Ao amin'ny bokin'ny Genesisy 32:30 dia vakiantsika fa « nitahy an'i Jakoba teo Andriamanitra ». Antony efatra no nitahian'Andriamanitra an'i Jakoba teo, dia tao Peniela izany.
1- Irery niaraka tamin'Andriamanitra
Jakoba dia notahiana teo amin'ny toerana izay naha irery azy niaraka tamin'Andriamanitra. Nampandehaniny avokoa ny olona rehetra ary Jakoba irery no sisa nitoetra teo (Gen. 32:25). Ny mpinon'ny taon-jato faha 20 dia mahatsapa fa tena sarotra ny mandany fotoana betsaka itokanana miaraka amin'Andriamanitra. Ny fanahin'izao andron'ny firimorimoana izao dia efa tafiditra ao anatin'ny ankamaroantsika, ary dia manan-javatra herehina tsy misy farany isika. Tsy ny toetran'ny olona tsirairay na ny kolotsaina no fototry ny olana fa ny zavatra ataontsika laharam-pahamehana mihitsy no diso, izay fotsiny. Indray mandeha Jesosy dia nilaza fa zavatra iray loha monja no ilain'ny mpino dia ny mipetraka eo anilan'ny tongotry ny Tompo sy mihaino ny teniny ( Lioka 10:42). Kanefa tsy inoantsika intsony izany ary dia iharan'ny voina lehibe isika vokatry ny tsy firaharahiana ny tenin'i Jesosy. Raha toa ka sahirana amin'ny anton-draharaha maro isan-karazany foana isika ka tsy fantatsika izany hoe mitoetra irery miaraka amin'Andriamanitra, amin'ny fifandian-kanina sy ny vavaka, dia tsy ho fantatsika velively koa ny herin'Andriamanitra sy ny fitahian'Andriamanitra. Ilay tena heriny marina, no tiako tsindriana eto (fa tsy ilay hery atao varoboba sy hala tahaka izay ireharehan'ny olona maro).
2- Torotoroan'Andriamanitra
Jakoba dia notahiana teo amin'ny toerana izay naha torotoro azy tanteraka. Tao Peniela dia nisy Lehilahy nitolona tamin'i Jakoba. Roapolo taona no efa nitoloman'Andriamanitra tamin'i Jakoba, kanefa tsy nety nanaiky mihitsy Jakoba. Efa niezaka Andriamanitra nanaporofo taminy fa tsy nisy nanahaka ireo zavatra rehetra izay nogiazan'ny tanany, na dia teo aza ny fahaizany sy ny paikadiny. Fa mbola nikiry ihany Jakoba. Tamin'ny farany dia notendren'Andriamanitra ny foto-peny ka nivika ny foto-pen'i Jakoba (and 26). Ny fe no faritra matanjaka indrindra ao amin'ny vatana, ary izany faritra izany no nopotehin'Andriamanitra.
3- Mosarena an'Andriamanitra
Jakoba dia notahiana teo amin'ny toerana izay naha mosarena azy fatratra an'Andriamanitra. « Tsy havelako handeha Hianao », hoy ny hiakan'i Jakoba, « raha tsy tahinao aho » (Genesisy 32:27). Efa ela no niandrasan'Andriamanitra ireo tenin'i Jakoba ireo, efa roapolo taona ngarangidiny. Jakoba, ilay lehilahy izay nandany ny fiainany tamin'ny fakàna an-keriny na fahazokiana, na vehivavy, na vola na fananana no indro izao fa mamotsotra ireny rehetra ireny ary mihazona an'Andriamanitra. Izay no tanjona tian'Andriamanitra hahatongavana tamin'ny alalan'ireo asa rehetra nataony teo amin'ny fiainan'i Jakoba hatramin'izay. Tena ravoravo mihitsy izao ny fon'Andriamanitra satria vitan'i Jakoba ihany tamin'ny farany ny tsy nijery intsony ny zavatry ny tany, izay mandalo, fa naleony naniry mafy sy nangetaheta an'Andriamanitra sy ny fitahian'Andriamanitra. Izao no lazaina amintsika ao amin'ny bokin'i Hosea 12:4, Jakoba dia nitomany sady nifona mba hotahiana tamin'io alina tao Peniela io. Jereo ange ny fahasamihafan'io lehilahy tao Peniela tamin'io alina io raha oharina tamin'ny andron'ny fahatanorany fony tsy naniry afa-tsy ny zavatr'ity tany ity izy e. Tamin'ny farany dia nisy vokany ihany ny asa fanamboarana nataon'Andriamanitra taminy !!
4- Nitsotra ny marina tamin'Andriamanitra
Jakoba dia notahiana teo amin'ny toerana izay nitsorany ny marina tamin'Andriamanitra. Nanontanian'Andriamanitra izy hoe, « Iza moa no anaranao ? ». Izany fanontaniana izany dia efa napetraky ny rainy taminy, roapolo taona lasa izay. Tamin'izay dia nandainga izy ary niteny hoe « Izaho no Esao » (Gen. 27:19). Fa izao kosa dia efa mitsotra ny marina izy. Izao no nolazainy, « Tompo ô, Izaho no Jakoba », raha adika amin'ny teny hafa dia hoe : « Tompo ô, izaho ilay mpaka ankeriny, izaho ilay mpamitaka, izaho ilay mpametsifetsy ». Tsy misy fitaka intsony izao ao amin'i Jakoba. Noho izany dia afaka mitahy azy amin'izay Andriamanitra. Nitahy an'i Jakoba teo Andriamanitra, izany hoe rehefa nitsotra ny marina izy, rehefa tsy nihambo ho olona hafa intsony izy, rehefa niaiky ny fahadisoany hoe « Tompo ô, izaho dia mpihatsaravelatsihy. Misy henatra ary misy hambo eo amin'ny fiainako ». Lazaiko aminao fa mila fanorotoroana marina ny olona anankiray vao hahavita hiaiky an'izany amin'ny fony manontolo. Misy mpitondra fivavahana maro koa mba mampiasa ireo teny ireo kanefa amin'ny fanetren-tena amboarina, mba hahazoany laza fotsiny ho olona tena mpanetry tena. Tsy izany zavatra maharikoriko izany no tiako resahina eto. Fa ny tena tiako lazaina dia fitsorana ny marina izay vokatry ny fo torotoro sy mangorakoraka. Vidiana lafo izany. Be loatra ireo fitaka mbola ao amin'ny fiainantsika tsirairay avy. Enga anie ka hamindra fo amintsika Andriamanitra tamin'ny nihamboantsika ho olona masina kanefa tsy izany akory isika. Aoka isika haniry fatratra ny fahitsiana sy ny fahamarinana ary ny fahasahiana amin'ny fontsika manontolo, fa raha izany dia tsy ho hita lany ny fitahian'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika.