"Ary ny amin'ny olona masina ambonin'ny tany, ireo olona tsara laza izay sitrako indrindra(na izay iravoravoako)" (Salamo 16:3)
Inona moa no dikan'ny hoe "miravoravo" amin'ny olona masina raha ampiharina amin'ny fiainana andavanandro ? Ny zavatra niainako vao haingana tao amin'ny ankohonako no nanampy ahy hahatakatra mazava kokoa io andininy io, ary koa nanampy ahy hahita ny maha-sarobidy amin'ny Tompo ny fananana izany toe-tsaina izany.
Tantara marina izy ity : vao herintaona ny zanakay farany ary vao hianatra hamindra. Matetika dia mamikitra amin'ny fanaka izy mba tsy hianjera, kanefa mbola tsy sahy nandeha na niampita lalatsara aza raha tsy nisy nitantana.
Tamin'ny andro anankiray izay dia sahy izy ary nanomboka nivembena sy nitsingilahila namakivaky ny efitrano nanatona ny toerana nisy ahy. Faly aok'izany aho ! Nanomboka namporisika azy fatratra aho, dodona ery hahita na ho vitany na tsia ny hamakivaky voalohany ny efitra.
Kanefa tampotampoka teo dia nisy zavatra nitranga izay tsy nampoiziko mihitsy ka vao mainka nampitombo avo lenta ny hafaliako. Tsia, tsy hoe avy dia nihazakazaka ilay zazakely fa tonga nankeo anilako ny zokiny vavy ary nanampy ahy namporisika mafy ny zandriny. Tena dibokafaliana aho rehefa nahita ny zanako anankiray niaraka niravoravo tamiko tamin'ilay zazakely.
Raha ny tena marina dia ny firavoravoan'ilay zokiny aza no nampiravoravo ahy kokoa noho ny fahitako ilay zandriny niezaka ny namindra !
Niverimberina matetika tamin'ny endrika samy hafa izany tantara izany nandritra ny taona maro, ary gaga foana aho noho ny lesona azoko hoe rehefa miravoravo amin'ny mpiray tampo aminy ny zanako, noho ny fitombon'ny anankiray, noho ny talenta manokana ananan'ny anankiray sy ny sisa, dia nitondra hafaliana hafa kely tao am-poko izany amin'ny maha-rainy ahy. Ary izany koa dia nampianatra ahy fa misy fomba ahazoako mitondra hafaliana hafa kely ao am-pon'Ilay Raiko Izay any an-danitra, dia rehefa miravoravo amin'ireo rahalahy sy anambaviko ao amin'i Kristy aho amin'ny fitiavana marina.
Mora foana amintsika ny mihevitra, rehefa "tsara" fanabeazana sy efa nivoatra ny saintsika, fa izany hoe firavoravoana amin'ny ankohonan'Andriamanitra izany dia tsy avo lenta kokoa noho ny fitiavana an'i Kristy. Kanefa andeha hojerentsika ireo fanehoam-pitiavana tsy misy henatra mihitsy nataon'ilay kristiana iray matotra indrindra tamin'ireo tao amin'ny ankohonan'Andriamanitra :
"Dia toy izany no nahazoto anay, noho ny fitiavanay anareo indrindra, hanome anareo, tsy ny filazantsaran'Andriamanitra ihany, fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay hianareo" (1Tesaloniana 2:8)
"Eny, miangavy anao aho ny amin'ny zanako, izay naterako teto amin'ny fifatorako dia Onesimosy, izay nampodiako indray, dia ilay sombin'ny aiko " (Filemona 1:10,12)
"Eny, fa narary saiky maty tokoa izy; nefa Andriamanitra namindra fo taminy, ary tsy taminy ihany, fa tamiko koa, fandrao hanana alahelo mifanontona aho" (Filipiana 2:27)
"Ary ny maso tsy mahazo manao amin'ny tànana hoe : Tsy mila anao aho, ary indray, ny loha tsy mahazo manao amin'ny tongotra hoe : Tsy mila anao aho… Fa tamin'ny nanamboaran'Andriamanitra ny tena dia izay kely voninahitra no nomeny voninahitra bebe kokoa, mba tsy hisy fisarahana eo amin'ny tena, fa mba hifampiahy ny momba ny tena rehetra" (1Korintiana 12:21, 24-25)
"Fa Andriamanitra no vavolombeloko fa manina anareo rehetra indrindra aho amin'ny famindrampon'i Kristy Jesosy " (Filipiana 1:8)
"Fa ankehitriny velona izahay, raha tomoetra tsara ao amin'ny Tompo hianareo" (1Tesaloniana 3:8)
Mamporisika ahy be mihitsy ny mandinika ny fitiavan'i Paoly ny fiangonana. Mora ny miteny hoe "Tiako ny fiangonana", fa tena zavatra hafa mihitsy ny mampitaha tsara ny fitiavako ny olona sasany ao amin'ny Tenan'i Kristy amin'ny fitiavan'i Paoly voalaza eto. Moa ve aho miravoravo amin'ny fitomboan'ny hafa ara-panahy, amin'ny fananan'ny hafa fanomezam-pahasoavana ? Moa ve aho mankeo anilan'ny Tompo (Izay mbola velona mba hivavaka ho an'izy ireny koa Hebreo 7:25), ka mamporisika ny rahalahy sy anabaviko ao amin'i Kristy tahaka ny nataon'ny zanakovavy tamin'ilay zandrikeliny ?
