WFTW Body: 

Rehefa hitan'ny devoly fa mianatra manaja ny Tenin'Andriamanitra ianao dia ezahiny ahodinkodina ny Tenin'Andriamanitra ka tsy hisy dikany intsony ilay Teny avy eo. Handika vilana Tenin'Andriamanitra ny devoly ary tsy ampifanarahiny amin'ny antony nanoratana azy intsony izany. Nataony izany na dia tamin'i Jesosy aza!

izao no lazain'ny devoly ao amin'ny Matio 4:6 "Raha Zanak'Andriamanitra tokoa Hianao, tonga dia mitsambikiana avy ety amin'ny tafon'ny tempoly ary takio ny teny fampanantenana nomen'Andriamanitra ?". Notateriny mihitsy aza nySalamo faha-91hoe "Izy handidy ny anjeliny ny aminao ; ary eny an-tànany no hitondran'ireo anao, fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao".

Mampianatra antsika izany fa na dia ny Tenin'Andriamanitra aza dia tenenin'i Satana aminao mba hitarihana anao hanota.

Izany fakam-panahy izany dia nikasika ilay fakam-panahy voalohany. Tamin'ny voalohany dia nasain'i Satana navadik'i Jesosy ho mofo ny vato. Ary hoy Jesosy "Oadray, tsy ny mofo ihany ange no iveloman'ny olona fa ny teny rehetra aloaky ny vavan'Andriamanitra". Azon'i Satana izany ka hoy izy "Ny teny rehetra aloaky ny vavan'Andriamanitra hoe ? eny ary, inty ny Tenin'Andriamanitra : "Asainy miaro anao ny anjeliny ka tsy ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao".Koa nahoana Hianao no tsy mitsambikina avy ety an-tampon'ny tempoly?

Araka ny efa nolazaiko, rehefa hitan'ny devoly fa mianatra manaja ny Tenin'Andriamanitra ianao, ny zavatra ezahiny atao avy eo dia ny manodinkodina ny Tenin'Andriamanitra mba tsy hisy dikany intsony ny heviny. Hanao dika vilana ny Tenin'Andriamanitra izy mba tsy hifanaraka intsony amin'ny antony nanoratana azy ilay Teny. Misy ireo kristiana marobe nihaona tamiko teo amin'ny fiainako izay manonona ny Tenin'Andriamanitra etsy sy eroa tsy mifanaraka intsony amin'ny antony nanoratana azy, mba hahazoan'izy ireo fahafahampo. Tena mora foana ny manokatra Baiboly sy maka andininy anankiray ao hanaovanao izay tianao atao. Marobe ny olona no mandray Baiboly ary mitady andininy anankiray ao hanamarinany izay zavatra tiany atao.

Rehefa tsapantsika ny maha-zavadehibe ny mandray ny Tenin'Andriamanitra sy ny mamaky matetika ny Baiboly dia tokony hotadidiantsika avy tamin'io fakampanahy io fa mety ho avy i Satana hanova ny dikan'ny Tenin'Andriamanitra. Izany no maha zavadehibe ny mianatra ny Soratra masina izay ampifanarahana tsara amin'ny antony nanoratana azy sy ny maha zavadehibe ny fandalinana Soratra Masina amin'ny alalan'ny "teny rehetra aloaky ny vavan'Andriamanitra", araka ny nolazain'i Jesosy fa tsy andininy anankiray fotsiny. Tsy afaka mivelona amin'ny andininy anankiray fotsiny isika (ohatra hoe, "ny iveloman'ny olona dia ny teny rehetra aloaky ny vavan'Andriamanitra"), ary izany no maha-zavadehibe ny mandalina ny Soratra Masina iray manontolo. Izany no maha-zavadehibe ny mianatra ny Soratra Masina. Raha tanora ianao dia mandehana mitady torohevitra any amin'ny zoky ara-panahy izay mahafantatra ny Tenin'Andriamanitra hahazoanao izay lazain'ny Soratra Masina mikasika ny lohahevitra anankiray. Mora ny manao an'izany. Izaho efa nahita olona marobe izay namita-tena noho izy ireo nivelona tamin'ny andinin-tSoratra Masina anankiray fotsiny fa tsy tamin'ny Soratra Masina iray manontolo.

Mamelà ahy hampiasa fanoharana mahatsikaiky hanamafisako an'io resaka io. Eritrereto hoe misy tovolahy anankiray tena raiki-pitia amin'ny ankizivavy anankiray hoe Fahasoavana ny anarany. Te hahafantatra ny sitrapon'Andriamanitra ilay tovolahy, na heveriny hoe tokony hanao an'izany izy, kanefa izy efa raikipitia fatratra sahady amin'ilay tovovavy. Raha ny marina dia te hanambady an'ilay ankizyvavy izy fa tiany fotsiny Andriamanitra hankasitraka izany. Koa indray andro dia namaky ny 2 Korintiana 12:9 izy hoe "Ampy ho anao ny fahasoavako" ary hoy izy anakampo "Oay, efa niteny tamiko Andriamanitra fa i Fahasoavana mihitsy no tokony halaiko vady, Andriamanitra mihitsy no efa niteny. Nahazo izay nirin'ny fony fotsiny izy. Andeha ho eritreretintsika indray ny tovolahy anankiray hafa izay asain'ny ray aman-dreniny manambady tovovavy hoe Fahasoavana. Tsy tiany mihitsy io ankizivavy io ary tsy te hanambady an'io izy, koa hoy izy tamin'ny ray aman-dreniny, "Tsy maintsy fantariko aloha ny sitrapon'Andriamanitra". Dia io andininy io ihany koa no novakiany 2 Korintiana 12:9 "Ampy ho anao ny fahasoavako". Dia nankany amin'ny ray aman-dreniny izy niteny hoe "Niteny tamiko Andriamanitra fa ny fahasoavany dia ampy ho ahy. Tsy mila an'i Fahasoavana aho. Ny fahasoavan'Andriamanitra fotsiny dia efa ampy ahy". Hitanao amin'izay ve fa avy tamin'ny andinin-tSoratra Masina anankiray dia nahita valin-teny anankiroa samy hafa ireo tovolahy izay samy te hahazo izay niriny. Izay zavatra tiany natao dia mody napetrany tao amin'ny Tenin'Andriamanitra. Izany dia ahitantsika fomba anankiray anadisoan'ny devoly ny andinin-tSoratra Masina. Raha nandramany natao tamin'i Jesosy izany dia heverinao ve fa tsy handramany atao aminao koa ?

Inona moa no navalin'i Jesosy ny devoly ? Tena mahavariana ny mahita fa rehefa nilaza ny devoly tao amin'ny Matio 4:6 hoe "Voasoratra hoe", dia novalian'i Jesosy ao amin'ny Matio 4:7 hoe "Voasoratra hoe koa". Izany hoe "Esy an-danin'izany anefa dia misy voasoratra tahaka izao koa" Izany no tiany nolazaina tamin'ny hoe "Voasoratra hoe koa". Mampianatra antsika izany fa ny fahamarinana manontolo dia tsy ao anatin'ny "voasoratra hoe" fotsiny no ahitana azy fa ao anatin'ny "voasoratra hoe, ary voasoratra hoe koa".

Rehefa atambatrao ireo andinin-tSoratra Masina ireo izay vao azonao ilay fahamarinana. Izany no maha-zavadehibe ny fianarana ny Soratra Masina mba handrenesanao izay lazain'Andriamanitra aminao. Fa raha tsy izany dia andininy anankiray no alainao ary ho diso lalana tanteraka ianao.