WFTW Body: 

Tamin'ny fahatsoram-pony no nandraran'i Petera an'i Jesosy tsy hizotra mankany amin'ny hazo fijaliana. Kanefa fantatr'i Jesosy avy hatrany fa izany tolotsaina izany dia feon'i Satana, koa namaly an'i Petera Izy hoe : " Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko hianao, satria tsy misaina izay an'Andriamanitra ianao, fa izay an'ny olona " (Matio 16:23).

Hitantsika eto fa haintsika ny manavaka ny feon'Andriamanitra amin'ny feon'i Satana ao am-pontsika raha toa ny fisainantsika mifantoka amin'ny tombontsoan'Andriamanitra. Raha ny tombontsoantsika manokana foana aloha no ifantohan'ny saintsika dia hihevitra isika fa feon'Andriamanitra ny feon'i Satana. Koa amin'ny zavatra rehetra ataontsika dia tsara isika raha manana ny fijerin'ny lanitra, na amin'ny fianarana atao izany na amin'ny asa na amin'ny kilalao. Ataovy ho voninahitr'Andriamanitra avokoa ny zavatra rehetra.

Ataovy tsara ny fianarana any am-pianarana, ary milalaova tsara eny amin'ny kianja filalaovana, dia omeo voninahitra foana Andriamanitra, tahaka ny nataon'i Eric Liddell, izay tsy nampandefitra ny finoany mihitsy na dia fahaverezan'ny medaly volamena olympika aza no setrin'izany!!! Aza mba menatra mihitsy mampahafantatra ny olona fa manaja ny fitsipika maha-kristiana anao ianao. Enga anie ny Tompo hanampy anao hanao an'zany.

Kolokoloy ny fanirianao hanome voninahitra an'Andriamanitra, na ao anatin'ny ady atrehinao izany na any am-pianarana na any am-piasana na ao an-tokantrano. Hanome anao fahasoavana hery ny Tompo hiatrehanao ary handresenao ny fanafihan'ny fahavalo rehetra izay miezaka haka fanahy anao tsy hijoro ho an'ny Tompo. Ny Tompo dia hiandany aminao foana hiady amin'i Satana ary hataony maharesy ilay ratsy ianao.

Nataon'Andriamanitra hanintona ny olona mihitsy ny zavatra maro eto ambonin'ny tany, mba hanamarinantsika fa ny fitiavantsika an'Andriamanitra dia mihoatra noho ny fitiavantsika ny zavatra rehetra maka fanahy antsika. Izany no fomba hanalantsika baraka an'i Satana. Ny Mpamorona dia lehibe lavitra, mahagaga lavitra ary mahafa-po lavitra noho ny zavaboary rehetra noforoniny. Marina izany matoa inoantsika. Izany finoantsika izany no mahatonga antsika haharesy ny fanintonan'izao tontolo izao. Rehefa izany finoana izany no ivelomantsika an-jambany, dia hanaraka ho azy ny fihetsempontsika amin'ny fotoanany. Tsy ny fihetsempo aloha no tokony tadiavintsika voalohany.

Ny fiadiantsika amin'i Satana dia mahasoa ny fanahintsika. Izany ihany no hahatonga antsika hatanjaka. Aoka ianao ho miaramila tsaran'i Kristy. Ny Tompo dia miantehitra aminao. Izahay koa dia miantehitra aminao mba hanofahofa avo ny fanevan'ny Tompo noho ny fandresena, mba tsy ho afa-baraka mandrakizay ny anaran'ny Tompo!

Raha mahavita manao sorona be dia be ho an'ny tanindrazany ny miaramila mba hahatonga ny fireneny hahaleo tena sy ho afaka, tsy mainka ve isika tokony ho vonona hanao sorona ny zavatra rehetra (mbamin'ny aintsika) mba hahazo voninahitra ny Tompo any amin'ny lafim-piainantsika rehetra, ary mba ho afa-baraka i Satana.