Ny mifanohitra amin'ny miravoravo
Zava-dehibe tokoa ny hanadiovantsika tena ho afaka amin'izay mety ho karazana fankahalana. Kanefa mety miarahaba tena foana sy mirehareha isika rehefa tsy manan-tsaina ny hanisy ratsy olona, na tsy mifosa olona, na tsy miampanga olona sy ny sisa, ka mety mihevitra fa izany rehetra izany no mifanohitra amin'ny miravoravo. Kanefa efa voamariko fa misy zava-doza lavitra tokony tandremantsika izay mifanohitra amin'ny miravoravo dia ny tsy miraharaha.
"Nahoana izahay no mifady, hoy izy, nefa tsy hitanao ? Ary nahoana izahay no mampahory ny tenanay, nefa tsy ahoanao ? (Dia mamaly ny Tompo) Indro fa amin'ny andro fifadianareo aza dia mbola ny tianareo ihany no ataonareo, ary ny mpiasa rehetra ao aminareo dia ampahorianareo. Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako : Dia ny hamaha ny famatoran'ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin'ny zioga, sy handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra ? Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an'ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafiana izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirimbelona amin'ny namanao hianao ? Fa raha izany, dia hiposaka tahaka ny fahazavan'ny maraina ny fahazavanao, ary ho tonga faingana ny fahasitrananao, ny fahamarinanao ho loha-làlanao ary ny voninahitr'i Jehovah ho vodi-làlanao" (Isaia 58:3,6-8).
Ny fahotana nambaran'Andriamaintra tamin'ireo olona nitady hahalala Azy isan'andro isan'andro (Isaia 58:1-2) dia ny fahotana noho ny tsy fiheverana ny hafa, tsi-firaharahana, fodiana tsy fantatra. Te hahalala an'Andriamanitra izy ireo, ary ny hahalala ny làlan'Andriamanitra tokoa no sitrany, kanefa meloka izy satria izany fitadiavany an'Andriamanitra izany dia noheveriny fa tsy nisy nidiran'ny rahalahany sy ny anabaviny ! Noheverin'izy ireo fa azo atao ny sady mitady an'Andriamanitra no tsy miraharaha ny ankohonan'Andriamanitra !
Rehefa miara-mandeha amin'ny Tompo isika dia azo antoka fa te handrava ny fahotana noho ny zava-dratsy natao Izy (tahaka ny fankahalana, ny fifosana, ny fiampangana sy ny sisa) kanefa mihoatra noho izany dia tian'ny Tompo ravana koa ny fahotana noho ny zavatra tsy natao rehetra, indrindra indrindra fa ny tsi-fisian'ny fitiavana ao am-po. Ny fanirian'ny Tompo dia tsy ny hameno ny fontsika amin'ny fitiavany fotsiny ho an'ny tenantsika, fa ny hamenoany antsika mba hitobahan'izany fitiavany izany any amin'ny hafa (Jaona 7:38). Sarotra inoana izany kanefa ny Tenin'Andriamanitra dia milaza fa ny tsi-firaharahana dia tena RATSY INDRINDRA miohatra amin'ny fankahalana mivantana. "Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana hianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana hianao. Fa satria matimaty hianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan'ny vavako hianao" (Apokalipsy 3:15-16). Raha ny tena marina dia aleon'Andriamanitra mangatsiaka toy izay matimaty !!
Efa voamariko koa fa mora lavitra amintsika ny mifantoka amin' "izay natao" (ny fahadisoana vitako) noho ny mijery izay zavatra tsy nahoako fotsiny izao (izay tsy nataoko). Kanefa tsy mahafa-po an'Andriamanitra ny manala antsika fotsiny amin'ny ratsy ("mangatsiaka"), ka mijanona eo ary tsy miraharaha ("matimaty"). Andriamanitra dia te hanototra antsika amin'ny soa (Fitiavany mirehitra miredareda), ary ny dingana sarotra indrindra tsy maintsy lalovantsika miaraka amin'ny fahasoavan'Andriamanitra dia ny tany efitry ny fahabangana sy ny faha-matimaty sy ny tsi-fiheverana ny hafa, ary ny tsi-firaharahana olona.
"Raha mivoaka amin'ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana; ary rehefa tsy mahita, dia hoy izy : Hody any an-tranoko izay nivaoahako aho. Ary nony tonga izy, dia hitany fa voafafa sy voavoatra ny trano. Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa ratsy noho izy ; dia miditra ireo ka mitoetra ao ; ary ny faran'izany olona izany dia ratsy noho ny voalohany " (Lioka 11:24-26).
Tsy maintsy hitantsika mazava fa ny tsi-firaharahana olona ao amin'ny Tenan'i Kristy dia zava-doza tahaka ny fahotana ao amin'ny fanahintsika. Raha hitantsika izany dia hangataka amin'ny Tompo isika hampisehoany ireo tsi-firaharahantsika ny rahalahy sy anabavintsika. Enga anie ny hatsaram-panahin'ny Tompo hitondra antsika any amin'ny fibebahana noho ny tsi-fahampian'ny fitiavana ary enga anie Izy hamonto ny fontsika amin'ny firavoravoany amin'ny ankohonany. Tena mahasambatra ahy tokoa ny misaintsaina ireo hafaliana mitafotafo azoko tamin'ny maha-raimpianakaviana ahy ary ny mahatsiaro fa rehefa mizara ny fon'Andriamanitra amin'ireo ao amin'ny ankohonan'Andriamanitra isika dia fahafahana ho antsika izany hampitombo izaitsizy ny hafalian'Andriamanitra.
"Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo "(Jaona 15:12).
"Fa antomotra ny faran'ny zavatra rehetra … Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara : fa ny fitiavana manarona fahotana maro" (1Petera 4:7-8).
"Ary noho ny haben'ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan'ny maro . Fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena" (Matio 24:12-13).