WFTW Body: 

Jesosy sy ireo apostoliny dia tsy nitsahatra nampitandrina antsika fa ny toetra mampiavaka ny andro farany dia ny fielezan'ny famitahana sy ny firoboroboan'ny mpaminany sandoka (Matio 24:3-5,11,24 ; 1 Tim. 4:1) ary be dia be amin'ireny no efa hitantsika tato anatin'izay folotaona vitsivitsy izay.

Nahoana moa ny kristiana anapitrisany maro no voafitak'ireny mpaminany sandoka sy ireny

"fifohazam-panahy" hala-tahaka ireny ? Ary nahoana koa moa no marobe ireo mpitoriteny no

lavon'ny fijangajangana sy ny fieremana ?

Ireto voalaza manaraka ireto no hitako fa anisan'ny antony lehibe niteraka izany :

1. Ny ankamaroan'ny kristiana amin'izao andro izao dia tsy mahafantatra akory izay zavatra ampianarin'ny Testamenta Vaovao, satria tsy tena ifotorany ny fianarana an'izany. Noho izany dia aleony manaraka ny fampianarana omen'ireo mpitarika azy toa izay ny fampianarana omen'ny Testamenta Vaovao.

2. Ny fahagagana tsy voajanahary (don surnaturel) no efa nataon'ny kristiana zava-dehibe kokoa noho ny toe-piaina matahotra an'Andriamanitra ao amin'ireo mpitory.

3. Ny harena ara-materialy no efa nataony manan-danja kokoa noho ny harena ara-

panahy.

4. Tsy hain'ireo kristiana ireo ny manavaka ny fitroarana na fanangolena ara-psykôlôjia, amin'ny hetsiky ny Fanahy Masina tena izy. Ny antony dia mbola ny tsi-fahaizana ny Testamenta Vaovao ihany.

5. Tsy hain'ireo kristiana ireo ny manavaka ny fanasitranana azo avy amin'ny fahaizana mibaiko ny fisainana ho tsara (guérison psychosomatique), amin'ny fanasitranana amin'ny fomba tsy takatry ny saina izay raisina amin'ny anaran'i Jesosy.

6. Ny fitaintainam-po sy ny fisehoan-javatra hafahafa eo amin'ny vatantena no efa nataony zava-dehibe kokoa noho ny fifalian'ny Tompo ao anaty.

7. Ho an'ireo mpitondra fivavahana dia ny asa fanompoana no efa nataony zava-dehibe kokoa noho ny fifankazahoany am-po amin'Andriamanitra.

8. Ho an'ireo mpitondra fivavahana ireo dia ny fankasitrahan'ny olona no zava-dehibe kokoa noho ny fankasitrahan'Andriamanitra

9. Ho azy ireo dia ny habetsaky ny olona manatrika fivoriana no zava-dehibe kokoa noho ny

fahafantarana hoe iza amin'ireo olona ireo no efa nanolo-tena tanteraka ho an'i Kristy.

10. Ho an'ireo mpitarika ireo ihany dia ny fitadiavana laza ho an'ny tenany sy ny fanorenana fanjakana ara-bola no zava-dehibe kokoa noho ny fanorenana fiangonana mba hanompoany an'Andriamanitra. "Satria izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia samy fatra-pila harena avokoa ; Na ny mpaminany na ny mpisorona dia samy mamitaka avokoa" (Jeremia 6:13).

Izany rehetra izany dia MIFANOHITRA TANTERAKA amin'izay zavatra nampinarin'i Jesosy. Ny mifanohitra amin'i Kristy no antsoina hoe "Antikristy" ao amin'ny Testamenta Vaovao. Raha toa ka tsy mazava tsara amin'ny kristiana izany zavatra izany dia izao no hitranga : rehefa ho avy ny andron'ny Antikristy eto amin'izao tontolo izao, miaraka amin'ireo famantarana sy fahagagana sandoka (2 Tesa 2:3-10), dia hanaraka azy an-jambany fotsiny ny kristiana. Ny atao hoe tarihin'ny Fanahin'i Kristy dia manana fanahy mifanohitra tanteraka amin'ireo voatanisa rehetra eo ambony ireo.

Ity misy fandikana malalaka ny teny nataon'i Jesosy tao amin'ny Matio 7:13-27 (araka ny zava-nitranga tamin'ny nanoratana ny Matio toko 5 hatramin'ny 7) :

"Na ny vavahady na ny lalana mankany amin'ny FIAINANA MANDRAKIZAY dia samy tery avokoa, araka izay vao avy nolazaiko teo (Matio 5-7). Hisy anefa mpaminany sandoka izay ho avy handrebireby anareo sy hilaza fa tsy marina izany fa mora foana ny miditra eo amin'ny vavahady sady migodana be ny lalana. Mitandrema ianareo amin'ireny olona ireny. Mora foana ny ahafantaranareo azy ireny, diniho tsara izay vokatry ny toe-piainany : Efa tsy misy fahatezerana intsony ve eo amin'ny fiainany ? Efa tsy misy filàna vehivavy intsony ve ao aminy, tsy misy fitiavam-bola intsony ary tsy misy fitaintainana ateraky ny filan-karena (izay mpahazo ny olon'izao tontolo izao)? Moa ve ny toriteniny manohitra

mafy ireo zavatra ireo tahaka ilay efa nataoko tery aloha ? (Matio 5:21-32 sy 6:24-34).

