WFTW Body: 

Ao amin'ny 1 Korintiana 2:14,15, no amakiantsika ny momba ireo «olona izay araka ny nofo » sy ireo olona « araka ny Fanahy ». Samy hafa be mihitsy ny kristiana araka ny nofo sy ny kristiana araka ny Fanahy. Ny haranitan-tsain'ny olombelona dia tsy mahatakatra an'izany, satria izao no voalaza eto : « Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra, fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany. Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantarin'olona ».

Ny saina sy ny fanahy dia samy hafa tahaka ny maha-samy hafa ny maso sy ny sofina. Ary tahaka ny fisian'ny olona maheno tsara kanefa jamba, dia mety hisy koa ny olona izay mahira-tsaina be kanefa 'maty' fanahy, na ny mifanohitra amin'izay. Satria eto amin'izao tontolo izao no anaovantsika ny asantsika dia mila manana saina matsilo isika. Fa amin'ny zavatra mikasika an'Andriamanitra kosa, dia ny toetran'ny fanahy no zava-dehibe. Mba hahatakarantsika ny zavatra izay an'Andriamanitra dia mila fanambarana avy amin'ny Fanahy Masina isika. Izany anefa dia tsy omena afa-tsy ho an'ireo olona manetry tena irery ihany («zaza madinika » izay manana toe-tsaina manetry tena - Matio 11:25), fa tsy ho an'ireo olona mahay (raha tsy hoe manetry tena koa izy).

Sarotra be ho an'ny olona mahay ny manetry tena, na dia mety hisy hahavita izany aza. Sahala amin'ny hoe sarotra be ho an'ny Fariseo mpitompo teny fantatra ny miaiky fa mpanota, na dia mety hisy hahavita izany aza. Mora kokoa ho an'ny mpivaro-tena sy ny mpangalatra ny miaiky fa mpanota. Noho izany, raha mikasika ny fanambarana avy any amin'Andriamanitra dia izao : mora kokoa ho an'ny olona tsy nahita fianarana ny miaiky fa tsy marani-tsaina izy, koa mandray haingana kokoa ny fanambarana avy any amin'Andriamanitra izy. Izany no nahatonga an'i Jesosy nandany ny ankamaroan'ny fotoanany tamin'ireo mpanjono telo lahy tsy nahita fianarana dia i Petera sy Jakoba ary Jaona. Satria hitan'i Jesosy fa tena mora tamin'izy ireo ny nandray ny zavatra ara-panahy. Ary tahaka izany koa, sarotra be tamin'ny Fariseo ny nanaiky an'i Kristy, satria ny fireharehany tamin'ny fahiratan-tsainy dia nanakana azy ireo tsy hanaiky ny tenany ho adala ara-panahy. Tsy maintsy tadidionao mandrakariva izany rehefa mifanerasera tsy tapaka amin'ireo mpianatra ambony marani-tsaina sy mahay ianao.

Ny fahaizan'olombelona dia tsy misy vidiny eo anatrehan'Andriamanitra. Tsinontsinona amin'Andriamanitra tahaka ny lokon'ny fihodirantsika izany, satria ireo zavatra anankiroa ireo dia noraisin'ny olona tamin'ny fahaterahany. Ary na inona na inona azon'ny olona hatrany am-bohoka dia tsy tombony ho azy izany eo anatrehan'Andriamanitra. Na ny fahaizana, na ny fahamarinan'olombelona, dia tahaka ny lamba mihosin-drà eo imason'Andriamanitra (Isa. 64:6). Kristy dia tsy tonga ho fahamarinantsika fotsiny fa efa tonga ho fahendrentsika koa (Jereo 1 Kor. 1:30).

Hahazoantsika fampaherezana anefa ny olona tahaka an'i Paoly. Taloha izy dia sady Fariseo mpitompo teny fantatra no olona tena nahira-tsaina (nanana ireo kilema roa), kanefa sady voavonjy izy no lasa apostoly lehibe ho an'i Kristy. Ny antony dia satria nanetry tena foana izy. Rehefa niresaka tamin'ny Korintiana i Paoly dia nilaza fa natahotra izy sao dia hiankina amin'ny fahaizana amam-pahalalany, koa izany no antony nahatonga azy ho « azon'ny fahatahorana sy ny fangovitana be » (1 Kor. 2:3). Natahotra izy fandrao amin'ny herin'ny sainy (nofo) no hitoriany amin'izy ireo fa tsy amin'ny herin'ny Fanahin'Andriamanitra. Tsy maintsy manana izany tahotra izany koa isika rehetra isak'izay mitory teny. Izany no antony tsy maintsy angatahantsika mandrakariva ny herin'ny Fanahy Masina, satria ilaintsika tsy tapaka ny heriny.

Noho izany, ny fitoriana ny fahamarinan'ny Baiboly avy amin'ny saina matsilo dia aza raisina velively ho fitoriana avy amin'ny fanahy. Ny toriteny mampihetsi-po dia aza raisina velively ho toriteny ara-panahy. Ny fahiratan-tsaina sy ny fihetsem-po dia samy ao amin'ny nofontsika avokoa. Ireo dia tsara raha atao mpanompo fa ratsy raha atao tompo. Ny Fanahy Masina irery ihany no tsy maintsy ataontsika Tompo eo amin'ny fiainana. Farany, ny fomba hahatongavana ho olona ara-panahy dia mifototra amin'ireto tsiambaratelo anankitelon'ny fiainana kristiana ireto, araka izay efa nambarako ombieny ombieny, dia ny fanetren-tena, ny fanetren-tena ary ny fanetren-tena. Raha anananao izany dia ho tsara ny fiainam-panahinao.