WFTW Body: 

Izao no lazain'i Davida ao amin'ny Salamo 27:4 " Zavatra iray loha no nangatahiko tamin'i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon'i Jehovah amin'ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan'i Jehovah (ny hatsaran'i Jehovah) sy mandinika ny tempoliny ".

Davida dia mpanjaka lehibe. Nanan-karena izy, nadresy an'ady imbetsaka, ary tena mpanjaka fanta-daza. Kanefa dia izao no nolazainy, "Tsy afa-po aho. Zavatra iray loha no nangatahiko tamin'ny Tompo. Tsy hoe ny hahatonga ahy ho mpanjakan'ny tany rehetra, na hahatonga ahy ho mpitory fivavahana malaza, na hahatonga ahy ho olona be voninahitra. Fa zavatra iray loha nangatahiko tamin'ny Tompo dia ny mba hahafahako mifaly mijery ny hatsaran'ny Tompoko, sy mba hahita bebe kokoa hatrany izany hatsaran'ny Tompoko izany mandritra ny androm-piainako rehetra". Moa izany koa ve no zavatra tokana irintsika eo amin'ny fiainantsika ?

Ao amin'ny Jaona toko faha 20 no amakiantsika ny tantaran'ny olona anankiray izay nanana izany faniriana tokana izany koa. Tsy iza izany fa i Maria Magdalena. Nandeha nankany amin'ny fasana raha mbola maizimaizina izy tamin'io andro alahady maraina io. Fa nahoana moa no tsy natory intsony izy tamin'izany ora izany ? Fa nahoana izy no nifoha vao maraina be, raha mbola maizina ny andro, ary nankany amin'ny fasana ? Satria tsy nanana afa-tsy faniriana tokana izy teo amin'ny fiainany, ary izany faniriana tokana izany dia ny hahita ny Tompony. Vakiantsika fa rehefa nankeny amin'ny fasana izy dia nahita fa foana ny fasana. Koa lasa nihazakazaka izy nilaza izany tamin'ireo mpianatra hafa. Dia lasa nankeny amin'ny fasana koa ireo mpianatra ireo, ary avy eo dia niverina nody tany an-tranony avy, angamba niverina natory.

Fa Maria Madgalena kosa nijanona nitomany teo ivelan'ny fasana. Hitanao amin'izany fa tsy raiki-pitia mafy tamin'ny Tompo toa an'i Maria ny mpianatra. Rehefa hitan'ireo mpianatra fa foana ny fasana dia nandeha niverina natory izy ireo. Fa i Maria kosa tsy mba nanao an'izany, satria Jesosy no fiainany manontolo. Olona tahaka izany no tadiavin'Andriamanitra ankehitriny, any amin'ny fiangonana. Rehefa nanatona an'i Maria Magdalena Jesosy dia noheverin'i Maria fa ny mpiandry saha Izy, ka hoy Maria taminy, " Tompoko, raha ianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao Azy, ary izaho dia haka Azy ". Efa vonona ny hibata ny faty mihitsy i Maria. Kanefa ve mba fantatrao fa sarotra be ny hahavitan'ny vehivavy anankiray mibata faty. Kanefa lehibe loatra ny fitiavany ny Tompo koa vonona izy ny hizaka ny sarotra rehetra. Izany no atao hoe "mitady ny tavan'Andriamanitra". Ny dikan'izany dia tsy manana afa-tsy faniriana tokana, dia ny hifaly mijery ny hatsaran'ny Tompo, ary izay fotsiny ihany. Tsy anjarako ny ho tonga mpanan-karena na ho olo-malaza eto amin'ity tany ity, fa mba hifaly mijery ny hatsaran'ny Tompoko bebe kokoa isan'andro fotsiny.

Tadidiko ny tantaran'ny lehilahy iray izay nandeha nitsidika ny tokantranon'ny vehivavy mpitondratena anankiray. Tena nahantra dia nahantra tokoa ilay mpitondratena, kanefa tena nitia ny Tompo izy. Nanan-janaka efatra na dimy ravehivavy ary trano tany rotsopeta no nipetrahany. Dia nanontany azy ralehilahy hoe, fa nahoana ato an-tokantranonao no feno fifaliana sy fiadanana ? Ianao tsy manam-bola be. Ny zanakao tsy ampy sakafo, kanefa izy rehetra mitsikitsiky daholo. Be dia be ny fahasahirananao sy aretina ao an-tokantranonao kanefa ianao falifaly foana. Inona ny tena sekren'izany fiainanareo izany ? Dia namaly ravehivavy hoe "Jesosy Kristy no fiainako manontolo. Tsy misy zavatra hafa ilaiko ankoatr'izay eto an-tany".

Ry malala, raha Jesosy Kristy no efa tonga fiainantsika manontolo, dia hanahaka an'io vehivavy io koa isika.