay fakam-panahy dia te hahazo voninahitra, te hitaky ny teny fampanantenan'Andriamanitra ary te hitsambikina tsy misy maratra eny amin'ny kianjan'ny tempoly dia hoderain'ny olona.

Ny fakam-panahy koa anefa dia mety tonga amin'ny fomba tsotsotra. Hoy Jesosy ao amin'ny Matio toko faha 6"Ary raha mivavaka hianareo, aza mivavaka mba hahazoana voninahitra aman'ireo olona mihaino anareo, ary raha mifady hanina hianareo dia aza ampahafantarina na iza na iza ny isan'ny andro nifadianareo hanina". Raha izany no ataonareo dia fitadiavam-boninahitra izany. Nilaza koa Izy hoe "Raha manao fiantrana hianareo dia aza avela hisy hahalala izay nomenareo". Kanefa dia marobe ihany ireo kristiana izay mandika ireo didy ireo ka mbola mitady voninahitra sy maka fanahy an'Andriamanitra.