Rehefa ampitahaina ireo pejy manokatra ny Baiboly amin'ireo pejy mamarana ny Baiboly dia hita fa ireo hazo anankiroa (ny hazon'aina sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy) dia hiteraka rafi-pandaminana anankiroa amin'ny andro farany, dia Jerosalema sy Babylona.
Izay efa tena nateraky ny Fanahy tokoa, izany hoe izay avy amin'Andriamanitra sy amin'ny alalan'Andriamanitra ary ho an'Andriamanitra, dia maharitra mandrakizay. Fa izay nateraky ny nofo kosa, izany hoe avy amin'ny olombelona sy amin'ny alalan'ny olombelona ary ho an'ny olombelona dia maty.
Amin'izao androntsika izao isika dia miaina eo anelanelan'ny pejin'ny Genesisy sy ny pejin'ny Apokalipsy. Ary na fantatsika na tsia dia tafalatsaka ao anatin'ireo rafitra anankiroa ireo isika. Ilay rafitra anankiray dia manam-piniavana ny hanandratra sy hankalaza an'Andriamanitra fa ilay rafitra iray kosa hankalaza sy hanandratra olombelona. Ny anankiray manara-dia an'i Kristy fa ny anankiray manara-dia an'i Adama. Ny anankiray mivelona ao amin'ny Fanahy Masina fa ny anankiray mivelona ao amin'ny nofo sy ny aina.
Samy nahare ny feon'Andriamanitra avokoa na i Jesosy na i Adama. Ny nahasamy hafa azy fotsiny dia ny anankiray nankato fa ny anankiray tsy nankato. Tahaka izany koa, hoy Jesosy : koa amin'izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankato dia manorina ny tranony teo ambonin'ny vatolampy ary tsy hihozongozona mandrakizay fa izay mandre nefa tsy mankato kosa ary manorina eo ambonin'ny fasika dia ho faty no fiafarany (Matio 7:24-27).
Ireo trano anankiroa resahin'i Jesosy ireo dia Jerosalema sy Babylona.
Amin'izao andro izao dia misy olona tena nohamarinina tamin'ny finoana ka tafiditra ao anatin'ny fanekena vaovao, voaisy tombo-kase tamin'ny ràn'i Jesosy, ary manara-dia an'i Jesosy, mivelona amin'ny fankatoavana ny sitrapon'Andriamanitra (ireo olona lazaina manokana ao amin'ny Matio toko faha-5 hatramin'ny faha-7), dia ireo izay manorina ny tranony eo ambonin'ny vatolampy ary manana anjara ao amin'i Jerosalema. Mila mamaky ny Matio 5 hatramin'ny 7 fotsiny ny olona anankiray hahafantarany na tafiditra ao anatin'io rafitra io izy na tsia.
Torak'izany koa iretsy hafa (ary ireo no tena maro an'isa), izay nandre ny tenin'i Jesosy ao amin'ny Matio 5 hatramin'ny 7 kanefa diso ny fandraisany ny atao hoe fanamarinana, finoana ary fahasoavana. Izy ireo dia miaina ao anaty fandriampahalemana sandoka, tsy miraharaha ny hankato ny tenin'i Jesosy, ka manorina eo ambonin'ny fasika, izany hoe Babylona, ary ho faty mandrakizay.
'Kristiana' no fiheveran'izy ireny ny tenany, satria efa nolazain'i Jesosy fa ny olona nanorina teo ambonin'ny fasika dia olona nandre ny feon'i Jesosy, koa mazava ho azy fa tsy mpanompo sampy ireny olona ireny, fa anisan'ireo mamaky ny Baiboly sy mankany am-piangonana. Ny olana tao amin'izy ireo fotsiny dia tsy nankato izy. Noho izany izy ireo dia tsy handray ny famonjena mandrakizay izay nampanantenaina ho an'izay mankato an'i Jesosy (Hebreo 5:9). Tsy finoana tena izy ny azy satria tsy nanao ny asam-pankatoavana izy mba ho tanteraka ny finoany (Jakoba 2:22,26).
Ny olona eo ambany fitarihan'i Adama dia manaraka ny mpitarika azy amin'ny tsi-fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra naseho taminy. Noresen'i Satana lahatra anefa izy ireo hoe "tsy ho faty tsy akory hianareo" (Genesisy 3:4). Milaza ny tenany ho efa "nandray an'i Kristy" izy ireo. Noho izany dia miaina ao anaty fandriampahalemana sandoka ao Babylona izy.
Toy izany ihany, ny olona eo ambany fitarihan'i Kristy dia mora fantarina satria "mandeha toy izay nandehanan'i Jesosy" (1 Jaona 2:6) amin'ny fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra. Ireo no rahalahy sy anabavin'i Kristy (Matio 12:50) ary mpikambana ao amin'i Jerosalema.
Ny zavatra mahavariana amin'io fanoharana nataon'i Jesosy ao amin'ny faran'ny Matio faha-5 hatramin'ny faha-7 io dia samy nijoro nandritra ny fotoana elaela ihany ny tranon'ilay hendry sy ny tranon'ilay adala, tahaka an'i Babylona sy Jerosalema izay mijoro amin'izao andro izao, mandra-pilatsaky ny orana sy ny fihavian'ny riaka be. Raha ny endriky ny trano ivelany fotsiny no tena nimasoan'ilay lehilahy adala (ny zavatra lazain'ny olona mikasika azy), ilay lehilahy hendry kosa dia tena nikely aina nanao ny fanorenana aloha (ilay fiainana miafina ao am-po, eo anatrehan'Andriamanitra).
Ny toetra mampiavaka an'i Jerosalema dia ny fahamasinana. Nantsoina hoe "ny Tanàna MASINA" izy (Apokalipsy 21:2). Babylona kosa dia niavaka tamin'ny fahalebiazany. Nantsoina hoe "ilay tanàna LEHIBE" izy (Apokalipsy 18:10). Indraikambinifolo izy no nantsoina hoe "lehibe" ao amin'ny bokin'ny Apokalipsy.
Ny olona izay mivelona ao anatin'ny fahamasinana marina sy amin'ny fankatoavana an'Andriamanitra ary miombon-toetra amin'i Kristy amin'ny alalan'ny finoana dia efa voaorina miaraka ao Jerosalema. Fa ny olona mitady fahalebiazana eto an-tany (ny laza sy ny voninahitra omen'ny olona) dia miorina ao Babylona.
Nandritra ny sivinjato sy arivo taona no efa nisy antso tonga tamin'ny olon'Andriamanitra.
Mialà aminy (amin'i Babylona) hiarareo RY OLOKO, aza miombona ota aminy, ndrao hahazo anareo ny loza manjo azy (Apokalipsy 18:4 - Baiboly The Living ).
Vao mainka mahamaika izany antso izany ankehitriny satria efa antomotra ny fahataperan'izao tontolo izao. Izay manan-tsofina enti-mihaino, aoka izy hihaino.