WFTW Body: 

Ao amin'ny 1 Korintiana 11 dia asaina mahatsiaro ny fahafatesan'ny Tompo isika rehefa mamaky ny mofo amin'ny fandraisana ny Fanasan'ny Tompo. Tonga Jesosy ary naneho tamintsika tamin'ny alalan'ny fiainany sy ny fampianarany fa " ny fahafatesana no vavahady mankany amin'ny fiainan'Andriamanitra" (Jereo 2 Kor.4:10). Noho izany dia tsara raha misaintsaina ny endrika rehetra isehoan'ny fahafatesan'i Kristy isika ary tsara raha mahazo ny dikan'ny hoe miombona amin'izany fahafatesana izany (mihinana ny mofo izay vakiana) sy ny hoe voahombo niaraka tamin'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana.

Ny endriky ny fahafatesan'i Kristy anankiray dia ny nitondrany ny tsiny teo amin'ny hazo fijaliana tamin'izay zavatra tsy nataony akory ("Nohelohina tamin'ny zavatra tsy nataoko aho ary asaina manonitra izay tsy nalaiko" - Salamo 69:4 Baiboly Living). Nifanohitra tanteraka tamin'izay nataon'i Adama izany. Tsy nanameloka ny tenany tamin'ny zavatra nataony i Adama. Ny vadiny no nomeny tsiny (Gen. 3:12). Fomba anankiroa samy hafa tanteraka ireo izay andehanan'ny zanak'i Adama sy ny zanak'Andriamanitra.

Manamarina ny tenany tahaka ny rainy ny zanak'i Adama. " Hianareo dia mpanamarin-tena eo anatrehan'ny olona" hoy Jesosy tamin'ireo Fariseo (Lk. 16:15). Adama dia tsy nahita izay tokony nataony na izay fahotan'ny tenany. Ny fahotan'ny hafa ihany no hitany. Rehefa misy olona manome tsiny ny hafa fa tsy mahita izay mety ho tsiny eo amin'ny tenany dia olona efa miombona amin'i Satana ilay Mpiampanga izy izay.

Voavonjy ilay jiolahy efa teo ambavahaona, tsy noho izy niteny hoe " Tompo o, tsarovy aho". Fa satria talohan'ny nitenenany an'izany dia ny tenany no nomeny tsiny tamin'ireo fahotana vitany.

Tsy mila antsika hanampy Azy hitsara ny hafa Andriamanitra. Izy irery ihany dia tena mahavita tsara an'izany! Tian'Andriamanitra isika tsy hitsara afa-tsy ny tenantsika. Miantso antsika hanao zavatra tokana Andriamanitra : "Ekeo ny helokao" (Jer. 3:13). Ny mpino manao izany no olona sambatra indrindra eto ambonin'ny tany.

Tamin'ny alalan'i Jeremia no nitenenan'ny Tompo tamin'ny firenen'i Joda fa tsy mba nandray lesona avy tamin'ny fahadisoana nataon'ny firenen'Isiraely tao avaratra izy (Jer. 3:6-8). Rehefa avy eo dia niteny ny Tompo fa Isiraely dia hita fa marimarina kokoa noho Joda. Fikambanana kristiana maro izay nivoaka avy tamin'ireo vondrom-piangonana maty ara-panahy no tsy nianatra ny lesona avy tamin'izay nataon'Andriamanitra tamin'ireo fiangonana nivoahany. Koa ny niafaran'ireo fiangonana nivoaka ireo dia manana toe-panahy fariseo lehibe kokoa noho ireo vondrom-piangonana nivoahany ary maty kokoa izy noho ireo vondrom-piangonana maty.

Aoka ianao hiaina eo anatrehan'i Jesosy lalandava, aoka ianao hibanjina Azy. Hitondra anao any amin'ny fiainana izay itsaranao ny tenanao mandrakariva izany. Ary izany no lalana mankany amin'ny fandrosoana ara-panahy rehetra. Tsy toriteny renao any amin'ny fiangonana andehananao na aiza na aiza izany. Noho izany dia ianao ihany no tsy maintsy mitory ho an'ny tenanao. Tsy voatery handinika ny ao anatinao ianao, satria hitondra anao any amin'ny fanamelohana sy ny fahakiviana izany. Fa mitodiha ianao any amin'i Jesosy, ary rehefa mijery Azy ianao, dia ho hitanao ny fahalovana ao aminao, tahaka ny nahitan'Isaia sy Joba ary Jaona (tao Patmosy) an'izany. Ary afaka mitsara tena amin'izay ianao avy eo.

Izaho dia tsy mba mandinika ny ao anatiko mihitsy. Mijery an'i Jesosy mandrakariva aho, izany hoe mijery ilay fahadiovany tonga lafatra (tamin'ny naha olona azy izay nalaim-panahy tahaka ahy), mijery ilay fitiavany ary ilay fanetren-tenany. Izany no mampahafantatra ahy ny tokony ataoko amin'ny fotoana rehetra.