Mety hahay mampiseho fanomezam-pahasoavana tsy voajanahary sy mahavita fahagagana ireo mpaminany sandoka ireo ary mety tena manasitrana olona amin'ny Anarako tokoa, kanefa, amin'ny andro farany dia tsy maintsy halefako any amin'ny helo avokoa izy rehetra satria tsy nahafantatra Ahy (amin'ny maha ILAY MASINA AHY) ary tsy mba nialàny akory izay fahotana nisy tao amin'ny fiainany (Matio 7:21-23). Koa raha tianareo ny hanorina fiangonana eo ambony vatolampy, izay fiangonana tsy hisy hahozongozona ary tsy hirodana mandrakizay, dia tanteraho an-tsakany sy an-davany ireo zavatra rehetra noresahiko taminareo ireo (Matio faha 5 hatramin'ny 7) ary ampianaro koa ny olonareo hanao izay rehetra nandidiako anareo. Raha izany no hataonareo dia homba anareo mandrakariva Aho ary ny Fahefako dia hanohana tsy tapaka anareo (Matio 28:20,18). Fa raha mpihaino fotsiny ianareo ka tsy mankato izay lazaiko, na dia miezinezina amin'ny fijerin'ny olona aza ny fiangonana aorinareo, dia tsy maintsy hikoro sy hianjera izany indray andro any (Matio 7:25) ."

Koa ahoana ary izany no fomba tokony hanorenana fiangonana tsy azo ozongozonina amin'izao andro farany izao ?

1. Tsy maintsy iainantsika ny toriteny nataon'i Jesosy teo an-tendrombohitra (Matio 5 hatramin'ny 7) ary tsy maintsy toriantsika tsy miato koa.

2. Tsy maintsy miaina ao anatin'ny fanekena vaovao isika fa tsy ao anatin'ny fanekena taloha. Mba hanatanterahantsika izany dia tsy maintsy fantatsika mazava tsara ny tsi-fitovian'ireo fanekena anankiroa ireo (2 Kor. 3:6). Tsy maintsy toriantsika koa ny fanekena vaovao.

Rehefa lavon'ny fahotana bevava ny mpitory fivavahana ankehitriny, dia manamarin-tena izy (ary mahazo aina) amin'ny fanoharany ny tenany amin'ireo olomasina tao amin'ny Testamenta Taloha izay lavon'ny fahotana koa. Ary rehefa avy eo dia miverina soa aman-tsara manao ny asa fanompoany indray izy ireo rehefa tsy henoheno nandritra ny fotoana elaela. Alainy ohatra amin'izany ary tanisainy i Davita izay nijangajanga, i Elia izay tratry ny hakiviana, sady ampiany hoe "kanefa mbola nampiasain'Andriamanitra ihany izy ireo"! Fa tsy mba ry Paoly no ataony ohatra, Paoly izay nanana fiainam-pandresena sy fiainam-pahadiovana mandra-pahatapitry ny fiainany.

Ny zavatra tsy mbola hitan'ireo mpitory ireo (sy ny ankamaroan'ny kristiana) dia izao, ny olomasina tao amin'ny Testamenta Taloha ange ka TSY fianarana ho antsika ankehitriny e. Efa nomena zavatra be dia be isika amin'izao androm-pahasoavana izao, ary "ho an'izay nomena be, dia be no ho tadiavina aminy" (Lioka 12:48). Jesosy no Mpanalalana amin'ny fanekena vaovao, ary ankehitriny dia IZY no fianarana ho antsika sady Tompon'ny finoantsika, fa tsy i Davida akory na i Elia. Ny mahasamy hafa ireo olomasina tao amin'ny Testamenta Taloha (voatanisa ao amin'ny Hebreo 11) sy Jesosy dia voambara mazava tsara ao amin'ny Hebreo 12:1-4. Kanefa vitsy dia vitsy ny olona no miaina izany amin'ny fomba azo tsapain-tanana. Vitsy dia vitsy no efa nahita fa " Andriamanitra efa nanomana

zavatra TSARA KOKOA ho antsika" ao amin'ny fanekena vaovao (Hebreo 11:40).

Isika rehetra izao dia samy mety ho lavo tahaka ny nahalavo ireny mpitoriteny marobe ireny raha tsy miambina sy mitandrina mafy, satria i Satana dia fahavalo feno hafetsena. Ny fiarovana ho antsika dia ny fankatoavantsika an-tsakany sy an-davany ny fampianarana omen'ny Testamenta Vaovao ary koa ny fanekentsika mpitarika matahotra an'Andriamanitra. (Ny tiako ambara amin'ny hoe mpitarika matahotra an'Andriamanitra dia olona izay tsy manana na iray aza amin'ireo fahadisoan-kevitra folo notanisaiko tery aloha). Raha haintsika ny manatsoaka lesona avy amin'ny fahadisoan'ny hafa dia tsy hamerina ny fahadisoana nataony isika.

Koa aoka ary isika samy hanohoka ny tavantsika eo amin'ny vovoka eo anatrehan'Andriamanitra mandrakariva, fa eo no handraisantsika ny fanambarana (révélation) avy amin'Andriamanitra, tahaka izay an'i Jaona (Apok.1:17). Raha manetry tena isika, dia handray fahasoavana hampandresy antsika (1 Petera 5:5). Ary rehefa asehon'ny Fanahy Masina antsika ny fahamarinana ao anatin'ny tenin'Andriamanitra sy ny

fahamarinana mikasika ny tenantsika dia aoka isika hiaiky ankitsim-po tanteraka sy "ho tia ny fahamarinana, mba ho voavonjy" amin'ny fahotana rehetra. Raha manao izany isika dia Andriamanitra mihitsy no hiaro antsika amin'ny famitahana rehetra (2 Tesa. 2:10,11). Amena.