WFTW Body: 

Mora foana ho an'ny mpino ny diso fihevitra momba ny fiainam-panahiny raha toa tsy mitoetra eo anatrehan'Andriamanitra izy. Hita mazava izany avy amin'ny teny mahery izay nataon'ny Tompo ho an'ireo loholon'ny fiangonana fito voalaza ao amin'ny bokin'ny Apokalipsy. Ho amin'ny anjelin'ny (na ho amin'ny loholon'ny) fiangonana any Laodikia, izao no lazain'ny Tompo « T sy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka » (Apo. 3:17).

Avelan'Andriamanitra ny fisehoan-javatra maro samy hafa ho tonga tampoka eo amin'ny fiainantsika mba hampihanjahanja izay zavatra miafina ao am-pontsika. Efa nandritra ny taona maro mantsy no nokobonintsika tao am-po ireo sorisory vokatry ny fifandirantsika tamin'ny olona maro hafa. Mifitsaka miery ao anatin'ny fontsika lalina ao izy ireny, kanefa dia mihevitra isika fa madio fo. Noho izany dia avelan'Andriamanitra hisy zava-mitranga kely mba hanakobanana indray ireo fota-mandry ary hampitamberina ireny ao an-tsaintsika. Dia izay ilay fotoana tsy maintsy hanadiovantsika ny fontsika. Izay ilay fotoana tsy maintsy hamelantsika ny fahadisoan'ny olona voakasik'ilay zava-mitranga sy hanapahantsika hevitra hitia iny olona iny. Raha tsy araraotintsika izay fotoana izay mba hanesorantsika ireny zavatra ireny hiala ao am-pontsika dia hilentika any amin'ny atilalin'ny fontsika any indray izy ireny raha vao miverina ny filaminana ary dia ho tafajanona ao. Dia mety hihevitra isika fa efa milamina ny zavatra rehetra kanefa tsy izany velively. Raha vao misy fisehoan-javatra kely anankiray hafa dia hitamberina ao an-tsaintsika daholo indray ny zavatra rehetra. Noho izany dia tsy maintsy diovintsika ny fontsika isak'izay misy zavatra mitsinkafona.

Hitantsika ohatra tamin'ny tantaran'ilay zanaka adala. Ilay zokiny dia ratsy fanahy be tamin'ilay zandriny. Tsy niseho niharihary anefa izany toetra ratsiny izany raha tsy tonga ny fotoana niverenan'ilay zandriny sy nanaovana lanonana ho an'ny zandriny. Tamin'io fotoana io dia jereo ireo fiampangany ny zandriny sy fanendrikendrehana maro nataony sady tsy mba nanadihady akory izy na marina ireny na diso (ohatra amin'izany, lazainy fa ny zandriny dia « nandany ny fananany tamin'ny vehivavy janga » - Lioka 15:30). Rehefa tsy mifankahazo amin'ny olona anankiray isika dia hinoantsika avy hatrany foana ny zavadratsy rehetra lazaina momba azy.

Izao no nolazain'ny rainy tamin'ilay zanany lahimatoa « Anao avokoa izay rehetra ananako » (Lioka 15:31). Tokony ho nifantoka tamin'izany zavatra nomen'ny rainy azy izany izy. Kanefa naleony nifantoka tamin'izay mba zavatra nataony : « Izay ela izay aho no efa nanompo anao ka tsy mbola nandika ny didinao na dia indray mandeha akory aza ». Ny hadisoana nataon'ilay zandriny koa no nifantohany : « Io zanakao io no efa nandany ny fanananao » (Lioka 15:29-32). Mitovy amin'ny teny nataon'io raim-pianakaviana io no teny ataon'Andriamanitra amintsika koa « Anao avokoa izay rehetra ananako ». Ny zavatra rehetra izay ao amin'i Jesosy dia antsika avokoa : ny fahadiovan'i Jesosy rehetra, ny fahamoram-panahiny rehetra, ny faharetany rehetra, ny fanetren-tenany rehetra sy ny sisa sy ny sisa ...

Ny fianarana azontsika raisina avy amin'io tantara io dia tsotra fotsiny : Samia mifantoka mandrakariva amin'ny haren'ny fahasoavan'Andriamanitra fa aza variana amin'izay zava-bitanao, na amin'izay kileman'ny mpino namanao ianao.

Ny tanjona tsy maintsy tratrarintsika dia ny fitomboana amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana an'i Jesosy Kristy Tompontsika (2 Petera 3:18). Inty misy famaritana anakiray hafa ny atao hoe fahasoavana araka ny 2 Korintiana 8:9 « Ny fahasoavana no nampahantra an'i Jesosy Kristy Tompontsika, na dia nanan-karena aza Izy, mba hampanankarena antsika ». Dia izany koa ny ateraky ny fahasoavana eo amin'ny fiainantsika. Hanjary vonona ny ho kely isika, vonona ny ho tsinontsinoavina, eny ny hankahalaina sy hampahantraina eo imason'ny olona, raha izany no hahatonga antsika ho fitahiana ho an'ireo olona mahantra. Jesosy dia nandehandeha nanao soa satria nandray fahasoavana avy tamin'ny Rainy Izy (Asa 10:38). Azon'ny fahasoavana atao eo amin'ny fiainanao koa izany, mba hahatonga anao ho fitahiana ho an'ny olona maro hafa.

Rehefa niatrika zava-tsarotra Jesosy dia tsy izao vavaka izao no nataony « Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin'ity ora ity» fa izao no nolazainy « Ray ô, mankalazà ny Anaranao » (Jaona 12:27,28). Ianao koa dia tsy maintsy mivavaka tahaka izany rehefa ao anaty zava-tsarotra. Aza mba mitady fiainana mampiadana fa katsaho izay fiainana manome voninahitra an'Andriamanitra, na dia vidianao lafo aza izany.

Aza ny olona sarotra ihavanana asain'Andriamanitra iarahanao no ivavahanao mba hovain'Andriamanitra, na ny zava-tsarotra napetrak'Andriamanitra ho lalovanao. Fa mivavaha amin'Andriamanitra ianao mba hovainy ao anatin'ireny fahasarotana ireny. Ny olona izay tsy mitsahatra ny mivavaka toy izany no hitombo amin'ny fahasoavana, izany hoe ho tonga olomasina tokoa na inona na inona tsi-fahombiazany tany aloha. Aoka hosaintsaininao izao teny fikasana izao « Ampy ho anao ny fahasoavako » (2 Korintiana 12:9). Ny fahasoavan'Andriamanitra dia ampy ho an'ny asa aman-draharaha rehetra izay tsy maintsy ataonao. Ary ny fahasoavan'Andriamanitra dia ampy ho an'ny fizahan-toetra rehetra sy ny olana rehetra izay mety hianjady aminao na rahoviana na rahoviana.