WFTW Body: 

Ao amin'ny Matio 14:19 dia hitantsika ireo dingana telo hahatongavan'ny olona ho fitahiana ho an'ny hafa :

(1) Nalain'i Jesosy avokoa ny mofo sy ny hazandrano REHETRA

(2) Nanaovany fisaorana ireo ; ary

(3) Novakiany ireo.

Dia nihinana avokoa ny vahoaka rehetra. Tahaka izany koa ny fomba hanamboaran'ny Tompo anao ho tonga fitahiana ho an'ny hafa. Tsy maintsy atolotrao ny Tompo aloha ny zavatra rehetra, tahaka ny nataon'ilay zatovo teto. Avy eo dia hitahy anao amin'ny herin'ny Fanahy Masina Izy. Rehefa avy eo dia hataony torotoro ianao amin'ny alalan'ny fitsapana maro sy fahavoazana, fahadisoam-panantenana, tsi-fahombiazana, aretina isan-karazany, fivadihan'ny olona sy ny sisa, ary hampietry anao ny Tompo sy hampidina anao ho tonga tsinontsinona eo imason'ny olona. Rehefa izany dia hitahy ny hafa amin'ny alalanao Izy. Noho izany dia maneke ny fanorotoroany anao. Ny Baiboly dia milaza fa Jesosy no notorotoroina voalohany koa dia nambinina ny asan'ny Ray teo an-tanany (Jereo Isa.53:10-12).

Navelan'i Jesosy ntorotoroina ny sitrapon'olombelona tao anatiny teo amin'ireo toe-javatra isan-karazany teo amin'ny fiainany. Izany ihany no nahafahany nanatitra ny Tenany tsy manan-tsiny ho an'ny Rainy. Ho amin'izany tanjona izany no nampaherezan'ny Fanahy Masina Azy (Heb. 9:14). Ho anao koa dia amin'ny famelanao ny Fanahy Masina hanorotoro ny herin'ny sitraponao ihany no hahatonga anao ho olona ara-panahy. Rehefa tonga ny fotoanan'ny fakam-panahy dia tsy maintsy torotoroina ny sitraponao mahery vaika izay te hanao izay tiany, fa tsy te hanao izay tian'Andriamanitra.

Ny hazo fijalianao dia ny toerana izay hifanenan'ny sitrapon'Andriamanitra amin'ny sitrapon'ny tenanao. Eo no tsy maintsy hofantsihana ny sitraponao. Eo no hitenen'ny Fanahy Masina aminao ho faty ho an'ny tenanao. Raha mankato tsy tapaka ny feon'ny Fanahy Masina ianao, dia hijanona ho torotoro fo lalandava, ary Andriamanitra efa nampanantena fa hanome famelombelomana tsy mitsahatra ho an'ireo olona izay mijanona ho torotoro am-panahy mandrakariva. Hoy ny tompo "Ao amin'ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin'ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny fanahin'ny manetry tena sy hamelombelona ny fon'ny torotoro fo" (Isa.57:15) .

Tsara raha tsapanao amin'ny fotoana rehetra fa mahantra ianao " mahantra ara-panahy". Tsy maintsy mino kosa anefa ianao fa Andriamanitra dia mamaly soa mihitsy izay mazoto mitady Azy. Ny hasarobidin'ny fahantrana ara-panahy dia tsy mahasoa anao akory raha tsy inoanao koa fa hitahy anao sy hameno anao amin'ny heriny Andriamanitra.

Katsaho ny fifankatiavana amin'ny mahantra sy ny osa, any amin'ny fiangonana tsirairay, ary ampaherezo izy ireo. Miresaha amin'ireo ankizy dia ampaherezo izy ireo, satria ny ankamaroan'ny olona dia manao tsinontsinona ny ankizy. Katsaho mandrakariva ny toerana ambany, tsy misy mpahita, sy ny asa fanompoana tsy hitan'ny olona ao am-piangonana. Aza mitady laza akory ao am-piangonana, ary aza manao izay hampiaiky ny olona amin'ny alalan'ny fahaizanao sy ny talentanao na amin'ny inona na amin'ny inona. Kanefa aoka kosa ianao ho feno fahasahiana mandrakariva mba hijoro vavolombelona isaky ny fivoriana sy hanao asa fanompoana amin'ny fomba azo atao rehetra ao am-piangonana, na fanadiovana gorodona na fitendrena piano. Aza mba mifaninana na amin'iza na amin'iza na inona na inona asa fanompoana. Andriamanitra mihitsy no hanokatra ny asa fanompoana izay efa nokasainy ho anao amin'ny fotoana mahamety izany raha mahatoky ianao.