WFTW Body: 

Ao amin'ny Hebreo 10:5, no amakiantsika fa « Andriamanitra dia tsy mila ny fanatritra ataontsika ». Io andininy io dia notsongaiko ho an'ireo olona ampijalian'ireo mpitory fivavahana izay tsy mitsahatra ny manambara fa mila ny fanatitra ataon'izy ireo Andriamanitra. Inona anefa no ilain'Andriamanitra avy amintsika araka ny voalaza ao amin'io andininy io ? Ny tenantsika. Tao amin'ny fanekena taloha, dia izao foana no nohamafisina « Aloavy ho an'ny levita ny ampahafolon-karena». Ao amin'ny Testamenta Vaovao kosa dia izao no amafisina « Atolory ho an'Andriamanitra ny tenanareo » (Romana 12:1). Ny fiangonana izay tsy mitsahatra mamporisika ny olona handoa ny ampahafolon-karena dia fiangonan'ny fanekena taloha. Ny fiangonan'ny fanekena vaovao dia hanantitrantitra foana ny fanolorana ny tena, izany hoe ny fanolorana ny masontsika, ny tanantsika, ny lelantsika, sns..., ho fanatitra velona ho an'Andriamanitra. Tsy fanatitra ara-nofo no irin'Andriamanitra omentsika Azy ankehitriny, fa ny tenantsika mihitsy. Ny fahafolon-karena natao tany amin'ny fanekena taloha dia mitovy amin'ny fanoloran-tenantsika ho an'Andriamanitra ao amin'ny fanekena vaovao. Tahaka ny nahafatesan'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana izay mitovy tamin'ny zanak'ondry novonoina tamin'ny paska tao amin'ny fanekena taloha. Midika ve izany fa tsy tokony hanome vola ho an'ny asan'Andriamanitra ety an-tany intsony isika ? Azonao atao tokoa ny manome, kanefa ny manome amin'ny fifaliana ihany no tian'Andriamanitra (2 Korintiana 9:7). Na inona na inona aloha, dia ny tenanao mihitsy no ilain'Andriamanitra voalohany indrindra. Mazàna ny olona izay manolotra ny tenany dia manolotra ho an'Andriamanitra koa ny zavatra rehetra. Izany anefa dia tsy maintsy atao an-tsitrapo ary an-kafaliana.

Rehefa tonga tety amin'izao tontolo izao Jesosy, dia tsy tonga handoa fahafolon-karena na hanao fanatitra ara-nofo ho an'ny Rainy Izy (Heb 10:5). Tonga Izy mba hanao sorona ny Tenany. Ary Izy no Mpanelanelana ao amin'ny fanekena vaovao. Izy no nampianatra fa ny tadiavin'Andriamanitra amintsika voalohany indrindra dia ny tenantsika.

Fony tany an-danitra Jesosy dia tsy mba nanana vatana. Rehefa tonga teto amin'izao tontolo izao Izy dia nomen'ny Ray vatana. Hataony inona moa io vatana io ? Hanehoany ny fitiavany ny Rainy amin'ny fanaovana asa misiona any amin'ny tany sarotra tahaka an'i Afrika ve ? Sa hivavahany adiny efatra isan'andro sy hanaovany fifadian-kanina indroa isan-kerinandro ? Diso avokoa izany. Izao no lazainy : « Inty aho tonga (eto ambonin'ny tany), hanao ny sitraponao Andriamanitra ô (fa tsy hanao fanatitra) » (Hebreo 10:7) . Izany no nampiasan'i Jesosy ny tenany, ary izany koa no tsy maintsy hampiasantsika ny tenantsika. Rehefa manolotra ny tenantsika ho an'Andriamanitra isika dia afaka manao ny sitrapon'Andriamanitra ao amin'ireo momba ny tenantsika rehetra : ao amin'ny maso, ny tanana, ny lela, ny firehetam-po, ny faniriana, sy ny sisa. Ny firehetam-pontsika eo amin'ny fiainana sisa dia ny hanao ny sitrapon'Andriamanitra isan'andro.

Inona moa no sitrapon'Andriamanitra voalohany indrindra ho antsika ? « Fa izao no sitrapon'Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo » (1 Tesaloniana 4:3) . Izany no tapany voalohany amin'ny sitrapon'Andriamanitra ho antsika tsirairay avy. Ary raha ny mikasika ny asa fanompoana, dia tsy ilaina ny mikofokofoka miezaka manao zavatra ho an'Andriamanitra. Tsy maintsy ataontsika koa ny sitrapon'Andriamanitra eo amin'ny asa fanompoana. Jesosy dia nampianatra antsika hivavaka hoe « Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny (anaovana ny sitraponao) any an-danitra » . Fa angaha ny anjely any an-danitra mitotototo etsy sy eroa mba hanao zavatra ho an'Andriamanitra ? Jesosy koa tsy nitotototo tetsy sy teroa. Ny sitrapon'Andriamanitra no nokatsahiny dia iny fotsiny no nataony. Rehefa nasain'ny Rainy nandrafitra izy tamin'ny faha-18 taonany hatramin'ny faha-30 taonany, dia nataony izany. Rehefa nahatoky tamin'izany asa andavanandro izany izy nandritra io fe-potoana io, izay vao nasain'ny Rainy nandeha nitory nandritra ny 3 taona sy tapany. Na tamin'ny fandrafetany entana aman-databatra nandritra ny 12 taona na tamin'ny fitoriany teny sy ny fanasitranany ny marary dia samy nahafaly ny Rainy avokoa izay nataon'i Jesosy.

Tsy tonga tety an-tany Jesosy mba ho tonga misionera na mpiasa matihanina. Tonga hanao ny sitrapon'ny Rainy fotsiny Izy, na inona na inona sitrapon'ny Rainy. Rehefa asa fandrafetana no sitraky ny Rainy dia nataony izany. Rehefa asa matihanina no sitraky ny Rainy dia nataony izany. Isika koa dia tsy maintsy manokana ny tenantsika hanao ny sitrapon'ny Ray, fa tsy hanao an'itsy asa itsy na iroa asa iroa. Mety ho mpandrafitra no niantsoan'Andriamanitra anao fa tsy ho misionera. Vonona àry ve ianao ?

Jesosy dia nilaza hoe « Inty Aho tonga hanao ny sitraponao Andriamanitra ô ». Tamin'izany no nanesorany ny fanekena voalohany sy nampitoerany ny fanekena faharoa (Heb 10:8,9). Tao amin'ny fanekena voalohany dia nisy raharaham-piangonana maro, indrindra fa tao anatin'ny tranolay sy ny tempoly. Kanefa ny 90 isan-jaton'ny fiainan'i Jesosy dia tsy nanaovany asam-piangonana. Nanampy ny reniny tao an-trano Izy, namelona ny ankohonany tamin'ny rafitra, nandritra ny 30 taona. Taorian'izay Izy vao nandeha nitory nandritra ny 3 taona sy tapany. Toy izany no nahavitany ny asa izay nomen'ny Rainy hataony sy nankalazany ny Ray (Jereo Jaona 17:4). Ianarantsika eto izany fa ny fanampian'i Jesosy ny reniny tao an-tokantrano dia zava-dehibe teo imason'Andriamanitra tahaka ny fanasitranan'i Jesosy ny marary ihany. Ao amin'ny fanekena vaovao, na inona na inona asain'Andriamanitra ataonao amin'ny fotoana anankiray, dia izay ilay sitrapon'Andriamanitra, ary izay no zava-masina indrindra azonao atao amin'io fotoana anankiray io.