WFTW Body: 

Nolazain'i Jesosy tamin'ny mpianany tamin'ny toriteny teo an-tendrombohitra fa na iza na iza lehilahy mijery vehivavy hila azy, dia efa mijangajanga aminy sahady. Dia nanohy ihany izy nilaza hoe mahasoa an'izany lehilahy izany raha esoriny hiala ny masony anankiray toy izay hariana any amin'ny helo izy miaraka amin'ny maso anankiroa. Nampianariny tamin'izany fa ny filàna tsy mitsahatra hanao firaisana ara-nofo amin'ny vehivavy amin'ny alalan'ny maso dia ampy hankanesan'ny lehilahy any amin'ny helo.

Ny afon'ny filàna ao am-pon'ny olona ankehitriny dia mitovy ihany amin'ny afon'ny helo izay nampiredareda ny fon'ny olona rehetra hatramin'ny andron'i Adama. Ny afon'ny Fanahy Masina irery ihany no afaka mandevona an'izany. Ny fonao dia na miredaredan'ny filàn'ny fahotana, na miredaredan'ny fitiavana an'i Jesosy. Tsy maintsy ny anankiray amin'ireo ihany no azonao isafidianana. Na ny afon'ny fanadiovana ankehitriny na ny afon'ny helo amin'ny ho avy. Tsy misy ny safidy fahatelo.

Ny vahoaka Jiosy izay niresahan'ny Tompo teto dia olona efa nanana fari-pitondrantena ambony be tamin'ny alalan'ny lalàna. Niaina tamin'ny fitsipi-pitondrantena hentitra izy ireo, ary fahafatesana foana no sazin'ny firaisana ara-nofo ivelan'ny fanambadiana. Tamin'izany andro izany dia tsy nisy boky na boky antsary na fandaharana fahitalavitra namoafady naka fanahy ny olona hanao vetaveta. Ny vehivavy rehetra tao amin'izany fiarahamonina Jiosy izany dia niankanjo maotina avokoa, ary ny lehilahy sy ny vehivavy dia zara raha nifampiresaka. Kanefa, na dia tao amin'ny fiarahamonina Jiosy nisy izany fameraperana rehetra izany aza, dia fantatry ny Tompo fa nisy filàna vehivavy tao amin'ny lehilahy. Ary tsy maintsy nampitandrina ny mpianany ny Tompo tsy hanao izany. Raha toa ka izany no nataony tamin'izany fiarahamonina hentitra izany, maika va tsy tokony hampitandreman'ny Tompo ny tovolahy amin'izao fiarahamonina maloto misy antsika ankehitriny izao ?

Ny fiarahamonina ankehitriny dia manipy solika ao an-tsaintsika amin'ny fomba rehetra mba hampirehetana ny afon'ny firaisana ara-nofo ao anatintsika. Izany no antony tsy maintsy itandremantsika kokoa amin'izao andro izao. Raha ilofosanao mihitsy ny hamonoana izany afon'ny filàna izany dia tsy maintsy ataonao izay hanapahana izany loharanon-tsolika izany. Ary tsy maintsy amin'ny fomba hentitra sy mahery vaika, tsy misy indrafo no hanapahanao ny loharanon'izany solika izany. Izany no dikan'ny hoe manongotra ny maso anankiray sy manapaka ny tanana anankiray. Mandidy antsika Jesosy mba hamotika izay zavatra mahatonga antsika hanota. Jesosy dia mahafantatra mihoatra noho ny olona rehetra ny zavadoza ateraky ny fahotana sy ny tena fisian'ny afobe. Ary izany no antony handrisihany antsika hanao izany fandidiana ara-panahy tsy mitsitsy izany, mba ho voavonjy amin'ny fahotana isika.

Ny fampiharana izany didin'ny Tompo izany ho antsika amin'izao andro izao dia hoe « Raha ny tele no mahatonga anao hanota ao an-tsainao dia ario avy hatrany ilay tele ». Mahasoa anao ny mankany an-danitra, tsy nahita tele toy izay mankany amin'ny helo miaraka amin'ireo olomalaza vao avy nojerenao teo amin'ny tele. Na koa raha misy boky antsary, na karazana mozika izay miteraka filàna ao anatinao sy mahatonga anao hanota, dia ario avy hatrany koa ireo boky antsary sy kasety video ireo. Azo antoka mihitsy fa tsy misy na inona na inona eto an-tany izay sarobidy sy tokony hofikirina raha toa izany ka hahatonga anao any am-parany ho diso ny lanitra sy hankany any amin'ny helo.

Na dia eto am-pamakiana eto aza ianao dia mailaka ery Satana mibitsika aminao hoe « Tsy ho faty akory ianao (tsy ho any amin'ny helo) amin'ny zavatra bitika kely tahaka izany ». Ary holazainy aminao an-kafetsena fa ny filànao ara-nofo ireny sary ao amin'ny boky antsary ireny na ny filànao ara-nofo ireny olona hitanao ao amin'ny tele ireny dia tsy tena fijangajangana. Aza mihaino azy, satria Jesosy efa nampitandrina antsika fa Satana dia efa mpandainga hatramin'ny voalohany.

Mikasika an'izany fahotana izany dia aza mionona fotsiny amin'ny hoe «Amin'ny ho avy aho hiezaka bebe kokoa » na hoe « Hataoko mihitsy izay hialana amin'izany ». Ny Baiboly dia mampitandrina antsika mba hifady na dia ny fofompofon'ny ratsy fotsiny aza. Minoa ianao fa hanampy anao amin'ny fomba rehetra Andriamanitra hialanao amin'izany fahotana izany eo no ho eo ihany mba ho fongotra mandrakizay. Manomboka androany dia atombohy ny ady, ary aza amelana raha tsy tapaka ny lohan'io Goliata io, sahy mihantsy ady aminao izay miaramila ao amin'ny tafik'ilay Andriamanitra velona.

1 Korintiana 7:1 dia mampitandrina antsika mba hifady ny fikasihana ara-batana amin'ny vehivavy. Rehefa misy zavatra lazain'ny Fanahy Masina hoe « tsy tsara » (araka ny voalazany eto), dia ampy izany ho an'ny mpianatra mba hofadiana avy hatrany. Ny mpanaraka lalàna dia mivelona amin'ny soratra, fa ny mpianatry ny Tompo kosa dia mivelona amin'ny fanahin'ny didy. Ohatra : Fantatr'i Jesosy fa fijangajangana ny filàna vehivavy ao am-po satria niezaka hamantatra ny fanahin'ny didy fahafito Izy. Torak'izany koa, raha tena katsahinao amin'ny fonao manontolo, dia ho hitanao ny fototry ny didin'Andriamanitra rehetra. Jereo izay nolazain'i Paoly tamin'i Timoty : « Mandosira izay zavatra rehetra hitondra anao any amin'ireo fakam-panahy mpahazo matetika ny zatovo » (2 Timoty 2:22 - Living Bible). Tsy maintsy mandositra izay rehetra mety hitondra fakam-panahy tahaka izany ianao.

Manadio ny tempoliny indray ny Tompo. Amin'izao fotoana izao dia ny tenanao no tempoliny. Avelao ny Tompo hanao izany asa feno izany tsy misy hatak'andro.